Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

SIERRA LEONE SY GUINÉE

“Herintaona Ihany Ianao dia Maty”

Zachaeus Martyn

“Herintaona Ihany Ianao dia Maty”
  • TERAKA 1880

  • BATISA 1942

  • TANTARANY Nanomboka nanao mpisava lalana tamin’izy 72 taona.

TSY mba nisy nampianatra Baiboly i Zachaeus. Niaiky anefa izy fa nahita ny fahamarinana rehefa namaky an’ilay boky hoe Famonjena sy ilay hoe Ny Harpan’Andriamanitra.

Niainga vao maraim-be izy indray alahady, tamin’ny 1941, mba hanatrika ny fivorian’ny Vavolombelona. Tany amin’ny valo kilaometatra no nisy azy io, ary tsy maintsy nidina tendrombohitra avo be izy vao tonga tany. Sambany izy vao ho any, ka tsy hainy ny ora fidirana. Ora maromaro mialoha izy no tonga, ary niandry an’ireo rahalahy teo. Vao nivory intelo alahady tany amin’ny Efitrano Fanjakana izy, dia efa nasainy nesorina tao amin’ny Fiangonana Anglikanina ny anarany.

Tezitra ny namany iray mpiara-mivavaka taminy ka nilaza hoe: “Ô ry Ingahibe a! Raha miaka-midina an’io tendrombohitra io foana ianao, mba handehanana mivavaka miaraka amin’ireny olona ireny, dia herintaona ihany ianao dia maty.” Hitany niaka-nidina indroa isan-kerinandro tamin’ilay tendrombohitra i Zachaeus nandritra ny dimy taona. Ilay namany indray anefa no maty avy eo. Mbola navitribitrika tsara i Zachaeus, 25 taona tatỳ aoriana.

Tsy nivadika tamin’i Jehovah i Zachaeus mandra-pahafatiny tamin’izy 97 taona.