Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

SIERRA LEONE SY GUINÉE

1991-2001: “Tao Anatin’ny Fahoriana”—Isa. 48:10. (Fizarana 1)

1991-2001: “Tao Anatin’ny Fahoriana”—Isa. 48:10. (Fizarana 1)

Ady an-trano

Niteraka korontana eran’i Afrika Andrefana ny olana ara-tsosialy sy ara-politika ary ara-toe-karena, teo anelanelan’ny 1980 sy 1990. Maro no nandositra teto Sierra Leone, rehefa nafotaka ny ady tao Liberia. Nampiasa trano sy Efitrano Fanjakana ny sampana mba handraisana an’ireo Vavolombelona nitsoa-ponenana, ary nokarakaraina tsara izy ireo.

Mafy ny nanjo an’ireo mpitsoa-ponenana, nefa nisy ihany ny zavatra nahatsikaiky. Hoy i Isolde Lorenz, misionera efa ela: “Nasiana fatana tao amin’ny zaridaina tao ambadiky ny Efitrano Fanjakana, izay mbola anisan’ny faritry ny Betela. Nisy ankizilahy iray nasain’ny dadany namana sakafo tany. Nony niverina anefa izy, dia niteny hoe: ‘Tsisy sakafo isika androany.’ ‘Fa nahoana?’, hoy ny rainy. Namaly izy hoe: ‘Satria novonjen’i Jehovah teo am-bavan’ny liona aho!’ Nifanena tamin’ny alikan’ny sampana mantsy ilay ankizilahy rehefa avy namana sakafo. Lobo no anaran’izy io ary ngezabe izy nefa tsy tena masiaka. Natahotra be anefa ilay zaza, ka natsotrany ilay tanany nisy sakafo mba handroahana an’ilay alika. I Lobo kosa nihevitra hoe nanasa azy hihinana an’ilay sakafo ilay zaza, ka nihinana tokoa izy!”

Nitatra hatratỳ Sierra Leone ilay ady tao Liberia, tamin’ny 23 Martsa 1991, ary nanomboka teo ilay ady an-trano naharitra 11 taona. Vetivety dia tonga tao Kailahun sy Koindu ireo miaramila mpikomy antsoina hoe RUF, ka nandositra tatsy Guinée ny mponina tao. Nisy Vavolombelona 120 teo ho eo tamin’ireo mpitsoa-ponenana ireo. Nisy Vavolombelona hafa avy tao Liberia koa nandositra teto Sierra Leone, talohan’ny nahatongavan’ireo mpikomy.

Hoy i Billie Cowan, mpandrindra ny Komitin’ny Sampana tamin’izany: “Nisy rahalahy nahia kaozatra, lali-maso, ary mosarena tonga teto amin’ny Betelan’i Freetown, nandritra ny volana maromaro. Maro tamin’izy ireo no nahita habibiana nahatsiravina, ary nihinam-bozaka mba tsy ho faty mosary. Nomenay sakafo sy fitafiana haingana izy ireo. Nokarakarainay koa ny havany sy ireo olona liana niaraka taminy. Tsara fanahy tamin’ny mpitsoa-ponenana ireo rahalahy sy anabavy, ary nampiantrano azy ireo. Tonga dia nazoto nanompo niaraka tamin’ny fiangonana teo an-toerana ireo Vavolombelona mpitsoa-ponenana. Nifindra ny ankamaroany tatỳ aoriana, fa nampahery anay izy ireo tamin’ny mbola teto.”

Nisy ady an-trano naharitra 11 taona tany Sierra Leone

Nanome fampiononana sy fanantenana

Nandefasan’ny sampana sakafo, fanafody, fitaovam-panorenana, fitaovana ao an-dakozia, ary fitaovana hafa ireo Vavolombelona tany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana tao Guinée. Anisan’izany ny akanjo maro be nalefan’i Frantsa. Hoy ny rahalahy iray: “Nihira sy nandihy ny zanako ary nidera an’i Jehovah, satria nahazo akanjo vaovao hoentina mivory!” Nisy rahalahy sy anabavy nilaza fa mbola tsy niakanjo tsara hoatran’ny tamin’io ry zareo!

Tsy zavatra ara-nofo ihany anefa no nilain’ireo mpitsoa-ponenana. Hoy i Jesosy: “Tsy ny mofo ihany no tsy maintsy iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.” (Mat. 4:4) Nandefa boky ara-baiboly tany àry ny biraon’ny sampana, ary nandamina fivoriambe. Nandefasana mpisava lalana sy mpiandraikitra mpitety faritany koa tany.

Nihaona tamin’ny tompon’andraikitry ny toby i André Baart, mpiandraikitra ny faritra, tamin’izy nitsidika an’i Koundou, ao Guinée. Nasain’izy io nanao lahateny ho an’ny mpitsoa-ponenana i André. Olona 50 teo ho eo no nandre an’ilay lahateny hoe “Ataovy Fialofanao i Jehovah”, niorina tamin’ny Salamo 18. Hoy ny vehivavy zokiolona iray nony vita ilay lahateny: “Tena nahafaly anay ny zavatra nataonao. Tsy mahavaha ny zava-manahirana anay mantsy ny vary. Ny Baiboly kosa no manampy anay hanantena an’Andriamanitra. Misaotra anao eram-po eran-tsaina izahay, satria nanome fampiononana sy fanantenana ho anay ianao.”

Narehitry ny fanahy ilay fiangonana nisy mpitsoa-ponenana 100 mahery tao Guékédou, ao Guinée, rehefa tonga i William sy Claudia Slaughter, mpivady misionera. (Rom. 12:11) Hoy i William: “Maro ny tovolahy vonona hanao fandrosoana. Rehefa nisy olona tsy afaka nanao ny anjarany tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana, dia rahalahy tanora 10 ka hatramin’ny 15 no nanolo-tena hisolo toerana. Be dia be koa no nivoaka nitory. Lasa mpisava lalana manokana sy mpiandraikitra mpitety faritany ny sasany tamin’izy ireny.”

Fanorenana tao anatin’ny ady

Nividy tany antsasaka hektara teo amin’ny 133 Lalana Wilkinson ireo rahalahy teto Freetown, raha vao nanomboka kely ny ady. Tsy lavitra ny biraon’ny sampana izy io. Hoy i Alfred Gunn: “Te hanorina tranon’ny sampana vaovao teo izahay, nefa natahotra noho ny ady. Tamin’izay indrindra no nitsidika teto i Lloyd Barry, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Noresahinay taminy ilay olana, ka hoy izy: ‘Tsy hisy zava-bita eo, raha avelantsika hisakana antsika ny ady!’ Nandrisika anay hanao zavatra ny teniny.”

Mpiasa an-jatony no nifarimbona tamin’ilay tetikasa, ka anisan’izany ny mpiasa an-tsitrapo 50 mahery avy amin’ny firenena 12 sy ireo rahalahy teto an-toerana. Nanomboka tamin’ny Mey 1991 ny asa. Hoy i Tom Ball, mpiandraikitra ny fanorenana: “Avo lenta be ireo trano naorina ka variana ny mpitazana. Hafa mihitsy ilay rafitra vy nanaovana an’ireo trano. Fa ny tena nahagaga ny olona, dia ny nahita an’ireo mainty hoditra sy fotsy hoditra niara-niasa tsara sy falifaly erỳ.”

Natao tamin’ny 19 Aprily 1997 ny fitokanana, ary faly nanatrika izany ny olona avy amin’ny firenena maro. Niakatra teto Freetown ny RUF, iray volana taorian’izay, rehefa avy nandravarava tany ambanivohitra nandritra ny dimy taona.

Fanorenana ny biraon’ny sampan’i Freetown; ny sampana amin’izao

Niadivana i Freetown

An’arivony ny miaramila RUF nifanaretsaka eran’ny tanàna, ka nandroba sy nanolana ary namono. Nanao fehiloha mena izy ireo ary niraikidraikitra be ny volony. Hoy i Alfred Gunn: “Nampitebiteby be ny fiainana tamin’izany. Nafindra toerana haingana ny ankamaroan’ireo misionera. Enina mianadahy izahay no nandeha farany, dia izaho sy Catherine, Billie sy Sandra Cowan, ary Jimmie sy Joyce Holland.

“Nisy Betelita vonona hiandry trano. Niara-nivavaka tamin’izy ireo izahay vao nankany amin’ny toeram-piaingana. Nosakanan’ny miaramila mpikomy 20 teo ho eo izahay teny an-dalana. Mamo izy ireo ary romotra be ny fahitana azy. Nomenay gazety sy vola izy ireo, dia navelany handeha izahay. Naterina tao amin’ny toeram-pisavana nambenan’ny miaramila amerikanina izahay sy ny olona 1 000 mahery. Noraisin’ny helikopteran’ny tafika izahay avy eo, ary natao tao amin’ny sambon’ny tafika amerikanina. Nilaza ny manamboninahitra iray fa tamin’io izy ireo no nitondra sivily be indrindra hatramin’ilay ady tany Vietnam. Nandeha helikoptera nankany Conakry izahay ny ampitson’io, ary nanangana biraon’ny sampana vonjimaika rehefa tonga tany.”

Alfred sy Catherine Gunn, anisan’ireo nafindra toerana

Nitaintaina ireo misionera niandry vaovao avy teto Freetown. Nisy taratasy tonga ihany tamin’ny farany niteny hoe: “Na eo aza ny korontana, dia miezaka izahay mizara ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana faha-35 hoe ‘Hifankatia ve ny Olona Rehetra Indray Andro Any?’ Mandray tsara ny olona ary misy mpikomy mianatra Baiboly mihitsy aza. Tapa-kevitra ny hampitombo ny asa fitoriana izahay.”

Hoy i Jonathan Mbomah, mpiandraikitra ny faritra tamin’izany: “Nandamina fivoriambe manokana teto Freetown mihitsy aza izahay. Nampahery be ilay fandaharana, ka nandamina azy io tany Bo sy Kenema indray aho. Nisaotra an’i Jehovah ireo rahalahy tany amin’ireo tanàna rotidrotiky ny ady ireo, noho ilay sakafo ara-panahy nampahery.

“Nandamina fivoriamben’ny vondrom-paritra tao amin’ny kianjan’i Freetown izahay, tamin’ny faramparan’ny 1997. Tonga tao amin’ilay kianja ny miaramila mpikomy ny andro faran’ilay fivoriambe, ary nandroaka anay. Niangavianay izy ireo mba hamela anay hamita an’ilay fandaharana. Rehefa niresaka ela be teo izahay, dia nilefitra ihany izy ireo ary lasa. Olona arivo mahery no nanatrika an’ilay fivoriambe ary 27 no natao batisa. Maro no nankany Bo mba handre an’ilay fandaharana indray, na dia nampidi-doza aza ny dia. Nahafinaritra tokoa ireny fivoriambe ireny!”