Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

SIERRA LEONE SY GUINÉE

Ankizy Nanao Miaramila Lasa Mpisava Lalana Maharitra

Ankizy Nanao Miaramila Lasa Mpisava Lalana Maharitra

NOTEREN’NY mpikomy hiady niaraka taminy aho tamin’izaho 16 taona. Nomen-dry zareo rongony sy toaka aho, ary matetika no efa mamon-drongony rehefa nanafika. Niady imbetsaka aho ary nahavita habibiana maro, izay nanenenako mafy.

Nitory tao amin’ny tobinay ny Vavolombelona iray efa zokiolona indray andro. Natahotra anay ny ankamaroan’ny olona ary nankahala anay. Izy kosa niezaka nampianatra Baiboly anay. Nanasa ahy hivory izy, ary nanaiky aho. Tsy nisy tsaroako ny zavatra nolazaina tany, fa tadidiko hoe noraisina tsara aho.

Tsy nihaona tamin’ny Vavolombelona intsony aho rehefa nafotaka ny ady. Naratra be aho tatỳ aoriana, ka nalefa tany amin’ny toerana iray nofehezin’ny mpikomy mandra-pahasitrako. Nitsoaka aho raha mbola tsy nifarana ny ady ary nankany amin’ny toby fanarenana miaramila, mba hanampiana ahy hifandray amin’ny fiaraha-monina indray.

Tsapako hoe tena nila an’Andriamanitra aho. Nivavaka tany amin’ny Pentekotista aho, nefa nantsoin’ny olona tany hoe Satana. Nanomboka nitady Vavolombelon’i Jehovah àry aho. Nianatra Baiboly sy nivory aho rehefa hitako izy ireo. Nony nolazaiko tamin’izy ireo ny zava-dratsy nataoko, dia nanonona an’ity teny mampahery nolazain’i Jesosy ity ry zareo: “Tsy ny olona salama no mila dokotera, fa ny marary. ... Tsy tonga hiantso ny marina aho, fa ny mpanota.”—Mat. 9:12, 13.

Tena nanohina ny foko ireo teny ireo. Nomeko an’ilay rahalahy nampianatra Baiboly ahy ny sabatra keliko, ary hoy aho: “Notazoniko ity mba hiarovako ny tenako rehefa misy mitady hamono ahy. Fantatro anefa izao hoe tia ahy i Jehovah sy Jesosy, ka tsy mila an’ity intsony aho.”

Nampianatra ahy namaky teny sy nanoratra ireo rahalahy. Natao batisa aho tatỳ aoriana, ary lasa mpisava lalana. Rehefa mitory amin’ireo mpikomy taloha aho, dia milaza ry zareo fa manaja ahy noho izaho niova. Nampianariko Baiboly mihitsy aza ilay manamboninahitra lefitra tao amin’ny andia-miaramila nisy ahy.

Niteraka telo lahy aho tamin’izaho mbola miaramila. Te hanampy azy ireo hifandray amin’Andriamanitra aho, rehefa nahita ny fahamarinana. Faly aho fa nandroso ny roa! Mpisava lalana mpanampy izao ny zanako lahimatoa, ary mpitory tsy vita batisa ny iray.