Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

SIERRA LEONE SY GUINÉE

Olon’ny Tilikambo Fiambenana

James Koroma

Olon’ny Tilikambo Fiambenana
  • TERAKA 1966

  • BATISA 1990

  • TANTARANY Mpitondra entana nandritra ny ady an-trano.

NAFOTAKA ny ady teo amin’ny mpikomy sy ny tafi-panjakana tamin’ny 1997. Nanolo-tena àry aho mba hitondra ny taratasy avy teto Freetown ho any amin’ilay biraon’ny sampana vonjimaika tany Conakry, Guinée.

Nandray bisy izaho sy ny lehilahy vitsivitsy. Re nanako avy lavitra ny poa-basy ka natahotra izahay. Nirefodrefotra teny amin’ny manodidina anay teny izany, rehefa namakivaky ny tanàna izahay. Niverina ilay bisy ary niova lalana. Tsy ela anefa dia nosakanan’ny mpikomy nitam-basy izahay, ary nasainy nivoaka an’ilay fiara. Navelany handeha izahay rehefa avy nohadihadina. Nosakanan’ny miaramila hafa indray izahay avy eo. Fantatry ny mpandeha iray anefa ilay lehiben’izy ireo, ka afaka nandeha izahay. Mbola voasakana indray izahay rehefa akaiky hivoaka ny tanàn-dehibe, ary navelany handeha koa rehefa avy nanontanintaniany. Maro ny sakana toy izany teny an-dalana, rehefa nizotra nianavaratra izahay. Tonga tany Conakry ihany izahay ny hariva, ary feno vovoka be ilay bisy.

Nitondra baoritra feno boky, fitaovana nilaina tao amin’ny birao, taratasin’ny sampana, ary fanampiana tra-boina aho, tamin’ireo diako nanaraka. Nandeha bisy na fiara tsotra aho tamin’ny ankapobeny. Nisy fotoana koa anefa aho nanakarama mpitondra entana sy nandeha lakana, rehefa nankany anaty ala sy niampita renirano.

Nosakanan’ny miaramila mpikomy ny bisy nandehanako, indray mandeha, tamin’izaho nitondra entana ho any Conakry. Vao hitan’ny iray tamin’izy ireo ny entako, dia nanomboka niahiahy izy ka nanontanintany ahy. Hitako tamin’izay hoe nisy mpiara-mianatra tamiko taloha teo amin’izy ireo. I Mafy Hatoka no niantsoan’ny namany azy, ary izy no nampahatahotra indrindra tamin’izy rehetra. Nilazako àry ilay miaramila nanadihady ahy hoe tonga hitady an’i Mafy Hatoka aho, ary nantsoiko izy. Tonga dia fantany aho ka nihazakazaka nanatona ahy izy. Nifamihina sy niara-nihomehy teo izahay roa lahy. Niova tampoka ny endriny avy eo, ary nanontany izy hoe:

“Manana olana angaha ianao?”

Namaly aho hoe: “Te ho any Guinée aho.”

Tsy navelany hosavana ilay bisy nandehananay, fa nasainy nalefan’ny miaramila avy hatrany.

Nanomboka teo dia nasain’i Mafy Hatoka nalefan’ny miaramila foana aho, isaky ny tonga teo amin’io toeram-pisavana io. Nomeko gazety ireo miaramila ka faly erỳ. Nantsoin’izy ireo hoe “Olon’ny Tilikambo Fiambenana” aho tatỳ aoriana.