Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

SIERRA LEONE SY GUINÉE

Raiki-pitia Tamin’i Sierra Leone Aho

Cindy McIntire

Raiki-pitia Tamin’i Sierra Leone Aho
  • TERAKA 1960

  • BATISA 1974

  • TANTARANY Misionera nanomboka tamin’ny 1992. Nanompo tany Guinée sy Sénégal, ary eto Sierra Leone ankehitriny.

RAIKI-PITIA tamin’i Sierra Leone aho, tapa-bolana monja taorian’ny nahatongavako. Variana aho nijery ny olona niloloha entam-be, nefa toa tsy sahirana akory. Naresaka ny tanàna. Ny ankizy nilalao sy nandihy eran’ny lalana, nitehaka sy nanajadonjadona ny tongony niaraka tamin’ny gadona nahafinaritra. Tia mihira sy mandihy ny mponina eto, sady tia manao akanjo maro loko.

Ny fanompoana anefa no tena tiako. Tia mandray vahiny ny mponina. Manaja Baiboly izy ireo ary mihaino ny hafatra raketiny. Matetika aho no ampandrosoiny ao an-tranony, ary ateriny lavidavitra rehefa handeha. Manampy ahy hiatrika olana madinika, toy ny tsy fahampian-drano sy ny fahatapahan’ny jiro, ny toetra tsaran’izy ireo.

Tsy manambady aho, ka manontany ahy ny olona indraindray raha mahatsiaro ho manirery aho. Tsy misy fotoana ahatsiarovako an’izany anefa, satria be atao aho. Manana tanjona maro mantsy aho.