Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andinin-teny ho An’ny Taona 2014

“Ho Tonga Anie ny Fanjakanao!”—Matio 6:10

Andinin-teny ho An’ny Taona 2014

Notendren’i Jehovah ho Mpanjaka tany an-danitra i Jesosy, 100 taona teo ho eo izay. Nanomboka teo dia nazoto nampahafantatra ny fitahiana hoentin’io Fanjakan’i Kristy io ny mpanompon’Andriamanitra. Eritrereto ange izay hitranga rehefa hanjaka eto an-tany i Jesosy e! Ho lasa paradisa ny tany, ka ho feno olona tena mifankatia. Tsy hisy intsony ny heloka bevava, ady, aretina, fijaliana, ary ny fahafatesana.

Ho tanteraka tsy ho ela izany. Tena misy mantsy ny Fanjakan’Andriamanitra, ary hanatanteraka an’izay rehetra nokasain’i Jehovah izy io rehefa tonga. Mivavaha mba ho tonga io Fanjakana io. Resaho amin’ny hafa izy io ary hevero ho sarobidy izay rehetra hataony ho anao.