Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zato Taona Lasa Izay: 1914

Zato Taona Lasa Izay: 1914

HOY Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1914: “Mino isika fa ny Taona 1914 no tena ahafahana mitory ny Fahamarinana noho ny Taom-pijinjana teo aloha.” Tonga ihany ilay taona nandrandrain’ny Mpianatra ny Baiboly nandritra ny am-polony taona, ary tena be atao tamin’ny fanompoana izy ireo. An-tapitrisany àry no nandre ny fampanantenana ao amin’ny Baiboly, noho ny ezaka nataon’ny Mpianatra ny Baiboly tamin’io taona io. Zavatra hafa tanteraka kosa no nimatimatesan’ilay tontolo nanodidina azy.

Nanjaka ny herisetra

Nisy fitokonan’ny mpitrandraka arintany teo am-piandohan’ny 1914, ary io no niteraka herisetra nahatsiravina indrindra, tany Etazonia. Lehilahy sy vehivavy ary ankizy maro no namoy ny ainy. Nesorina tao amin’ireo trano fonenany, izay niantohan’ny orinasa, ireo fianakaviana nitokona, ka noterena hipetraka tamin’ny tranolay tamin’ny toby maromaro. Raikitra ny fifampitifirana tao amin’ilay toby teo akaikin’i Ludlow, any Colorado, tamin’ny 20 Aprily, ary nisy nandoro ireo tranolay. Tezitra ireo mpitrandraka arintany ka namaly faty, ary maro tamin’ny mpiambina an’ilay orinasa no novonoiny. Nantsoina hampandry tany ny miaramila.

Mbola nahatsiravina kokoa aza ny zava-nitranga tany Eoropa. Maty i François-Ferdinand, printsin’i Aotrisy, ny 28 Jona satria notifirin’i Gavrilo Princip, teratany serba vao 19 taona. Izany no nampipoaka ny Ady Lehibe I. Niditra an-tsehatra tamin’io ady io i Eoropa manontolo, tamin’ny faramparan’ny 1914.

Nantitranterina tamin’ny fivoriambe ny fitoriana

Vao mainka nikorontana izao tontolo izao. Ny Mpianatra ny Baiboly kosa nifandrisika mba hazoto hitory. Ny 10 Aprily no nanomboka ny fivoriamben’ny vondrom-paritra voalohany tatsy Afrika Atsimo. Nisy 34 ny tampon’isan’ny mpanatrika. Hoy i William Johnston: ‘Tena “ondry vitsy” mihitsy izahay. Efa ho ny antsasaky ny mpanatrika no naroboka. Anabavy valo sy rahalahy valo mantsy no nampiseho fa efa nanokan-tena ho an’ny Tompo.’ Noresahina tamin’ny andro farany tamin’ilay fivoriambe ny fomba tsara indrindra hampandrosoana ny asa fitoriana tatsy Afrika Atsimo. Hita hoe nahomby ny ezaka nataon’ireo “ondry vitsy” ireo, satria 90 000 mahery izao ny mpitory any.

Nanatrika fivoriambe tao Clinton, Etazonia, ny Mpianatra ny Baiboly tamin’ny 28 Jona 1914, ilay andro nahafaty an’i Printsy Ferdinand. Hoy i MacMillan ny 30 Jona, tamin’io fivoriambe io ihany: “Raha te hahazo ny valisoantsika isika, dia tokony hazoto hanao ny sitrapon’Andriamanitra ka hitory foana isaky ny afaka manao izany.”

Be mpitia ilay fampisehoana an-tsary

Naseho voalohany tao New York ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”, tamin’ny 11 Janoary 1914. Nisy lahateny ara-baiboly sy mozika noraisim-peo tamin’izy io, ary nisy sary mihetsika sy tsy mihetsika miloko niaraka taminy. Olona 5 000 no nahita an’ilay fampisehoana voalohany, ary maro no tsy tafiditra satria feno ny toerana.

Roa taona no nanomanana an’ilay “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”, nefa “mbola tsy tena nahafa-po izy io, rehefa naseho voalohany tamin’ny Janoary”, araka ny noresahin’ny Tilikambo Fiambenana. Nohavaozin’ireo rahalahy izy io mandra-pahatongan’ny volana Jona. Nasiana horonan-tsary fampidirana nampiarahina tamin’ny fanazavan’i Charles Russell, ohatra, tamin’ilay izy ka nazava kokoa hoe iza no namokatra azy.

Tanàna maromaro no indray nandefasana azy io, ary tanàna 80 indray miaraka no be indrindra tamin’izany. Naseho tany Grande-Bretagne izy io ny Jolay 1914, ka feno hipoka ireo trano nandefasana azy tany Glasgow sy Londres. Ny Septambra kosa izy io no tonga tany Alemaina, Danemark, Failandy, Soeda, ary Soisa. Tonga hatrany Aostralia sy Nouvelle-Zélande izy io ny Oktobra. Olona sivy tapitrisa mahery no nahita azy io, tamin’ny fitambarany, tamin’ilay taona voalohany namokarana azy.

Nisy horonan-tsary sy raki-peo be dia be ary sary tsy mihetsika an-jatony ny fampisehoana tsirairay. Tena lafo be ny nanao kopia tamin’izy io. Rahalahy sy anabavy efa za-draharaha maromaro koa no tsy maintsy nifarimbona nandefa azy. Noho izany, dia tany amin’ny tanàn-dehibe no tena nandefasana an’ilay fampisehoana manontolo. Namokatra fampisehoana an-tsary telo fohy kokoa ireo rahalahy, mba hoentina any ambanivohitra. Nantsoina hoe Eurêka-Drame izy ireo, ka ny iray nisy sary tsy mihetsika miloko nampiarahina tamin’ny lahateny ara-baiboly sy mozika, fa ny roa kosa feo fotsiny. Mbola fohy kokoa aza ilay fahatelo. Olona 70 000 mahery no efa nahita ny iray tamin’izy ireo tany Etazonia, tamin’ny faramparan’ny 1914, izany hoe efa-bolana latsaka taorian’ny nahavitana azy.

Nitory bebe kokoa ny mpisava lalana sy ny olon-kafa

Zava-baovao ilay fampisehoana an-tsary ary nahafinaritra ny nandefa azy. Tsapan’ny Mpianatra ny Baiboly anefa fa mbola zava-dehibe kokoa ny endriny hafa amin’ny asa fitoriana. Izao àry no nosoratan’i Charles Russell ho an’ny mpisava lalana rehetra: ‘Ny asan’ny mpisava lalana no tena mahomby amin’izao Fotoam-pijinjana izao. Noho izany, dia tsy ampirisihina ny mpisava lalana handray anjara amin’ny fandefasana an’ilay fampisehoana an-tsary. Afaka manao an’izany ny rahalahy sy anabavy hafa, izay tsy mivadika amin’ny Tompo koa.’

Nisy 850 ny mpisava lalana tamin’ny Janoary 1914. Afaka nizara 700 000 mahery tamin’ny boky Fianarana ny Soratra Masina izy ireo nandritra an’io taona io. “Tena niahy” an’ireo mpisava lalana Ny Tilikambo Fiambenana, ka nampirisika ny mpamaky mba “hampahery azy ireo, satria tsy mora foana akory ny zavatra iainany.”

Nizara taratasy mivalona tamin’ny fiteny maro be koa ny Mpianatra ny Baiboly. Nisy 47 tapitrisa mahery Ny Gazetin’ny Mpianatra ny Baiboly Mivoaka Isam-bolana sy ny taratasy mivalona hafa voazaran’izy ireo, tamin’ny 1914.

Tsy niafina tamin’ny rehetra ny asan’ny Mpianatra ny Baiboly. Nitory ampahibemaso mantsy izy ireo, ary tsy nisy vidim-pidirana ny fivoriany. Nitaraina ny mpitondra fivavahana iray hoe: “Tsy ho ela dia hoheverin’ny olona fa heloka bevava ny mitanty rakitra, ka aiza ny tany halehanay? Tena manala baraka anay mihitsy iny Pasitera Russell iny.”

Nifarana ny Andron’ny Jentilisa

Nino ny Mpianatra ny Baiboly fa hifarana ny 1 Oktobra 1914 any ho any, ilay “andron’ny jentilisa” resahin’ny Lioka 21:24. (Fandikan-teny Protestanta) Vao mainka tsindrian-daona ny rehetra, rehefa nanakaiky ny Oktobra. Ny Mpianatra ny Baiboly sasany aza nitondra karatra manisa miverina, mba hahitany hoe firy andro sisa no andrasana. Maro no nino fa hantsoina mankany ambadiky ny ridao, na any an-danitra, izy ireo amin’io fotoana io.

Nankao amin’ny efitra fisakafoana ny Rahalahy Russell ny marainan’ny 2 Oktobra 1914, ary nilaza tamin’ny fianakavian’ny Betela hoe: “Tapitra ny Andron’ny Jentilisa; nifarana ny andron’ireo mpanjakany.” Nety ho tsaroan’ny sasany tamin’ireo nanatrika teo hoe nisy an’izany teny izany tao amin’ny hira 171 tamin’ilay fihirana hoe Hiran’ny Fiandohan’ny Arivo Taona. Efa hatramin’ny 1879 ny Mpianatra ny Baiboly no nanao an’ilay hira hoe “Efa hifarana ny andron’ny Jentilisa.” Tsy marina intsony anefa izany, satria efa tena nifarana ny Andron’ny Jentilisa na “ny fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena.” (Lioka 21:24) Novana nifanaraka tamin’izany ny hirantsika tatỳ aoriana.

Nampiasa an’ilay karatra manisa miverina hoe “Aoka Ianao Tsy Hivadika Mandra-pahafatinao” ny Mpianatra ny Baiboly sasany, mba hanampy azy tsy hivadika hatramin’ny farany

Efa tafaorina tany an-danitra ny Fanjakan’ny Mesia tamin’ny faramparan’ny 1914, ka nihevitra ny Mpianatra ny Baiboly sasany fa vita tanteraka ny asan’izy ireo. Tsy fantany fa mbola hisy fitsapana sy sivana niandry azy ireo. Nalaina tao amin’ny Matio 20:22 ny andinin-teny ho an’ny taona 1915 hoe: “Hainareo ve ny hisotro amin’ny kaopiko?” Anisan’io “kaopy” noresahin’i Jesosy io ilay fitsapana hihatra aminy mandra-pahafatiny. Hiatrika fitsapana tokoa ny Mpianatra ny Baiboly, na avy ao anatiny izany na avy any ivelany. Ho hita amin’ny fomba iatrehany an’izany raha hivadika amin’i Jehovah izy ireo na tsia.