Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

SIERRA LEONE SY GUINÉE

1915-1947: Fiandohan’ny Asa (Fizarana 2)

1915-1947: Fiandohan’ny Asa (Fizarana 2)

Nifanehatra tamin’ny Gladiatera

Hitan’ny mpitondra fivavahana teto Freetown fa tian’ny mpiangona tao aminy ny lahatenin’ny Rahalahy Brown, ka velom-pialonana izy ireo sady romotra. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra 1923: “Nanomboka nanohitra ny fahamarinana tamin’ny alalan’ny gazety fampahalalam-baovao ny mpitondra fivavahana. Namaly izay nolazain’izy ireo foana ny Rahalahy Brown, ary navoakan’ny gazety daholo ny tenin’izy roa tonta.” Tampina ny vavan’izy ireo tamin’ny farany, satria niharihary hoe tsy marina ny teniny. Niely tany amin’ny faritra maro ny fahamarinana, ka nangataka hianatra Baiboly ny mpamaky gazety maro. Nanao tetika hampanginana ny vahoakan’Andriamanitra ny mpitondra fivavahana, nefa ‘natsingerin’i Jehovah teo an-dohan’ireny ny ratsy nataony.’—Sal. 94:21-23.

Nisy fikambanana tanora atao hoe Gladiatera nitsangana mba hiaro ny mpitondra fivavahana. Nilaza hanao fivoriana maromaro hatrehin’ny besinimaro izy ireo, mba hampitsaharana ny “Fampianaran’i Russell”, araka ny iantsoan’izy ireo ny hafatra momba ilay Fanjakana. Nitaona azy ireo hanao adihevitra ny Rahalahy Brown. Tsy nanaiky anefa ny Gladiatera ary nobedesiny ilay mpanoratra gazety namoaka ny tenin’i Brown. Tsy navelany hanatrika ny fivoriana nalamin’izy ireo koa ny Rahalahy Brown, ka i Alfred Joseph no nankany.

Tao amin’ny Buxton Memorial Chapel, anisan’ny trano lehibe fivavahan’ny Metodista teto Freetown, no nanaovana ny fivoriana. Hoy i Alfred: “Nisy fotoana afaka nametraka fanontaniana ny mpanatrika, ka nanontaniako azy ireo ny finoan’ny Fivavahana Anglikanina, ny Andriamanitra telo izay iray, sy ny fampianarana hafa tsy miorina amin’ny Baiboly. Tsy navelan’ilay mpitarika fivoriana hametraka fanontaniana intsony ny olona tamin’ny farany.”

Efa nihaino ny lahatenin’i Brown “Baiboly” ny iray tamin’ireo Gladiatera tao. I Melbourne Garber no anarany. Izy aza ilay niteny hoe “Tena mahay Baiboly Atoa Brown!” Nosaintsaininy tsara ny zavatra reny, ka resy lahatra izy hoe nahita ny fahamarinana. Nangataka an’ny Rahalahy Brown àry izy mba hampianatra Baiboly azy. Nasain’i Brown izy hanatrika ny Fianarana Tilikambo Fiambenana, izay natao tao an-tranony isan-kerinandro. Noroahin’ny fianakaviany i Garber nefa nandroso haingana, ary tsy ela dia natao batisa izy sy ny olon-kafa maromaro.

Nandamòka ny ezaka nataon’i Satana hampitsaharana an’ilay asa fitoriana, izay vao niandoha tamin’izany. Hoy ny ben’ny tanànan’i Freetown tamin’ireo Gladiatera: “Raha an’olombelona ny asan’izy ireo, dia ho rava. Raha avy amin’Andriamanitra kosa izy io, dia tsy ho vitanareo ny handrava azy.”—Asa. 5:38, 39.

Fivavahan-dry Brown

Nandefa telegrama tany amin’ny sampan’i Londres ny Rahalahy Brown tamin’ny Mey 1923, mba hangataka boky sy gazety fanampiny. Tsy ela dia boky 5 000 no tonga, ary mbola nisy hafa koa tatỳ aoriana. Nandamina fivoriana ho an’ny besinimaro koa i Brown, ary an’arivony no tonga.

Hoy Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny faramparan’io taona io: “Mandroso haingana be ny asa [any Sierra Leone], ka nangataka olona hanampy azy ny Rahalahy Brown. Efa eny an-dalana ho any izao i Claude Brown, avy any Winnipeg, faritanin’i Antilles taloha.”

Mpitory efa vita sedra i Claude Brown. Nijaly be izy nandritra ny Ady Lehibe I, tany amin’ny fonja kanadianina sy anglisy, noho izy tsy nety nanao miaramila. Nanompo teto Sierra Leone nandritra ny efa-taona izy, ary tena nampahery an’ireo rahalahy sy anabavy.

Hoy i Pauline Cole: “Nanadihady ahy tsara ny Ranadahy Claude talohan’ny nanaovana batisa ahy tamin’ny 1925.

“Hoy izy: ‘Azonao tsara ve, Ranabavy Cole, ny zavatra nianaranao tao amin’ny boky Fianarana ny Soratra Masina? Tsy tianay hiala amin’ny fahamarinana mantsy ianao, satria hoe tsy azonao ny zavatra ampianarin’ny Baiboly.’

“Namaly aho hoe: ‘Ô Ranadahy Claude a! Naverimberiko novakina foana ny zavatra nianarako. Efa tapa-kevitra aho!’ ”

Pauline Cole

Nanompo an’i Jehovah nandritra ny 60 taona mahery i Pauline. Mpisava lalana manokana izy tamin’ny ankamaroan’ireo fotoana ireo. Nahavita ny fanompoany teto an-tany izy tamin’ny 1988.

Nanampy ny hafa hanana fahazarana tsara koa i Brown “Baiboly.” Hoy i Alfred Joseph: “Rehefa nihaona izahay ny maraina, dia hoatroatr’izao ny resakay: ‘Manahoana Rahalahy Joe. Salama tsara ve? Inona moa ny andinin-teny ho an’ny andro androany?’ Raha tsy haiko ilay izy, dia nataony izay hahatsapako fa tena ilaina ny mahalala ny andinin-teny ho an’ny andro tsirairay, tao amin’ny boky Mana Isan’andro. [Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro no iantsoana azy io ankehitriny.] Tonga dia namaky ny andinin-teny ho an’ny andro aho ny ampitso maraina, mba tsy ho tratrany indray. Tsy dia tiako loatra ny zavatra nataony tamin’ny voalohany, nefa tsapako tatỳ aoriana hoe fampiofanana sarobidy ilay izy.”

Nisy vokany tsara ireny fampiofanana ireny. Olona 14 no natao batisa tamin’ny 1923, ary lasa nisy fiangonana teto Freetown. Anisan’ireo rahalahy natao batisa i George Brown, ka lasa telo ny fianakaviana nitondra ny anarana hoe “Brown” tao amin’ilay fiangonana. Nazoto niasa ireo fianakaviana telo ireo, ka nanjary nantsoin’ny mponin’i Freetown hoe fivavahan-dry “Brown” ny Mpianatra ny Baiboly, araka ny niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany.