Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

SIERRA LEONE SY GUINÉE

1991-2001: “Tao Anatin’ny Fahoriana”—Isa. 48:10. (Fizarana 2)

1991-2001: “Tao Anatin’ny Fahoriana”—Isa. 48:10. (Fizarana 2)

Nisy nanafika ny Betela!

Nanao fanafihana mahery vaika ny tafi-panjakana sy ny tafiky ny vondron’ny firenena atỳ Afrika Andrefana (ECOMOG), tamin’ny Febroary 1998, mba hialan’ireo miaramila mpikomy teto Freetown. Nampalahelo fa maty voan’ny potika baomba ny rahalahy iray.

Mpitory 150 teo ho eo no nialokaloka tao amin’ny tranon’ny misionera tao Kissy sy Cockerill. Hoy i Laddie Sandy, iray tamin’ireo mpiambina ny Betela: “Nisy miaramila mpikomy roa nitam-basy tonga tao amin’ny Betela, indray alina, tamin’izahay sy Philip Turay niambina. Nasainy novohanay ny varavaram-pitaratra fidirana. Nitsoaka izahay sy Philip, ka notifitifirin’izy ireo ny hidim-baravarana. Nahagaga fa tsy nivoha ilay izy ary tsy nieritreritra ny hitifitra ny fitaratra ry zareo. Sosotra izy ireo dia lasa.

“Niverina indray ireo mpikomy ny afak’ampitson’io, ary nitondra fitaovana sy namana 20 teo ho eo. Nilazanay haingana ny Betelita hafa, ka lasa izahay niafina tany ambany lakaly. Niafina tao ambadiky ny barìka be roa daholo izahay fito sady nipararetra. Notifitifirin’ireo mpikomy ny hidim-baravarana mba hahafahany miditra ao an-trano. Nisy iray nivazavaza hoe: ‘Tadiavo ireny Vavolombelon’i Jehovah ireny dia vitao ny aminy.’ Nataon’izy ireo savahao nandritra ny adiny fito ny trano. Nitakoko kely izahay tamin’izany, sady tsy nisy niteny. Lasa izy ireo rehefa afa-po.

“Nanangona ny entanay izahay ary nandositra tany amin’ny tranon’ny misionera tao Cockerill, tany amin’ilay nisy ny Betela taloha. Norobain’ny mpikomy hafa indray izahay teny an-dalana. Nangorohoro be izahay rehefa tonga tao amin’ny tranon’ny misionera, nefa faly fa tsy maty fo aman’aina. Niala sasatra andro vitsivitsy izahay, ary avy eo niverina tany amin’ny Betela mba handamin-trano.”

Voafehin’ny tafiky ny ECOMOG ny tanàna, roa volana tatỳ aoriana, ka nanomboka niverina avy tany Guinée ny misionera. Tsy fantany akory hoe tsy hijanona ela teto izy ireo.

Hetsika Fandripahana

Solontena an-jatony no nanatrika an’ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra”, valo volana tatỳ aoriana. Natao tao amin’ny kianjan’i Freetown izy io ny Desambra 1998. Tampoka teo dia naheno zavatra nipoaka tany lavitra tany ny mpanatrika, ary nahita setroka nidonaka teny amin’ny havoana. Niverina indray ireo miaramila mpikomy.

Niharatsy ny toe-draharaha teto Freetown. Nanofa fiaramanidina kely nankany Conakry ny Komitin’ny Sampana mba hitaterana an’ireo misionera 12, Betelita vahiny 8, ary mpanao fanorenana 5. Telo andro taorian’izay, izany hoe ny 6 Janoary 1999, dia nanao hetsika famonoan’olona nahatsiravina nantsoina hoe Hetsika Fandripahana ireo mpikomy. Nandravarava an’i Freetown izy ireo ka namono olona 6 000 teo ho eo tamin-kabibiana. Nanapaka tanana sy tongotra izy ireo, naka an-keriny ankizy an-jatony, ary nandrava trano an’arivony.

Novonoina tamin-kabibiana ny rahalahy iray mamy hoditra atao hoe Edward Toby. Mpitory 200 mahery no nialokaloka tato amin’ny Betela na tao amin’ny tranon’ny misionera tao Cockerill. Ny hafa kosa niafina tany an-tranony. Nihorohoro be izy ireo. Tena nila fanafody ireo Vavolombelona tao amin’ny tranon’ny misionera tany Kissy, izay any amin’ny farany atsinanan’ny tanàna. Nampidi-doza be anefa ny namakivaky ny tanàna. Iza àry no hanao vivery ny ainy? Nanolo-tena avy hatrany i Laddie Sandy sy Philip Turay, mpiambina be herim-po teto amin’ny Betela.

Hoy i Philip: “Nikorontana ny tanàna. Nanao barazy maromaro ireo miaramila mpikomy, ary nampijaly olona. Fohy ny fotoana azonay nandehanana satria voarara ny mivezivezy. Tonga tao amin’ny tranon’ny misionera tao Kissy izahay, roa andro tatỳ aoriana. Trano may sy nikorontana anefa no novantaninay.

“Nijerijery teny amin’ny manodidina izahay, ka nahita ny Rahalahy Andrew Caulker. Naratra be ny lohany. Nofatoran’ireo mpikomy izy ary noveliveleziny tamin’ny famaky. Nahagaga fa tsy maty izy ary afa-nandositra. Nentinay haingana tany amin’ny hopitaly izy ary nihasitrana. Nanao mpisava lalana maharitra izy, tatỳ aoriana.”

(Havia miankavanana) Laddie Sandy sy Andrew Caulker ary Philip Turay

Ny Vavolombelona hafa indray tsy naninona, satria fantatry ny olona hoe tsy manao politika. Hoy ny rahalahy iray: “Nasain’ireo mpikomy nanao fehiloha fotsy sy nandihy teny an-dalana izahay, mba hanohanana azy ireo. Izao no nolazainy: ‘Raha tsy izany ianareo dia hovonoinay, na hataonay tapa-tanana na tapa-tongotra.’ Natahotra be izahay mivady ka nihataka kely, ary nivavaka mangina. Nahita anay ny tovolahy iray mpiara-monina taminay, izay niaraka tamin’ireo mpikomy, ka niteny tamin’ny lehiben-dry zareo hoe: ‘ “Rahalahinay” io. Tsy manao politika izy ka aleo tsy mandihy, fa ataonay ny anjarany.’ Nanaiky ilay lehibe, dia lasa nandeha. Izahay kosa niditra haingana tao an-trano.”

Nivory sy nanompo indray ireo rahalahy rehefa nilamindamina ny tanàna. Nitandrina tsara anefa izy ireo tamin’izany. Nanao karatra fivoriambe ny mpitory, ho famantarana azy ireo rehefa eny amin’ny toeram-pisavana. Nilahatra be ny olona teny amin’ireny toerana ireny, ka lasa nahay nanombo-dresaka ireo rahalahy, mba hitoriana.

Maro ny zavatra tsy ampy tao amin’ilay tanàna, ka nandefa baoritra 200 nisy fanampiana ny sampan’i Grande-Bretagne. Nalefa tamin’ny fiaramanidina izany. Nandeha fiaramanidina avy tany Conakry nanketo Freetown i Billie Cowan sy Alan Jones, mba hanaraka an’ireo entana isaky ny toeram-pisavana. Tonga teto amin’ny Betela talohan’ny ora farany azo nivezivezena tamin’ny hariva ireo entana. Nitondra taratasy nankany Conakry i James Koroma, ary nitondra boky sy zavatra hafa tena nilaina rehefa niverina. Nalefa tany amin’ireo mpitory tany amin’ny faritra nitokana tany Bo sy Kenema ny boky sasany.

Fanampiana tonga teto Freetown

Niverina teto Freetown ireo misionera tany Conakry, nanomboka tamin’ny 9 Aogositra 1999. Nandroaka an’ireo mpikomy hiala teto ny tafika anglisy, ny taona nanaraka. Nisy ady kely tsindraindray taorian’izay, saingy nambara fa tapitra tanteraka ny ady tamin’ny Janoary 2002. Olona 50 000 no maty tamin’ilay ady naharitra 11 taona, 20 000 no nitondra takaitra, trano 300 000 no rava, ary olona 1,2 tapitrisa no voatery nifindra monina.

Hita hoe niaro sy nitahy ny fandaminany i Jehovah. Olona 700 teo ho eo no natao batisa nandritra ny ady. An-jatony ireo Vavolombelona nitsoaka ny faritra nisy ady, nefa mbola nitombo 50 isan-jato ny isan’ny mpitory teto Sierra Leone. Ny mpitory tatsy Guinée indray nitombo 300 isan-jato mahery! Ary ny tena zava-dehibe dia hoe tsy nivadika mihitsy ny vahoakan’i Jehovah. Niray saina sy nifankatia izy ireo ary “tsy nitsahatra nampianatra sy nitory ny vaovao tsara”, na dia “tao anatin’ny fahoriana” aza.—Isaia 48:10; Asa. 5:42.