Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

SIERRA LEONE SY GUINÉE

2002-2013: Zava-nitranga Faramparany (Fizarana 2)

2002-2013: Zava-nitranga Faramparany (Fizarana 2)

Fanampiana an’ireo marenina

Milaza ny tatitra iray fa eo anelanelan’ny 3 000 sy 5 000 ny marenina eto Sierra Leone, ary an-jatony ny ao Guinée. Resahin’ny Baiboly fa sitrapon’i Jehovah ny “hamonjena ny karazan’olona rehetra.” (1 Tim. 2:4) Ahoana àry no hahalalan’ny marenina ny vaovao tsara?

Tonga teto Sierra Leone i Michelle Washington, misioneran’i Gileada, tamin’ny 1998. Hoy izy: “Voatendry hanompo tao amin’ny fiangonana iray nisy marenina efatra izaho sy Kevin vadiko. Te hanampy azy ireo aho satria nahay Tenin’ny Tanana Amerikanina. Nasain’ny biraon’ny sampana nandika fivoriana sy fivoriambe ho an’ny marenina aho, ary nampahafantarina an’ireo fiangonana teny amin’ny manodidina izany. Nandamina kilasy fianarana tenin’ny tanana koa ny biraon’ny sampana. Nanomboka nitady marenina teny amin’ny faritany izahay, ary nampianatra Baiboly azy ireny. Maro no nidera anay noho izany, nefa nisy koa tsy faly. Niampanga anay ho ‘mpaminany sandoka’ ny pasitera iray mpanome fanampiana ho an’ny marenina. Tsy navelany hiresaka taminay aza ireo marenina sy ny fianakaviany. Nisy norahonana hoe tsy homena fanampiana intsony raha mifanerasera aminay. Nisara-bazana ny marenina, ka tao ny nanohana an’ilay pasitera, ary nisy kosa nifanerasera taminay fa tsy nanohana an’ilay pasitera. Tsy nivadika ny sasany tamin’izy ireo ary nandroso ho amin’ny batisa.”

Marenina hatrany am-bohoka i Femi, ary tenin’ny tanana tsotra ihany no hainy. Fatra-piahiahy olona izy, indrindra fa ny olona mandre. Tsy nahatsiaro sambatra koa izy, ary toa tsy nisy mpitia. Nianatra Baiboly tamin’ireo rahalahy avy ao amin’ilay antoko-mpitory mampiasa tenin’ny tanana izy, tatỳ aoriana. Tsy ela izy dia nanomboka nivory sady nianatra tenin’ny tanana. Natao batisa izy ary faly mampita ny fahamarinana amin’ny marenina.

Femi (farany havanana), mihira amin’ny tenin’ny tanana

Lasa fiangonana ilay antoko-mpitory amin’ny tenin’ny tanana teto Freetown, tamin’ny Jolay 2010. Misy antoko-mpitory amin’ny tenin’ny tanana koa izao any Bo sy Conakry.

Mahantra nefa ‘manan-karena amin’ny finoana’

Milaza ny Baiboly fa nahantra ny ankamaroan’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Hoy i Jakoba mpianatra: “Tsy ny mahantra eo amin’izao tontolo izao ve no nofidin’Andriamanitra hanan-karena amin’ny finoana?” (Jak. 2:5) Mampahery sy mahabe fanantenana an’ireo mpitory eto Sierra Leone sy Guinée koa ny finoana an’i Jehovah.

Ny finoana no mandrisika an’ireo fianakaviana mahantra hanangom-bola mandritra ny volana maromaro, mba hanatrehana fivoriamben’ny vondrom-paritra. Mamboly ny sasany mba hahazoana vola hatao saran-dalana. Olona 20 na 30 no mifanisika ao anaty kamiao kely rehefa hamonjy fivoriambe, ary mety haharitra adiny 20 na mahery ny dia. Ny hafanana amin’izany mandoro, ny lalana mikitoantoana sady mamovoka. Misy manao dia an-tongotra lavitra be. Hoy ny rahalahy iray: “Nisy fotoana izahay nandeha an-tongotra 80 kilaometatra mba hamonjena fivoriambe, ary nitondra akondro be dia be. Namidinay teny an-dalana izy ireny. Nanamaivana ny entanay izany sady nahazoanay vola handehanana kamiao amin’ny tapany farany amin’ilay lalana.”

Mandeha kamiao ho any amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra

Ny finoana koa no nandrisika ny mpitory maro hanohitra ny fakam-panahy hifindra any amin’ny tany manankarena. Hoy i Emmanuel Patton, nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Rahalahy Mpitovo: “Matoky izahay fa homen’i Jehovah anay izay ilainay. Tsapanay hoe sarobidy ny fanompoanay, satria mbola mila mpitory maro kokoa ny tany misy anay.” (Mat. 6:33) Anti-panahy izao i Emmanuel, ary samy mikely aina mampandroso ny asan’ilay Fanjakana izy sy Eunice vadiny. Naleon’ny raim-pianakaviana hafa koa tsy nifindra, satria tiany hiray saina sy hifandray tsara amin’i Jehovah ny fianakaviany. Hoy i Timothy Nyuma, izay efa mpisava lalana manokana sy mpiandraikitra ny faritra mpisolo toerana: “Tsy nanaiky hanao asa mety hahatonga ahy hisaraka ela amin’ny fianakaviako aho. Nampianarinay teto an-toerana koa ny zanakay fa tsy nalefanay nianatra tany an-tanàn-dehibe ka hotezain’ny havanay.”

Ny finoany koa no nahatonga an’ireo rahalahy sy anabavy hanompo foana, na eo aza ny olana maro. Hoy i Kevin Washington, ilay voaresaka terỳ aloha: “Mitory sy mamita ny andraikiny eo anivon’ny fiangonana foana ny mpitory maro, na dia manana olana aza. Mety hijanona ao an-trano sy ho kizitina anefa isika, raha isika no iharan’izany. Misy, ohatra, manana aretina mitaiza, nefa tsy mahazo fitsaboana sy fanafody hoatran’ny any an-tany hafa. Ny hafa indray miezaka mafy mba hahay taratasy. Raha vao mitady hitsikera ny fomba anaovan’ny rahalahy iray ny anjarany aho, dia mieritreritra hoe: ‘Ho vitako tsara hoatr’ireny ve ny anjarako raha miasa manontolo andro aho, tena tsy salama, tsy mahita tsara nefa tsy manana solomaso, tsy manana fitehirizam-boky, ary tsy misy jiro ao an-tranoko?’ ”

Manome voninahitra an’i Jehovah amin’izany fomba izany sy amin’ny fomba maro hafa, ireo rahalahy sy anabavy eto Sierra Leone sy Guinée. Toa an’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany izy ireo, ka mampiseho ny tenany ho mpanompon’Andriamanitra “amin’ny fiaretana be, amin’ny fahoriana, amin’ny tsy fisiana, ... toy ny mahantra nefa mampanan-karena olona maro, ary toy ny tsy manana na inona na inona nefa manana ny zava-drehetra.”—2 Kor. 6:4, 10.

Tsy matahotra miatrika ny hoavy

Hoy i Alfred Joseph sy Leonard Blackman, 90 taona mahery lasa izay: “Efa masaka hojinjaina ny vokatra” eto Sierra Leone. (Jaona 4:35) Nanoratra koa i Manuel Diogo, 35 taona teo ho eo tatỳ aoriana, hoe “be dia be ny olona liana” tao Guinée. Mino ny mpanompon’i Jehovah ao amin’ireo tany ireo fa mbola maro ny olona handray ny vaovao tsara ao amin’ny taniny.

Nisy 3 479 ny mpanatrika Fahatsiarovana tao Guinée, tamin’ny 2012. Avo efatra heny mahery amin’ny isan’ny mpitory izany. Nisy mpitory 2 030 kosa teto Sierra Leone tamin’io taona io, ary 7 854 no nanatrika ny Fahatsiarovana. Efa ho avo efatra heny amin’ny isan’ny mpitory koa izany. Nanatrika an’io Fahatsiarovana io i Winifred Remmie, 93 taona, izay mpisava lalana manokana hatry ny ela. Tamin’ny 1963 izy sy Lichfield vadiny no tonga teto Sierra Leone. Efa 60 taona nanompoana manontolo andro izy, ary mbola mpisava lalana manokana foana. Hoy izy: “Iza moa no nanampo hoe ho be ranadahy sy rahavavy matanjaka ara-panahy toy izao eto Sierra Leone? Mbola te hanohana an’ilay asa mahafaly foana aho, na dia efa antitra aza.” *

Miombom-pihetseham-po amin’i Winifred ny Vavolombelon’i Jehovah eto Sierra Leone sy Guinée. Toy ny hazo lehibe sy azon-drano tsara izy ireo, ka tapa-kevitra ny hamoa foana ho voninahitr’i Jehovah. (Sal. 1:3) Omen’i Jehovah hery izy ireo, ka tsy hitsahatra hitory momba an’ilay “fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra”, dia ilay tena fahafahana ho an’ny olombelona.—Rom. 8:21.

Komitin’ny Sampana, havia miankavanana: Collin Attick, Alfred Gunn, Tamba Josiah, ary Delroy Williamson

^ feh. 16 Nodimandry i Winifred Remmie, tamin’ny mbola nomanina ity fitantarana ity.