Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Ry mpiara-manompo malala,

Tena faly izahay manoratra ho anareo mpanompo ao an-trano toa anay, amin’ny fiandohan’ity taona miavaka ity. Feno 100 taona amin’ny faramparan’ity 2014 ity mantsy ny nanjakan’i Jesosy Kristy teo amin’ny fahavalony.—Sal. 110:1, 2.

Namoaka Baiboly anglisy nohavaozina ny Komitin’ny Fandikana ny Baibolin’ny Tontolo Vaovao, tamin’ny fivoriana isan-taona fanaon’ireo mpikambana ao amin’ny Watch Tower, tamin’ny voalohandohan’ity taom-panompoana ity. Io no fandikan-tenin’ny Baiboly tsara indrindra nisy hatramin’izay. Nampiasa an’ireo zanany voahosotry ny fanahiny i Jehovah, 60 taona mahery izay, mba hanomezana ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. (Rom. 8:15, 16) Izany fotsiny dia efa mampiavaka an’io fandikan-teny io.

Ny nandika Baiboly no tena nimasoan’ny Komitin’ny Fanoratana ao amin’ny Filan-kevi-pitantanana nandritra ny taona maro. Efa misy amin’ny fiteny 121 izao ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo na ampahany. Enga anie ka hasehonareo an’i Jehovah hoe tena ankasitrahanareo izay Baiboly anananareo. Vakio sy saintsaino isan’andro izy io. Amin’izay ianareo dia ho afaka hanatona an’i Jehovah Andriamanitra, ilay nampanoratra azy io.—Jak. 4:8.

Malahelo isika rehefa maheno hoe miatrika zava-tsarotra ny rahalahy sy anabavintsika. Tsy mahagaga raha tsy mahavita miara-paly amintsika izy ireny indraindray. Vao haingana, ohatra, dia lasa nikorontana ambony ambany ny fiainan’ny fianakaviana iray tany Azia. Lasa malemy tampoka mantsy ilay renim-pianakaviana tao, ary na ny dokotera aza efa lany haika. Tena mampalahelo ilay izy. Tsy maintsy mikarakara azy andro aman’alina izao ny vadiny. Manohana azy mivady amim-pitiavana koa ny zanany telo mianadahy. Faly anefa io fianakaviana io sy ireo olon-kafa nahavita niatrika fitsapana toa azy, satria vita sedra ny finoany. (Jak. 1:2-4) Manome toky an’ireo voahosotra sy ny ondry hafa i Jehovah fa sambatra izay miaritra hatrany rehefa iharam-pitsapana, satria homeny fiainana mandrakizay amin’ny hoavy.—Jak. 1:12.

Nisy 19 241 252 ny mpanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny herintaona. Tena mampahery ny mahita olona maro be toy izany manome voninahitra an’i Jehovah sy Jesosy Kristy, ka manatrika an’io fivoriana miavaka indrindra ho an’ny vahoakan’Andriamanitra io. Nitombo koa ny sorona fiderana tamin’ny fotoan’ny Fahatsiarovana, satria an-tapitrisany no nanao mpisava lalana mpanampy ny Martsa sy Aprily. Azo antoka koa fa faly isika nandre hoe afaka manatrika ny fivorian’ny mpisava lalana manontolo ireo manao mpisava lalana mpanampy mandritra ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra, na dia tsy mandritra ny Martsa na Aprily aza ilay fitsidihana. Takatry ny olona araka ny fanahy fa zava-dehibe ny ho be atao amin’ny fitoriana sy ny asan’ny fiangonana. Tsy ho voahozongozona isika raha manao izany, ka tsy ho vitan’i Satana ny hampihena ny finoantsika na hampiala antsika amin’ny fandaminana.—1 Kor. 15:58.

Tena mampahery ny mahalala fa nisy 277 344 no nanokan-tena ho an’i Jehovah tamin’ny herintaona, ka nampiseho izany tamin’ny batisa. Mizotra amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana miaraka amin’ireo rahalahiny eran-tany izao izy ireo. (Mat. 7:13, 14) Mila ampiantsika ireny vaovao ireny mba “tsy ho voahozongozona amin’ny finoana.” (Kol. 2:7) Miezaha mifampahery foana mba samy hiaritra hatramin’ny farany. (Mat. 24:13) Miezaha koa mba “hanao teny mampahery ny kivy, hanohana ny malemy, ary hahari-po amin’ny olona rehetra.” (1 Tes. 5:14) Enga anie isika tsirairay ka tsy ‘hitsahatra hivavaka’ hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao!”—1 Tes. 5:17; Mat. 6:10.

Ankafizo ity Diary ity, ary tadidio fa tianay daholo ianareo tsirairay, izay tena tia an’i Jehovah koa.

Ireo rahalahinareo,

Ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah