Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FITORIANA SY FAMPIANARANA MANERAN-TANY

Azia

Azia
  • TANY 47

  • MPONINA 4 282 178 221

  • MPITORY 674 011

  • FAMPIANARANA BAIBOLY 672 318

Fanampiana lehilahy iray moana marenina sady jamba

Ren’ny fiangonana mampiasa tenin’ny tanana any Kobe, any Japon, tamin’ny 1999, fa nisy lehilahy marenina atao hoe Hirofumi tao amin’io tanàna io. Tonga tany amin-dry zareo ny rahalahy iray, nefa tsy navelan’ny reniny hahita azy. Niverina tany imbetsaka ilay rahalahy, ary nitalaho tamin’ilay ramatoa foana. Nentiny teo am-baravarana ihany ilay zanany tamin’ny farany. Taitra be ilay rahalahy satria nisavoritaka sy lava be ny volon’i Hirofumi sy ny volombavany. Hoatr’ireny olon-dia ireny izy, sady tsy rototra mihitsy. Sady marenina izy no jamba. Noraisin’ilay rahalahy ny tanan’i Hirofumi, ary nanao tenin’ny tanan’ny jamba sy ny marenina izy. Tsy nihontsina mihitsy anefa i Hirofumi. Efa folo taona talohan’io mantsy izy no lasa jamba, izany hoe tamin’izy 31 taona, ary efa natoka-monina sy tsy zatra niresaka tamin’ny olona.

Tonga indray ilay rahalahy, roa andro taorian’izay. Gaga ilay ramatoa, satria noheveriny fa tsy ho avy intsony izy rehefa nahita ny paozin-janany. Nitondra an’i Hirofumi teo am-baravarana ilay ramatoa, rehefa avy niangavian’ilay rahalahy. Mbola tsy nihontsina foana anefa izy, na dia efa notsidihina nandritra ny iray volana aza. Tsy navelan’ilay ramatoa nisahirana nankany intsony àry ilay rahalahy. Nisisika ihany anefa izy. Nitondra mofomamy izy ary nanao izay azony natao mba hampisehoany hoe tiany izy ireo, nefa mbola tsy nisy fiovana foana roa volana tatỳ aoriana. Nihevitra àry ilay rahalahy hoe very maina ny ezaka nataony.

Te hiala nenina farany izy. Nivavaka tamin’i Jehovah izy, talohan’ny handeha, mba hahalalany raha mbola tokony ho any foana izy. Rehefa tonga tany izy dia noraisiny ny tanan’i Hirofumi, ary nanao tenin’ny tanana izy hoe misy Andriamanitra antsoina hoe Jehovah any an-danitra. Mandinika an’i Hirofumi foana i Jehovah sady mahatakatra tsara ny mahazo azy mihoatra noho ny hafa rehetra. Mikarakara azy izy sady te hanala ny fahoriany. Izany no nahatonga ny Vavolombelony nankany aminy. Tsy taitra akory i Hirofumi tamin’ny voalohany. Nofihininy mafy anefa ny tanan’ilay rahalahy avy eo ary nirotsaka ny ranomasony. Nahita an’iny ilay rahalahy dia nitomany koa. Natomboka ny fianarana Baiboly.

Rehefa nianatra Baiboly nandritra ny 11 taona i Hirofumi, dia nifindra tao amin’ny fiangonana tao an-tanànany, fa tsy nandeha lavitra be tany amin’ny fiangonana mampiasa tenin’ny tanana intsony. Tsy nisy nahay tenin’ny tanana tao amin’io fiangonana io. Rahalahy sy anabavy 22 anefa no nianatra tenin’ny tanana tao, nandritra ny herintaona sy tapany taorian’izay, mba hanampiana an’i Hirofumi. Nanao ny anjarany voalohany tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana izy tamin’ny Janoary 2012, ary nisy mpandika teny. Lasa mpitory tsy vita batisa izy ny Oktobra.

Mpiambina ny ankamaroan’ny mpianany

Mpisava lalana any Philippines i Floren, ary 25 eo ho eo ny olona ampianariny Baiboly ka mpiambina ny ankamaroany. Matetika no miasa hariva ireo mpiambina ireo, ary ny sasany miasa alina. Tsy maintsy nampifanarahin’i Floren tamin’izany àry ny fotoana fampianarany. Rehefa ilay miala sasatra kely iny ny mpiambina no tonga mampianatra azy ireo izy, na amin’ny fotoana hafa tsy manelingelina azy ireo amin’ny asany. Eo anelanelan’ny amin’ny 7 hariva sy amin’ny 11 alina izy no mampianatra ny sasany, fa ny hafa kosa eo anelanelan’ny amin’ny 5 ka hatramin’ny 9 maraina. Indraindray izy tonga amin’ilay fotoana ifanoloan’ny mpiambina iny. Amin’izay izy afaka mampianatra an’ilay mpiambina vao hiasa, ary avy eo mampianatra an’ilay efa hody. Hoy i Floren: “Mbola tsy nahatsiaro faly be hoatr’izao mihitsy aho hatramin’izay, satria be dia be ny mpianatro.” Efa mivory izao ny mpiambina sasany. Ny iray aza efa vita batisa ary mpisava lalana maharitra.

Philippines: Floren, mampianatra Baiboly vao maraina be

Andao hojerena, dia izay alehany any alehany

Nandeha nanompo tao anatin’ny orana ny anabavy roa any Armenia, indray andro. Nisy mpianaka hitany teny an-dalana ka nomeny taratasy mivalona. Marusya no anaran’ilay ramatoa ary Yeva ilay zanany vavy. Gaga ireo anabavy fa efa adiny roa, hono, izy mianaka no niandry teo, satria nanantena ny hahita Vavolombelon’i Jehovah. Nigadra mantsy ny anadahin’i Marusya ary tany izy no nianatra ny fahamarinana tamin’ireo Vavolombelona nogadraina fa tsy nety nanao miaramila. Nieritreritra i Marusya hoe hahery setra sy hasiaka be ny anadahiny rehefa mivoaka ny fonja. Hay izy lasa nandefitra sy nahay nifehy tena kokoa. Vao mainka izy lasa tsara toetra be rehefa niaraka foana tamin’ny Vavolombelona. Tsy azon’i Marusya sy ny zanany mihitsy ilay izy. Matetika mantsy izy ireo no mahita fanaratsiana ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny peta-drindrina na tele. Hoy i Yeva: ‘Tsy azoko mihitsy hoe maninona ny olona no manaratsy ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa i Dadatoa aza lasa mahafinaritra be.’ Hoy àry izy: “Andao isika, ry Neny, hitady Vavolombelon’i Jehovah dia izay alehany any alehany a. Tsy ho fantatsika mihitsy mantsy ny tena marina momba azy ireo raha tsy izany.” Dia izay no nahatonga azy mianaka nihaona tamin’ireo anabavy ireo. Nianatra Baiboly izy ireo ny afakampitson’iny. Nivory foana koa ry zareo ary efa mpitory tsy vita batisa.

Ankizy no nanatitra an’ireo gazety

Istanbul, any Torkia: Rahalahy mitory eny an-dalana ary mampiasa ny bokikely Vaovao Tsara

Nanana olana ara-pianakaviana sy olana lehibe hafa ny vehivavy iray tany Adana, any Torkia, ka efa nieritreritra ny hamono tena. Tamin’izay izy no nahita gazety roa teo am-baravarany. Ankizy teo an-tanànany angamba no nahita an’izany teny an-tokotany. Naterin’izy ireo teo am-baravaran’ilay ramatoa ilay izy, satria noheveriny fa an’azy. Tena nahaliana an’ilay vehivavy ny tantaram-piainana tao amin’ireo gazety, ka mba tiany hiova koa ny fiainany. Nantsoiny ny nomeraon-telefaonina tao amin’ilay gazety iray, ary anabavy mpisava lalana teo akaiky teo no namaly ny antsony. Natomboka ny fianarana Baiboly. Tian’ilay ramatoa ny zavatra nianarany ka nilaza izy fa te hivory. Hay teo akaikin’ny tranony koa no nisy ny Efitrano Fanjakana. Tonga dia nivory àry izy ary mbola manao an’izany hatramin’izao.

Nogadraina folo andro nefa mbola tsy niova ihany

Polisy any Népal i Bam ary mpivavaka be. Niresaka tamin’ny mpivady mpisava lalana manokana teny an-dalana izy, indray andro, tamin’izy teo am-perinasa. Gaga izy fa novalian’izy ireo tao amin’ny Baiboly daholo ny fanontaniany. Nanaiky hianatra Baiboly i Bam ary nivory. Lasa nanenjika azy ny eritreriny rehefa nitohy ny fianarany. Nangataka tamin’ny lehibeny àry izy mba hiasa birao, amin’izay tsy voatery mitam-basy. Nanaiky ny lehibeny. Nenjehin’ny eritreriny indray anefa izy, tatỳ aoriana, rehefa avy nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra ka nanapa-kevitra ny hiala tsy ho polisy.

Tsy faly ny vadin’i Bam. Hajain’ny fiaraha-monina mantsy ny polisy, tsara karama, manana tombontsoa maro, ary mahazo vola be rehefa misotro ronono. Tiany hiova hevitra i Bam ka nilazany hoe: “Hianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho raha mijanona ho polisy ianao.” Tsy niova hevitra anefa i Bam ka nasain’ilay vadiny nogadrain’ny sefony. Nafahana izy rehefa afaka folo andro nefa mbola tapa-kevitra ny hitady asa hafa ihany. Lasa mpitondra posy bisikileta izy, ka tsy maintsy niasa tamin’ny andro nigaingaina. Faly anefa izy na izany aza. Nandroso foana izy ary lasa mpitory. Tsy dia nanohitra intsony ny vadiny tatỳ aoriana. Nianatra Baiboly koa ilay ramatoa satria tsara fanahy be taminy ny rahalahy sy anabavy teo anivon’ny fiangonana. Mahavelona tsara ny vady aman-janany i Bam ary mbola betsaka noho ny karamany tamin’izy polisy aza ny vola azony. Natao batisa tamin’ny Febroary 2013 izy, ary mivory miaraka aminy izao ny vadiny sy ny zanany lahy.

Népal: Afaka nandroso i Bam sy ny vady aman-janany rehefa niova asa izy

Naniry hanao mpisava lalana mpanampy izy

Anabavy any Korea i Myeong-hee. Nalemy izy tamin’izy roa taona, ary misy vokany amin’ny tongony ilany izany izao. Lasa mora reraka izy ary mianjera ho azy indraindray. Misy fiantraikany aminy koa ny fanafody hohaniny ka lasa mora mitebiteby izy. Sempotsempotra sy mahatsiaro manaintaina izy, amin’ilay izy mitebiteby sy manahy be. Naniry hanao mpisava lalana mpanampy anefa izy, ary saika isam-bolana no nanao izany nandritra ny roa taona. Misaotra an’i Jehovah izy satria omeny hery ahafahana manompo foana.

“Efa 30 taona izay no nitadiavako an’ity!”

Misionera any Indonezia i Agnes. Matetika izy no nitory tamin’ny ramatoa iray mpivarotra anana tao an-tsena. Efa zokinjokiny ilay ramatoa ary bevohoka be. Tia namaky gazety sy niresadresaka momba ny Baiboly izy io, rehefa tsy nisy mpividy. Nitsidika azy tany an-tsena i Agnes, indray andro, fa tsy tao izy. Nilaza ny vadiny fa teraka izy, ka nandeha nitsidika azy i Agnes. Nitondrany an’ilay boky hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly izy ho fanomezana. Gaga sy faly ilay ramatoa hoe tonga nitsidika azy mianaka i Agnes. Vao mainka talanjona anefa izy rehefa nomena an’ilay fanomezana. Tsy nino izy rehefa avy nanokatra an’ilay izy ka niteny hoe: “Fa taiza ianao no nahita an’ity boky ity? Efa 30 taona izay no nitadiavako an’ity! Efa nitety fivarotam-boky sy nanontany olona aho, fa nilaza ry zareo hoe: ‘Izahay tsy manana an’izany sady tsy mahafantatra an’izany.’ Tsy misy boky mifanahantsahana amin’ity koa.” Hay, hono, nanana an’io boky io ny dadafarany tamin’izy mbola kely, ka tiany be ny namaky azy. Afaka mamaky azy io indray izao izy, ary tia an’ilay izy koa ny zanany vavimatoa. Mianatra Baiboly izao izy mianaka.

Indonezia: Agnes sy ilay boky nataony fanomezana