Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FITORIANA SY FAMPIANARANA MANERAN-TANY

Eoropa

Eoropa
  • TANY 47

  • MPONINA 741 892 871

  • MPITORY 1 601 915

  • FAMPIANARANA BAIBOLY 862 555

“Diso adiresy angaha ianao?”

Mipetraka any Soeda ny vehivavy iray avy any Somalia. Nisy nanasa hivory tany amin’ny Efitrano Fanjakana izy ary nandeha tokoa. Tsy araka ny noeritreretiny anefa ny zava-niseho. Tsy nandray tsara azy ny olona fa nivandravandra taminy fotsiny. Tena tsy azony ny ainy. Nahamarika an’izany angamba ny olona iray ka nanontany hoe: “Diso adiresy angaha ianao?”

“Ie, angamba diso adiresy aho”, hoy izy sady lasa izy nandeha. Sosotra be izy rehefa nihaona tamin’ireo Vavolombelona nanasa azy, sady nilaza fa tsy hiverina any intsony. Gaga ry zareo satria tsy hitan’izy ireo tany amin’ny Efitrano Fanjakana akory izy. Rehefa nandeha teo ny resaka dia hita hoe hay fivavahana hafa no nandehanany.

Nampirisihin’ireo Vavolombelona izy mba hanandrana ho any amin’ny Efitrano Fanjakana. Nanaiky izy, saingy nilaza fa tsy hijanona mihoatra ny folo minitra raha vao tsy azony ny ainy. Vao niditra ny efitrano anefa izy dia nandray azy tsara daholo ny olona. Tiany be ilay izy, ka izy no nody farany rehefa vita ny fivoriana. Nivory foana izy nanomboka teo, ary efa vita batisa izy izao.

Hitany teny an-dalana ilay fanasana

Gresy: Zarain’i Stergios amin’ny hafa izao ilay fanazavana sarobidy azony

Mipetraka any Gresy i Stergios. Lalana hafa no nandehanany, indray maraina, rehefa avy niasa fa tsy ilay nahazatra azy. Nisy taratasy latsaka teo an-dalana ary nisarika ny masony ilay izy. Fanasana hanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy izy io, ary nisy fanontaniana momba an’i Jesosy tao. Be olona anefa ilay lalana, ka tsy sahy nitsimpona an’ilay fanasana izy. Nanomboka nisaintsaina an’ilay fanontaniana izy rehefa tonga tany an-trano, ary nanitikitika ny sainy ilay izy.

Nanao fotoana niaraka tamin’ny namany i Stergios ny tolakandron’io. Nandeha tamin’ilay lalana indray izy, rehefa hamonjy an’ilay fotoana, satria nanantena hoe mbola ho ao ilay fanasana. Tao tokoa ilay izy, saingy mbola be olona teo ka tsy sahiny ihany ny nitsimpona azy. Rehefa avy niaraka tamin’ny namany izy, dia nandalo teo indray nony nody, ary mbola hitany teo ilay fanasana. Nalainy amin’izay ilay izy ary novakiny. Tapa-kevitra izy fa hamonjy Fahatsiarovana.

Asaina hianatra Baiboly ny olona amin’ny faran’ny lahatenin’ny Fahatsiarovana, ary nanaiky hianatra i Stergios. Nanomboka nivory izy ary nandroso tsara. Natao batisa izy tamin’ny fivoriambe manokana tamin’ny Martsa 2013.

Fandaharana nandrava hevi-diso

Mipetraka any Copenhague, any Danemark, i Finn. Nandeha nitsangantsangana izy, indray andro, tamin’ny Janoary 2010, ary nitondra gazety vitsivitsy. Nifanena tamina rangahy efa lehibebe izy teo amin’ny lalan-kely iray, ka natolony azy ny gazety Mifohaza! sy Tilikambo Fiambenana Desambra 2009. Nisy lahatsoratra maromaro momba ny Krismasy tao. Tsy vaovao taminy ny feon’ilay rangahy, nony niteny izy. Mpanolotra fandaharana tao amin’ny radio izy io, ary manam-pahaizana be. Nihaino an’ilay fandaharana i Finn ny ampitson’io, ary gaga nandre an’ilay rangahy nanazava hoe naharay gazety izy ny omalin’io. Namaky lahatsoratra vitsivitsy tao izy, nandritra an’ilay fandaharana. Novakiny tao koa ny momba an’ilay “kintana” hafahafa niseho tamin’ny fotoana nahaterahan’i Jesosy, ary niaiky izy hoe tsy maintsy ho avy tamin’i Satana tokoa iny kintana iny.

Nahafaly an’i Finn ny zavatra nataon’ilay rangahy, ka nankany aminy izy. Rehefa nandeha ny resaka, dia nanontany izy raha azo atao ny miresaka foto-kevitra ara-baiboly mandritra an’ilay fandaharana ao amin’ny radio. Nekena ny fangatahany, tapa-bolana taorian’izay. Fandaharana maharitra adiny roa mihoatra ny 30 no natao, ary momba ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Baiboly daholo! I Finn sy ilay rangahy no nifidy ny foto-kevitra, ary namaly antso an-tariby an-jatony avy tamin’ny mpihaino izy ireo.

Nisy mpihaino iray niantso ny teknisianina tao amin’ilay radio. Nametraka ny nomeraon-telefaoniny izy, satria te hotsidihin’ireo rahalahy. Nomena fahafaham-po izy. Efa an-taonany maro izy io no nandre fanendrikendrehana nataon’ny havana aman-tsakaizany momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy nanana hevi-diso momba antsika intsony anefa izy noho ireo fandaharana tamin’ny radio. Nianatra Baiboly izy, ary nanatrika Fahatsiarovana sy lahateny manokana tamin’ny 2013. Mivory foana izy izao rehefa alahady, ary mandray anjara amin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Lasa manaiky ny fahamarinana koa izao ny olona sasany ao amin’ilay faritra, noho ny fanazavana henony tamin’ilay radio.

Napetrany teo am-baravaran’izy ireo ilay fanasana

Andro farany tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’izay, ary nanao veloma ny namany sasany i Lucio, any Italia. Nanatona azy ireo ny mpivady iray, ary nanontanian’i Lucio hoe: ‘Vavolombelon’i Jehovah avy aiza ianareo?’ Hoy izy mivady: “Tsy Vavolombelon’i Jehovah izahay ka.”

“Nisy nanasa angaha ianareo?”, hoy i Lucio.

“Izahay ihany no nanapa-kevitra ho atỳ”, hoy izy ireo.

Nisy zavatra nanitikitika ny sain’i Lucio, ka hoy izy: “Miala tsiny raha be fanontaniana, fa mba tiako ho fantatra hoe inona no nahatonga anareo hankatỳ.”

“Nahita fanasana teo am-baravaranay izahay dia nandeha.”

Rehefa nolazainy tamin’i Lucio ny toerana misy azy, dia hoy i Ester vadiny: “Izaho no nametraka an’iny fanasana iny! Efa andro farany fizarana fanasana tamin’izay ka tsy tiako hariariana fotsiny ireo fanasana, fa naleoko napetraka teny am-baravaran’ny olona tsy tratra an-trano.” Tonga tany amin’ny fivoriambe izy ireo ny alahady taorian’izay. Nasain’i Lucio sy Ester nisakafo tany an-tranony izy mivady, rehefa avy niresaka kely teo ry zareo. Nanaiky hianatra Baiboly izy mivady. Omaniny tsara ny fianarany, ary efa manome valin-teny izy ireo any am-pivoriana.