Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FITORIANA SY FAMPIANARANA MANERAN-TANY

Oseania

Oseania
  • TANY 29

  • MPONINA 39 508 267

  • MPITORY 96 088

  • FAMPIANARANA BAIBOLY 63 333

“Azoko tsara tsinona ilay izy”

Niforona tamin’ny 1 Martsa 2013 ny fiangonana tenin’ny tanana voalohany tany Papouasie-Nouvelle-Guinée. Faly be i Freda, vehivavy marenina, rehefa hifindra tany izy sy ilay anabavy mampianatra Baiboly azy. Tsapan’i Freda hoe lasa azony kokoa ny fivoriana. Tsy manaraka ao amin’ny gazety intsony mantsy izy, fa mifantoka amin’ny fandikan-teny amin’ny tenin’ny tanana sy ireo zavatra aseho eny amin’ny lampihazo. Lasa tsy saro-kenatra intsony aza izy, ka nanome valin-teny imbetsaka nandritra ny fivoriana. Nahafeno fepetra ho mpitory tsy vita batisa izy tamin’ny Aprily 2013. Efa mitondra marenina hafa mivory koa izy izao. Matetika no nirotsaka ny ranomasony nandritra ny fandaharana. Hoy izy rehefa nanontaniana ny anton’izany: “Azoko tsara tsinona ilay izy.”

Diso aotomobilina izy

Mipetraka any Aostralia i Barbara. Najanony kely teo amoron-dalana ny fiarany, tamin’izy hamonjy ny fitorian’ny andia-mpitory misy azy. Tiany hojerena mantsy raha nentiny ny karine nanoratany an’ireo fiverenana mitsidika. Nivoha tampoka anefa ny varavaran’ny fiarany, ary nisy ramatoa niditra.

Hoy i Barbara: “Azafady tompoko! Sao dia mba tsy ity ny aotomobilina tokony hidiranao?”

“Oay! Miala tsiny indrindra”, hoy ilay ramatoa. “Noheveriko fa ilay olona haka ahy ianao.” Rehefa nahita an’ireo gazety Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! nentin’i Barbara izy, dia nanao hoe: “Izaho taloha nahazo an’ireo foana tamin’izay vehivavy roa nampianatra Baiboly ahy izay.” Nomen’i Barbara an’ilay ramatoa ireo gazety, ary natomboka ny fampianarana Baiboly tatỳ aoriana.

“Taratasy avy amin’Andriamanitra”

Nouvelle-Zélande: Olona maro no nitorian’i Violet an-taratasy

Anabavy 82 taona sy efa osa i Violet, any Christchurch, any Nouvelle-Zélande. Fanaony ny mandefa taratasy sy boky ara-baiboly any amin’ny trano fitaizana be antitra sy ny toerana fitsaboana marary efa ho faty. Nilaza ireo mpitsabo mpanampy fa tsy andrin’ireo be antitra ny ahatongavan’ireny taratasy ireny, izay antsoiny hoe taratasy avy amin’Andriamanitra. Mamaky an’ireo taratasy sy gazety ny sasany aminy, ary avy eo manakalo izany amin’ny an’ny hafa. Mety hoe vakiny mafy koa ilay izy, mba ho ren’ireo tsy mahita tsara. Tony sy mahita ny lafy tsaran’ny fiainana kokoa, hono, ny olona mamaky an’ireny taratasy sy boky ireny, raha oharina amin’ny hafa. Hoy i Violet: “Tsapako hoe mbola ampiasain’i Jehovah hanampy ny hafa aho. Tena mampahery ny miresaka ny fahamarinana amin’ny fomba toy izany.”

Namaky lahatsoratra momba ny raozy izy

Nametraka Ny Tilikambo Fiambenana nivoaka farany tao amin’ny Nosy Saipan i Bernie, indray asabotsy maraina. Hoy anefa ilay vehivavy: “Efa namaky an’iny aho.” Mpianatry ny oniversite izy io ary Bernadette no anarany. Lasa saina i Bernie hoe nahoana no toa voavakiny sahady ilay gazety. Nomen’i Bernie gazety hafa indray izy, nefa mbola niteny ihany hoe: “Efa voavakiko koa iny.” Gaga be i Bernie ka hoy izy: “Fa taiza ianao no namaky an’ireo? Angaha ianao Vavolombelon’i Jehovah manao vakansy etỳ?” Nilaza i Bernadette fa tsy Vavolombelona izy, fa tao amin’ny Internet no namakiany an’ireo. Nitady fanazavana momba ny voninkazo, hono, izy, dia nanoratra hoe “raozy.” Nahita an’ilay lohateny hoe “Raozy Tsara Tarehy avy Atsy Afrika” izy. Navoakan’ny Mifohaza! izy io ary nipoitra tao amin’ny tranonkalan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza i Bernadette fa tiany be ilay lahatsoratra, ka lasa nijery zavatra hafa tao amin’ilay tranonkala izy. Lahatsoratra momba ny biby sy zavamaniry aloha no novakiny, fa avy eo izy nahita lahatsoratra mahaliana momba ny Baiboly koa. Hitan’i Bernie hoe liana i Bernadette ka nasainy hianatra Baiboly. Nitondra boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? izy rehefa niverina tany. Efa nandinika ny toko voalohany izy ireo, tamin’i Bernie tonga tany fanintelony. Natao batisa tamin’ny Novambra 2012 i Bernadette, izany hoe herintaona teo ho eo taorian’izay. Haingana be ny fandrosoany, ka nilaza ny namany fa “nihazakazaka” ho ao amin’ny fahamarinana izy. Nanampy azy handroso haingana tokoa ny Internet.