Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

Nahita kalesy goavam-be i Ezekiela, tao amin’ny fahitana nomen’i Jehovah azy. Mifanitsy amin’ny ampahany any an-danitra amin’ny fandaminan’i Jehovah izy io. Mandeha haingana be izy io na dia ngezabe aza, ary miova lalana haingana hoatran’ny fandehan’ny tselatra. (Ezek. 1:15-28) Hita avy amin’ny fandrosoana tamin’ny taon-dasa fa mandeha haingana be koa ny ampahany eto an-tany amin’ny fandaminan’i Jehovah.

ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY

Mandroso Foana ny Fandaminana

Hita mihitsy hoe tahin’i Jehovah ny fikasana hamindra ny foibe, fa tsy hatao ao New York intsony.

Mitory any “Amin’ny Firenena Rehetra” ny JW.ORG

Miely any amin’ny “firenena rehetra” ny vaovao tsara noho ny tranonkalanay.

Be Mpitia Ilay FITEHIRIZAM-BOKY ao Amin’ny Internet

Mandefa taratasy fankasitrahana ny olona mampiasa an’io fitaovana fikarohana ara-baiboly io.

Manohina ny Fon’ny Olona ny Sary Miaina

Jereo ato fa misy vokany tsara amin’ny ankizy sy ny fianakaviana eran-tany ireny video ireny.

Fampirantiana ny Tantaran’ny Kristianina

Vakio ato ny momba an’ilay fampirantiana ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny tantaran’ny Fivavahana Kristianina.

Raharaha Ara-pitsarana

Asehon’ireto raharaha ara-pitsarana avy any amin’ny tany 12 ireto fa mbola tsy afaka manompo an’Andriamanitra an-kalalahana ny Vavolombelon’i Jehovah.

Fitantarana avy Amin’ny Firenena Maro

Miezaka mafy ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanorina efitrano mendrika hanompoana an’Andriamanitra. Manao ezaka be koa izy ireo mba hamonjena fivoriana.

Fitokanana Betela

Nisy fitokanana Betela tany amin’ny toerana maro, ary fandaharana mahafaly natrehin’ny olona avy amin’ny firenena samihafa izy io. Jereo ato ny sasany amin’izany.