Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

ZAVA-NISONGADINA TAMIN’NY TAON-DASA

Mitory any “Amin’ny Firenena Rehetra” ny JW.ORG

Mitory any “Amin’ny Firenena Rehetra” ny JW.ORG

Hoy i Jesosy: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (Mat. 24:14) Hita hoe fitaovana mandaitra ahafahana mitory any amin’ny “firenena rehetra” ny tranonkala jw.org, amin’izao fotoana fohy alohan’ny ahatongavan’ny farany izao.

Nihaona tamin’ny lehilahy efatra efa zokinjokiny ny mpivady misionera any amin’ny Nosy Salomon, rehefa nitory tany amin’ny tanàna amoron-tsiraka fonenan’ny mpanjono. Hitan’izy ireo hoe nanana finday ireo olona ireo, ka nanontaniany raha mahay mampiasa Internet. Rehefa nanaiky izy ireo, dia nasehon’izy mivady azy hoe ahoana no fidirana ao amin’ny jw.org, ny fitadiavana ny fiteniny, ny fakana gazety sy Baiboly, ary ny fampiasana an’ilay fizarana ho an’ny fianakaviana sy ankizy. Rehefa mitory koa izy mivady, dia tiany ny mampiseho amin’ny ankizy an’ilay video hoe Mivavaha Foana. Rehefa avy nijery azy io ny ankizy vitsivitsy, indray andro, dia sady nanao an’ilay hira izy ireo no nihazakazaka nankany anaty ala.

Ulaanbaatar, any Mongolia

Naharay taratasy fankasitrahana be dia be ny foibe any New York. Ireto ny santionany:

“Nifindra atỳ Meksika izahay mivady, ary miezaka mianatra teny espaniola mba hahafahanay mitory amin’izay olona hitanay. Misaotra an’i Jehovah aho isaky ny miditra ao amin’ny jw.org, satria afaka mihaino sy mianatra an’ilay fiteny aho ao. Betsaka ny zavatra ao, anisan’izany ny gazety, boky, hira, ary tantara, sady amin’ny fiteny maro be! Tiako be ianareo. Misaotra anareo fa tena miasa mafy ianareo.”—D.H., Meksika.

“Efa ho jamba tanteraka aho. Tena tiako ny tranonkalanareo satria misy zavatra noraisim-peo be dia be azoko henoina. Manoratra ho anareo aho, satria tiako raha ampianareo foana ny boky sy bokikely ary zavatra hafa noraisim-peo ampidirinareo ao. Afaka mihaino an’ireny mantsy aho mandritra ny andro.”—K.G., Etazonia.

“Tiako be ny jw.org satria mora ampiasaina. Vao mainka aho izao mazoto manompo sy mianatra samirery. Efa 72 taona aho, 47 taona izay no nahavita batisa ahy, ary 30 taona mahery no nanaovako mpisava lalana. Efa vita batisa ny zanako 9, ary manana zafikely 16 sy zafiafy 3 aho. Misy mpisava lalana maharitra koa izao amin’ny zanako sy ny zafikeliko ary ny zafiafiko. Misaotra an’i Jehovah aho amin’io sakafo ara-panahy tonga ara-potoana io.”—M.T., Etazonia.

“Amin’ny efatra maraina aho no manoratra an’ity taratasy ity. Matetika aho no tsy mahita tory amin’ny alina satria voan’ny aretin’ny rafi-pitatitra sy aretina hafa, toa an’ireo rahalahy sy anabavy maro eran-tany. Mikarakara antsika eo amin’ny lafiny ara-panahy foana i Jehovah, ka momba an’izany no isaorako anareo. Mora mahazo sary an-tsaina ny zavatra vakiko aho, ka tena mety be amiko ny fomba nanaovana ny jw.org. Tena ankasitrahako ireo kisary sy video ary sary be dia be miaraka amin’ny fanazavana mora azo ao amin’izy io.”—B.B., Nouvelle-Zélande.

“Hisaotra anareo no antony anoratako. Dokotera atỳ amin’ny faritra lavitra be atỳ Sri Lanka aho, ary tsy mahazo gazety amin’ny fiteniko aho atỳ. Afaka maka sy mamaky gazety amin’ny fiteniko anefa aho izao noho ny tranonkalanareo. Io no fanomezana tsara indrindra nomen’i Jehovah ny olona mipetraka lavitra toa ahy.”—N.F., Sri Lanka.

“Manoratra aminareo aho, satria te hisaotra anareo amin’ny asa mafy ataonareo mba hanampiana ny olona hahalala an’i Jehovah. Mba ampio foana ny video ao amin’ny jw.org. Tena manampy anay ato an-trano izy ireny rehefa misy olana. Ilay video hoe Ahoana no Hanoherana ny Mpampijaly Nefa Tsy Hamono Azy? no tena nanampy ahy indrindra. Misaotra anareo indray.”—Y.S., 9 taona, Etazonia.

“Te hisaotra anareo sy Jehovah aho noho ny sakafo ara-panahy azontsika. Tena nanampy ahy ilay tranonkala jw.org, indrindra ilay fizarana hoe ‘Tanora.’ Tiako be koa ilay andian-tantara hoe Ataovy Namanao i Jehovah. Manan-jandrivavy telo mbola kely aho, ary hitako hoe misy vokany tsara eo amin-dry zareo ny zavatra lazaina ao amin’izy io. Mifanalavitra be no misy antsika, kanefa hita hoe miray saina toy ny mpirahalahy isika satria samy tia an’i Jehovah. Misaotra anareo.”—A.B., Peroa.