Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

ZAVA-NISONGADINA TAMIN’NY TAON-DASA

Manohina ny Fon’ny Olona ny Sary Miaina

Manohina ny Fon’ny Olona ny Sary Miaina

Malaza eran-tany izao i Kaleba kely, ilay mpilalao mahafinaritra ao amin’ilay andian-tantara hoe Ataovy Namanao i Jehovah. Efa voadika amin’ny fiteny 130 mahery ny video voalohany misy azy io, ary taratasy an-jatony no voaray ho fankasitrahana an’io andian-tantara io.

Izao, ohatra, no nosoratan’ny ankizivavy iray 11 taona sy ny zandriny vavy 8 taona: “Te hanao fanomezana ho an’ny asa maneran-tany izahay. Niompy ombikely roa izahay. Big Red sy Earl no anarany. Namidinay izy ireo dia izany no nahazoanay an’io vola io. Tianay homena anareo ilay vola, amin’izay ianareo mba afaka manao video hafa amin’ilay hoe Ataovy Namanao i Jehovah. Tsara mihitsy raha mba manana zandrivavy i Kaleba, amin’izay ho hita eo izay hataony rehefa tsy dia miraharaha azy intsony ny ray aman-dreniny. Ny video misy an’i Kaleba no tianay indrindra!”

Maro ny ankizy mahatadidy tsianjery an’ilay video manontolo, anisan’izany ny hira, ary na ny tenin’ny mpitantara aza. Nanoratra ny anabavy iray hoe misy mpitory 100 eo anivon’ny fiangonany. Misy ankizy 40 koa ao, ary latsaka ny folo taona ny ankamaroany. Teo amin’ny laharan-tseza fahatelo izy no nipetraka, indray andro, ary ny hira 120 no namaranana ny fivoriana. Nirotsaka ny ranomasony, rehefa nahare an’ireo ankizy nafana fo erỳ nanao an’ilay “hirany.”

Nilaza ny vehivavy zokiolona iray fa niteny toy izao ny zafikeliny, rehefa avy nijery an’ilay video fanindroany: “Mila manadio ny efitranoko aho, sao mandratra olona ny kilalaoko.” Tsy nanaiky mihitsy izy raha tsy nanadio ny efitranony aloha vao nisakafo.

Nisy ankizy nivezivezy foana, isan’andro, tao amin’ny tranon’ny fianakaviana Vavolombelona iray, tany ambanivohitr’i Afrika Atsimo. Nihevitra ny olona sasany hoe noho ilay fianakaviana mpivarotra vatomamy no nahatonga izany. Hay nisy ankizy nanasa an’ireo ankizy tao an-tanàna, mba hijery an’ilay video hoe Izay Mihaino sy Mankatò dia Hotahina Tokoa amin’ny teny xhosa, fitenin-drazan’izy ireo. Ankizy 11 no niara-nijery azy io, indray mandeha, ary nahatadidy tsianjery ny tonon’ilay hira izy rehetra.

Tsy Vavolombelona i Isaac, valo taona, sy Saul, dimy taona, any Ekoatera. Miteny quechua ry zareo. Mahazo vola hividianany haninkanina izy ireo isan’andro, nefa ampiriminy ilay izy mba hividianana basy kilalao sy sabatra kely ary sarina mpilalao filma mahery setra. Indray andro izy roa lahy nasain-dreniny nampirina ny efitranony, sy nampiditra ny kilalaony rehetra tao anaty baoritra, ary nanao an’izany tao ambany fandriana. Tatỳ aoriana izy ireo dia nisy nanome an’ilay DVD vaovao hoe Ataovy Namanao i Jehovah, ary niara-nijery azy io. Nanadio trano ny renin’izy ireo rehefa afaka herinandro, ary gaga fa aotomobilina kely iray sisa no tao. Hoy izy tamin’izy roa lahy: “Fa nankaiza daholo ny kilalaonareo?” Hoy izy ireo: “Tsy tian’i Jehovah ireny, dia narianay tany anaty dabam-pako.” Raha misy ankizy milalao kilalao hoatr’ireny izao eny amin-dry zareo, dia tenenin’i Isaac hoe: “Aza milalao an’iny fa tsy tian’i Jehovah iny!”

Kroasia: Manohina ny fon’ny ankizikely ny hiran’ilay Fanjakana