Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

ZAVA-NISONGADINA TAMIN’NY TAON-DASA

Fampirantiana ny Tantaran’ny Kristianina

Fampirantiana ny Tantaran’ny Kristianina

Nisokatra tany Brooklyn, any New York, tamin’ny Oktobra 2012 ny fampirantiana ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah. Azo tsidihina izy io ary tsy mila mpitarika. Asongadin’ilay fampirantiana ny ady mafy natrehin’ny olona sasany, noho izy ireo niezaka nanaraka ny Fivavahana Kristianina tany am-boalohany.

Nisy 4 200 mahery sahady ny Betelita sy ny olon-kafa nitsidika an’ilay fampirantiana, tamin’ny herinandro voalohany nisokafany. Nitsidika tao, ohatra, i Naomi, Vavolombelona mipetraka eo akaiky eo, taoriana kelin’ny nisokafan’izy io. Hoy izy: “Aseho arakaraka ny fotoana nisehoany ny zava-nitranga, ka lasa fantatro ny fotoana nisian’ny zavatra sasany sy ny antony nahatonga an’ilay izy. Nitombo koa ny zavatra haiko momba ny fandaminana sy ny tantarany ankehitriny.”

Zava-nitranga tamin’ny taona 33 ka hatramin’izao no aseho ao. Misy fizarana efatra ilay fampirantiana, ary misy loha hevitra avy ao amin’ny Soratra Masina ny fizarana tsirairay. Manomboka amin’ny horonan-tsary fohy amin’ny teny anglisy ilay izy. Misoratra eny ambany amin’ny fiteny fito hafa ny zavatra tenenina ao amin’ilay horonan-tsary.

“Naleon’ny Olona ny Haizina.” Io no loha hevitry ny fizarana voalohany, izay nalaina avy tamin’ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 3:19. Nilaza ny Baiboly fa hisy olon-dratsy ‘hanolana hevi-teny’ rehefa maty ny apostoly. (Asa. 20:30) Tanteraka tokoa izany, ary nampijalijalina izay sahy nanohitra ny finoan’ny besinimaro.

Ny loha hevitry ny fizarana faharoa kosa dia hoe “Aoka ny Hazavana Hamirapiratra”, izay nalaina tao amin’ny 2 Korintianina 4:6. Aseho ao ny zava-nitranga taloha kelin’ny 1900. Nisy mpianatra Baiboly tso-po tamin’izany niezaka namantatra izay tena lazain’ny Soratra Masina. Niala tamin’ny fampianaran-diso ninoan’ny olona hatry ny ela izy ireo ary sahy nitory ny fahamarinana. Aseho ao fa nihamaro izy ireo talohan’ny Ady Lehibe I, ary nitombo koa ny fahalalany.

Asongadina ao amin’ny efitra manaraka ilay horonan-tsary hoe “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana.” Mbola mahaliana ny mpanompon’i Jehovah hatramin’izao izy io. Tamin’ny 1914 ny Mpianatra ny Baiboly (na Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny) no nanomboka nandefa azy io. Fitambarana sary mihetsika sy tsy mihetsika izy io sady misy feo, ary an-tapitrisany no efa nahita azy. Ireto no anisan’ny naseho tao: Sary vitsivitsy efa tranainy avy amin’ilay horonan-tsary momba ny famoronana, video kely mampiseho ny fanombohan’ilay horonan-tsary, ary sary miloko hafa 500 mahery.

Nalaina tao amin’ny Apokalypsy 12:17 ny loha hevitr’ilay fizarana fahatelo hoe “Tezitra Ilay Dragona.” Momba ny fanenjehana nataon’i Satana tamin’ny mpanara-dia an’i Kristy io fizarana io, ary ahitana ny tantaran’ireo Kristianina tsy nety nandray anjara tamin’ny ady. Ireto ny zavatra hita ao: Sary, video fohy mampiseho ny fampijaliana an’ireo tsy nety nanao miaramila, ary zavatra nampiasaina tamin’izany. Aseho ao, ohatra, ny tantaran’i Remigio Cuminetti, Italianina tsy nety nanao ny fanamian’ny miaramila sady tsy nety niady tamin’ny Ady Lehibe I. Misy video momba an’i Alois Moser, avy any Aotrisy, koa ao. Tsy nety nanao hoe “Heil Hitler!” izy ka voaroaka tamin’ny asany ary nalefa tany amin’ny toby fitanan’i Dachau. Hita ao koa ny sarin’ireo Vavolombelona nogadraina tany Gresy, Iogoslavia teo aloha, Japon, Polonina, ary tany an-tany hafa, noho izy ireo tsy nety niala tamin’ny finoany. Naverina narafitra koa ny efitra maizimaizina nigadran’izy ireo ary aseho ao.

Nalaina avy tao amin’ny Apokalypsy 14:6 ny loha hevitr’ilay fizarana farany hoe “Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra.” Hazavaina ao ny asantsika tamin’ny 1950 ka hatramin’izao. Hita amin’ireo sary eo amin’ny rindrina fa mitombo haingana izy ireo, mikiry amin’ny fitoriana, ary mifankatia toy ny mpirahalahy. Misy fitaovana elektronika manokana koa ao, azo ijerena ny Tranon’ny Baiboly sy ny Tranolain’i Brooklyn, izay nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah, 100 taona mahery izay.

Ao amin’ny 25 Columbia Heights any Brooklyn no misy an’ilay fampirantiana. Ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma amin’ny valo maraina ka hatramin’ny dimy hariva izy io no misokatra, ary tsy misy vidim-pidirana. Raha mandeha any New York ianao, nahoana raha mba mitsidika azy io?