Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

ZAVA-NISONGADINA TAMIN’NY TAON-DASA

Raharaha Ara-pitsarana

Raharaha Ara-pitsarana

Nandidy ny Kristianina ny apostoly Paoly hoe: “Tsarovy ireo mifatotra any am-ponja, toy ny hoe miara-mifatotra aminy ianareo.” (Heb. 13:3) Mpanompon’i Jehovah isika ka mahatsiaro ny rahalahy sy anabavintsika foana, sady mivavaka “ho an’izay rehetra mitana toerana ambony, mba hananantsika fiainana tony sy milamina hatrany, ao anatin’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra sy ny fahamendrehana tanteraka.”—1 Tim. 2:1, 2; Efes. 6:18.

Ireto ny sasany amin’ny raharaha ara-pitsarana momba ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny taon-dasa:

Niezaka nampitsahatra ny asantsika foana ny Eglizy Ortodoksa sy ny manam-pahefana sasany any Rosia. Na izany aza, dia “tsy nitsahatra nampianatra sy nitory ny vaovao tsara” ny rahalahintsika any. (Asa. 5:42) Nanao lalàna ny fanjakana mba hiadiana amin’ny fampihorohoroana, nefa lasa nampihariny tamin’ny gazetintsika sy ny rahalahintsika izany. Nilaza ny fitsarana rosianina fa misy fanazavana “mampidi-doza” ny 70 amin’ny bokintsika, ka nosokajin’ny fanjakana ho anisan’ny boky voarara. Noho izany, dia nanao bemidina tany amin’ny Efitrano Fanjakana sy tany amin’ny tranon’ny rahalahintsika ny manam-pahefana sasany mba hitady an’ireo boky ireo. Vavolombelona maro no nosamborin’ny polisy satria nitory, ary nalaina ny sariny sy ny peta-tondrony. Matetika koa no norahonana izy ireo tany amin’ny paositry ny polisy.

Rahalahy sy anabavy 16 no notsaraina tany Taganrog, nanomboka tamin’ny Mey 2013, satria nandamina fivoriana, nivory sy nandray anjara tamin’izany, ary nitory. Nomelohina ho toy ny mpanao heloka bevava izy ireo satria nanao zavatra nifanaraka tamin’ny finoany. Izay vao nisy an’izany hatramin’ny naharavan’ny Firaisana Sovietika. Misy manam-pahefana any amin’ny tanàna hafa mitaky ny fitsarana mba hiampanga ny bokintsika hoe “mampidi-doza.” Tiany koa raha melohina ho mpanao heloka bevava ny rahalahintsika, satria mankahala fivavahana hafa, hono.

Mbola tsy misy mangirana ny fiainan’ny rahalahy sy anabavy any Érythrée. Nisy 52 no nigadra tamin’ny Jolay 2013, ka anisan’izany ny rahalahy valo, izay tsy latsaka ny 70 taona, sy ny anabavy enina. Efa hatramin’ny 24 Septambra 1994 ny Rahalahy Paulos Eyassu sy Isaac Mogos ary Negede Teklemariam no nogadraina noho izy ireo tsy nety nanao miaramila.

Migadra ao amin’ny fonja Meiter, any an-tany efitra any avaratr’i Asmara renivohitra, ny antsasany mahery amin’ireo voafonja. Nisy 25 ny rahalahintsika nampijalin’ny manam-pahefana, tamin’ny Oktobra 2011 ka hatramin’ny Aogositra 2012. Natao tao anaty trano fanitso izy ireo ary nalevina tao anaty tany ny tapany ambany amin’ny vatany. Avoakan’ny mpiambina izy ireo amin’ny antoandro, rehefa main-tany, satria mafana loatra ao anatin’ilay trano fanitso. Tsy ampy sakafo sy rano anefa izy ireo, ka tsy tomombana ny fahasalamany. Indrisy fa izany no nahafaty ny Rahalahy Yohannes Haile, izay 68 taona, tamin’ny Aogositra 2012, sy ny Rahalahy Misghina Gebretinsae, tamin’ny 2011.

Kirghizistan: Efa indroa ity Efitrano Fanjakana ity no nosimban’ny olona