Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

ZAVA-NISONGADINA TAMIN’NY TAON-DASA

Fitantarana avy Amin’ny Firenena Maro

Fitantarana avy Amin’ny Firenena Maro

Nanampy nitaona biriky ny polisy

I Kutaisi no tanàna faharoa lehibe indrindra any amin’ny Repoblikan’i Géorgie. Tao amin’ny tranona orinasa fanamboarana toaka no nanaovana fivoriambe tany, nandritra ny 13 taona. Efa simba be izy io, ka nasiana selofanina teny ambony mba tsy hitete amin’ny mpanatrika ny ranonorana. Manana Efitrano Fanjakana azo anaovana fivoriambe izao izy ireo. Tamin’izy io vao naorina, dia nisy mpiasa an-tsitrapo 50 nitaona biriky simenitra avy teo amin’ny kamiao iray. Nisy polisy nandalo tamin’izay mba hijery izay nitranga. Variana ireo polisy nahita an’ireo mpiasa falifaly sy navitribitrika, ka nidera azy ireo ary nanampy azy nitaona biriky. Nasainy nantsoina izy ireo raha misy mitady hanakorontana. Nampanantena koa izy ireo fa hanatrika an’izay fivoriambe hatao voalohany ao amin’ilay efitrano.

Namidiny ny bisikiletany

Anti-panahy any Burundi i Malachi, ary namboly sy nitondra entana tamin’ny bisikiletany no asany. Rehefa nisy fanorenana Efitrano Fanjakana tany aminy, dia nanapa-kevitra ny hanao asa an-tsitrapo isan’andro izy. Nila vola anefa izy hamelomana ny fianakaviany mandritra an’ilay roa volana hanaovana an’ilay fanorenana. Namidiny àry ny bisikiletany. Nomeny ny vadiny ny ampahan’ilay vola mba hiveloman’izy mianakavy, fa ny ambiny kosa nataony tao anaty boaty ho an’ny fanomezana mba hanohanana ny asa fanorenana. Nahazo traikefa tamin’ireo rahalahy mpanorina Efitrano Fanjakana izy, noho ny ezaka nataony. Mora nahita asa izy nony vita ilay efitrano, satria hitan’ny olona hoe lasa nahay nanao trano izy. Tsy ela dia voasolo ilay bisikileta!

Lasa te hanampy koa izy ireo

Manahirana be ny manorina Efitrano Fanjakana any amin’ireo faritra mitokana any Malawi. Nisy efitrano iray, ohatra, naorina tany tamin’ny taom-panompoana lasa, nefa ratsy be mihitsy ny lalana mankany. Fiara tsy mataho-dalana no nampiasaina mba hitaoman’ireo rahalahy avy tany amin’ny sampana ny fitaovana nilaina tamin’ilay fanorenana. Nilaza ireo rahalahy teo an-toerana fa gaga be ny iray tanàna nahita an’izany. Nisy olona maro tsy Vavolombelona koa nanampy tamin’ilay izy. Niasa hatramin’ny alina izy ireo nitaona fasika, vato, simenitra, ary tafo fanitso. Nisy fotoana ny olona tsy Vavolombelona indray no betsaka noho ny Vavolombelona. Hitany ny ezaka nataon’ny Vavolombelona mba hanorenana toeram-pivavahana mihaja any amin’ny faritra mitokana toy ny azy, ka lasa te hanampy izy ireo.

Nivarotra vatomamy ny ankizy

Nampianatra Baiboly tamin’ny teny bete, fiteny fampiasa any Côte d’Ivoire, ny mpivady iray mpisava lalana manokana, ka mpivady manan-janaka folo no nampianariny. Nisy fivoriambe voalohany tamin’io fiteny io tany Daloa, tamin’ny Mey 2013, ary te hanatrika azy io daholo izy mianakavy. Tsy nanam-bola hatao saran-dalana ho azy mianakavy anefa ilay raim-pianakaviana, satria 800 CFA (3 000 ariary mahery kely) no saran-dalan’ny olona iray mandroso sy miverina. Nahita hevitra àry izy. Nomeny 300 CFA (1 000 ariary mahery kely) ny zanany vavimatoa, ary nasainy nivarotra vatomamy. Nivarotra tokoa izy, ary ampy nataony saran-dalana ny tombom-barotra azony. Nasainy nivarotra koa ny zanany hafa. Nomeny 300 CFA tsirairay izy ireo, mandra-pahazony vola hataony saran-dalana. Afaka namonjy an’ilay fivoriambe niaraka tamin’ny Vavolombelona hafa àry izy ireo. Faly erỳ izy ireo nanaraka an’ilay fandaharana tamin’ny fitenin-drazany.