Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

ZAVA-NISONGADINA TAMIN’NY TAON-DASA

Fitokanana Betela

Fitokanana Betela

Tena faly ny Vavolombelon’i Jehovah tany Korea, tamin’ny 20 Oktobra 2012, fa notokanana ny tranon’ny sampana vaovao sy ireo trano nohavaozina. Niavaka io fotoana io, satria efa 100 taona izay no nisy mpanompon’i Jehovah tsy nivadika tany Korea. Sambany koa tamin’ny 2012 no nihoatra ny 100 000 ny mpitory tany. Trano fonenana vaovao, trano fanontam-pirinty, trano fandraisam-peo sy fakana video, ary garazy fanamboarana fiara no naorina, ary nohavaozina tanteraka koa ny ankamaroan’ireo trano efa teo. Tsy vita izany raha tsy teo ireo mpiasa an-tsitrapo 1 200 teo ho eo avy tao Korea sy ireo mpanao fanorenana 239 avy any amin’ny firenena sivy.

I Anthony Morris, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny fitokanana ary 3 037 ny mpanatrika. Nisy lahateny manokana ny ampitson’io, natao tao amin’ny efitrano lehibe iray fanaovana fampirantiana. Nampitaina mivantana tamin’ny alalan’ny Internet tany amin’ny fiangonana 1 300 mahery eran’i Korea izy io, ka 115 782 ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny olona liana afaka nanaraka izany.

Daty manan-tantara ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah any Liberia ny 9 Martsa 2013. Notokanana tamin’io mantsy ny tranon’ny sampana vaovao sy ireo trano nohavaozina, ary vahiny avy any amin’ny tany 11 no nanatrika izany. Faly ny rehetra nandre ny lahateny fitokanana nataon’i Guy Pierce, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Nisy ady an-trano naharitra folo taona mahery tany, ka nihemotra foana ilay tetikasa. Lasa anisan’ny tranon’ny sampana izao ilay toerana fialokalofan’ny mpikomy sy tobin’ny mpitsoa-ponenana teo akaiky teo. Faly ireo Betelita 51 fa nahazo trano fonenana misy efitra 35, trano fandefasana entana, trano fikojakojana, lakozia, ary efitra fisakafoana vaovao. Nohavaozina koa ny trano misy ireo birao.

Tia fivavahana sady tia olona ny mponin’ny Repoblikan’i Géorgie. Nisy fitomboana be tany rehefa rava ny Firaisana Sovietika, ary nisy fanenjehana nahery vaika taorian’izay. Efa nihena ilay fanenjehana, ka afaka nanavao sy nanitatra ny tranon’ny sampana ireo rahalahy, sady afaka nanorina Efitrano Fivoriambe sy trano vaovao hanaovana Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana sy Sekolin’ny Mpiandraikitra Mpitety Faritany sy ny Vadiny. Daty manan-tantara ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah any Géorgie ny asabotsy 6 Aprily 2013, satria tamin’io no natao ny fitokanana ary i David Splane, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nandaha-teny. Vahiny 338 avy any amin’ny tany 24 sy Vavolombelona 800 mahery avy teo an-toerana no nihaino izany.

Géorgie

Nanao lahateny manokana ny Rahalahy Splane ny ampitson’iny. Olona 15 200 no afaka nanaraka izany mivantana tany amin’ny toeram-pivoriana eran’i Géorgie, na tamin’ny alalan’ny video izany na feo fotsiny. Maro no nihetsi-po tamin’iny fandaharana niarahan’ny olona avy amin’ny firenena samihafa iny. Hoy ny rahalahy tanora iray: “Izao vao azoko hoe ho hoatran’ny ahoana izany tontolo vaovao izany.”

Notokanana ny birao vaovao misy rihana roa tao amin’ny sampan’i Myanmar tamin’ny 29 Jona 2013. I Guy Pierce, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no mpandahateny ary 1 013 ny mpanatrika, ka anisan’izany ireo vahiny avy any amin’ny tany 11. Nisy Vavolombelona avy tao Myanmar voatendry hitsena an’ireo vahiny tao amin’ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenen’i Yangon, ary nitondra takelaka nisy soratra hoe: “Tonga Soa ry Vavolombelon’i Jehovah.” Nanatona azy ireo ny lehilahy iray avy any amin’ny tany andrarana ny asantsika. Hoy izy sady nanondro an’ilay takelaka: “Olona atao vavolombelona amin’ny raharaha ara-pitsarana angaha no tsenainareo?” “An, an, an!”, hoy izy ireo, “namanay no tsenainay.” Hoy indray izy: “Ka iza àry io Jehovah io?” Mazava ho azy fa nohazavain’ireo rahalahy taminy izany. Ny ampitson’ilay fitokanana, dia nasiana fivoriana manokana tao amin’ny Trano Fivoriamben’i Myanmar, tao Yangon. Ilay lahateny hoe “Miezaha Hanana Fo Mahira-tsaina Rehefa Manompo An’i Jehovah” no nataon’ny Rahalahy Pierce. Nampitaina an-telefaonina tany amin’ny toerana enina hafa eran’i Myanmar ny fandaharana, ka olona 2 963 no nandray soa. Hoy ny mpamilin’ny bisy iray nitondra an’ireo rahalahy nankany amin’ilay fivoriana manokana: “Tena tsy mitovy amin’ny mpivavaka hafa ianareo, fa mahalala fomba sy tsara fitafy ary tsara fanahy. Efa ela ihany aho no nitondra bisy fa mbola tsy nahita olona hoatr’anareo.”

Myanmar: Mpitory eo an-toerana mitsena an’ireo vahiny hanatrika fitokanana

Tena faly ireo mpanompon’i Jehovah tsy nivadika tao Moldavia, tamin’ny alarobia 3 Jolay 2013, satria nanao ny lahateny fitokanana an’ilay biraon’ny sampana nitarina i Stephen Lett, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Ireto ny zavatra vaovao naorina: Trano misy rihana roa fanatobiana boky sy gazety, efitra fonenana folo, ary Efitrano Fanjakana misy rihana iray, izay ampiasain’ny fiangonana fito. Faly erỳ ireo Betelita 33 avy tao Moldavia nandray an’ireo vahiny avy any Alemaina, Etazonia, Holandy, Irlandy, Romania, Rosia, ary Ukraine. Nanatrika tao koa ireo Vavolombelona tsy nivadika nandritra ny fandrarana, ary nisy taminy nanao kopia sy nizara sakafo ara-panahy tamin’izany. Tao koa ny sasany tamin’ireo natao sesitany tany Siberia niaraka tamin’ny ray aman-dreniny, noho ny fanenjehana nataon’ny Firaisana Sovietika. Nanao lahateny nampahery tamin’ny mpanatrika 14 705 ny Rahalahy Lett ny alahady, ary nadika tamin’ny teny romanianina sy rosianina izany. Io no fivoriana be mpanatrika indrindra tany Moldavia hatramin’izay.

Mivavaha foana ary aza mitsahatra

Nilaza i Jesosy fa tokony “hivavaka foana” isika ary “tsy hitsahatra.” (Lioka 18:1) Manamafy orina ny fanantenanao ianao rehefa mivavaka. Noho izany, dia “aza mitsahatra mivavaka” ary “mahareta amin’ny vavaka.” (1 Tes. 5:17; Rom. 12:12) ‘Ilay Andriamanitry ny fiadanana anie hanome anareo ny zavatra tsara rehetra mba hanaovanareo ny sitrapony, ka hotanterahiny ao aminareo amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ny zavatra ankasitrahana eo imasony!’—Heb. 13:20, 21.