Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

REPOBLIKA DOMINIKANINA

Marenina Voalohany Lasa Vavolombelon’i Jehovah

José Pérez

Marenina Voalohany Lasa Vavolombelon’i Jehovah
  • TERAKA 1960

  • BATISA 1982

  • TANTARANY Liana tamin’ny fahamarinana i José tamin’izy mbola kely. Hitany mantsy hoe be fitiavana ny Vavolombelona, na dia tsy nisy nahay tenin’ny tanana aza.

MBOLA kely aho dia efa marenina, ka nianatra tenin’ny tanana tany amin’ny sekoly ho an’ny marenina. Tamin’izaho 11 taona no nifandray voalohany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy an’izay fianakaviana teny akaikinay izay mantsy nitondra ahy nivory. Tsy nisy azoko ny zavatra noresahina tany. Nivory foana anefa aho, satria nandray ahy tsara ny olona. Maro aza no nanasa ahy hisakafo, na hiaraka hanao zavatra hafa.

Lasa mpitory aho tamin’ny 1982, ary tamin’io taona io koa no natao batisa. Nivady izahay sy Eva tamin’ny 1984. Marenina koa izy. Tsy azonay tsara ireo fampianarana lalina ao amin’ny Baiboly tamin’izany. Fantatray anefa hoe fandaminan’i Jehovah no nisy anay, satria mifankatia ny olona ao. (Jaona 13:35) Faly koa izahay fa anisan’ny fiangonana.

Nampianarina Tenin’ny Tanana Amerikanina ny rahalahy sy anabavy vitsivitsy, tamin’ny 1992. Nitady marenina teny amin’ny faritany izy ireo, ary nitory tamin’izy ireny. Vao mainka nandroso ny fitoriana tamin’ny tenin’ny tanana, tamin’ny 1994. Nisy mpivady avy any Porto Rico mantsy nasaina nanketo amin’ny sampana mba hampianatra tenin’ny tanana, ka rahalahy sy anabavy 25 no nampianariny.

Vao niforona kelikely ny antoko-mpitory amin’ny tenin’ny tanana tamin’izany, ka nivory tany izahay mivady. Rehefa nanatrika fivoriana tamin’ny tenin’ny tanana izahay vao nahatakatra tsara ny fampianarana sasany ao amin’ny Baiboly. Anisan’izany ilay i Satana niampanga an’i Jehovah hoe tsy mahay mitondra sy ny anjara asan’ny Fanjakan’ny Mesia eo amin’ny fikasan’Andriamanitra.

Niforona teto Saint-Domingue sy tao Santiago ny fiangonana mampiasa Tenin’ny Tanana Amerikanina, tamin’ny 1 Desambra 1995. Nahatratra 26 ny fiangonana mampiasa tenin’ny tanana, tamin’ny Aogositra 2014, ary 18 ny antoko-mpitory.

Nampianarinay tenin’ny tanana ny zanakay telo mianadahy, mba ho io no fiteny tena ampiasainy. Mandray anjara amin’ny fandikan-teny amin’ny tenin’ny tanana any amin’ny sampan’i Etazonia izao i Éber, zanakay lahimatoa. Mpanampy amin’ny fanompoana aho izao, moa i Eva mpisava lalana maharitra.