Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

ZAVA-NISONGADINA TAMIN’NY TAON-DASA

Ilay Fivoriana Be Mpanatrika Indrindra Nataontsika

Ilay Fivoriana Be Mpanatrika Indrindra Nataontsika

OLONA 257 294 tany amin’ny firenena 21 no nanatrika ny fivoriana faha-129 nataon’ny fikambanana Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, ny asabotsy 5 Oktobra 2013. Tao ny nanatrika mivantana, fa nisy kosa nanaraka tamin’ny video nampitaina tamin’ny alalan’ny Internet. Naverina nalefa ilay video ny ampitson’iny, mba hojeren’ny Vavolombelona hafa. Nitontaly 1 413 676 àry ny mpanatrika, tany amin’ny firenena 31. Iny no be mpanatrika indrindra tamin’ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’izay.

Taoriana kelin’ny 1920 ny Vavolombelon’i Jehovah no nanomboka nampiasa telefaonina na radio, mba hampitana ny fivoriambeny tany amin’ny firenena maro. Izao kosa efa misy Internet, ka afaka manaraka ny fandaharana amin’ny video na dia ny olona any amin’ny toerana mitokana aza. Mety hampitaina mivantana izany na tara kely.

Efa herintaona mahery ny sampana maromaro no nanomana ny fandefasana an’ilay video. Tany Brooklyn, any New York, no nandrindrana an’ilay fampitana mivantana. Niasa andro aman’alina ireo teknisianina, tamin’ny faran’ny herinandro nandefasana an’ilay video, satria maro amin’ireo tany nandefasana an’ilay izy no tsy mitovy ora.