Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

ZAVA-NISONGADINA TAMIN’NY TAON-DASA

Raharaha Ara-pitsarana

Raharaha Ara-pitsarana

ARMENIA Efa misy ny fanompoana sivily mety amin’ny Kristianina

Armenia: Nasain’ny fanjakana manao fanompoana sivily any amin’ny faritra mitokana ny rahalahy sasany. Mazoto mitory izy ireo any

Nanao fandaharana vaovao momba ny fanompoana sivily ny fanjakana armenianina, tamin’ny 2013. Tsy voatery higadra intsony izao ny Vavolombelon’i Jehovah any, fa afaka mifidy ny hanao fanompoana sivily, rehefa tsy eken’ny feon’ny fieritreretany ny hanao miaramila. Nilaza ny biraon’ny sampana, tamin’ny Janoary 2014, fa rahalahy 71 no efa nanao an’izany. Ny rahalahy sasany, ohatra, voatendry hiasa amin’ny lakozia na manampy an’ireo mpiasan’ny fahasalamana any amin’ny hopitaly. Milaza ny tompon’andraikitra fa miasa tsara ireo rahalahintsika sady tsy be taraina, nefa matetika no sarotra ny asa anendrena azy. Ireo rahalahy koa faly, satria mba afaka manao fanompoana sivily sady tsy enjehin’ny eritreriny. * Hoy ny iray tamin’izy ireo: “Misaotra an’i Jehovah izahay fa afaka manao fanompoana sivily. Tsy mandray anjara amin’ny ady izao izahay nefa koa afaka manompo tsara.”

REPOBLIKA DOMINIKANINA Fisoratam-panambadiana voalohany tsy natao tany amin’ny Katolika

Nanao fifanekena tamin’i Vatikana ny fanjakana dominikanina, tamin’ny 1954. Ny Eglizy Katolika ihany, taorian’izay, no fivavahana nahazo alalana hanoratra fanambadiana. Raha tsy nisoratra tany amin’ny Katolika ny mpivady iray, dia nahazo nisoratra tany amin’ny fanjakana. Nisy lalàna vaovao nivoaka anefa tamin’ny 2010 hoe afaka manoratra fanambadiana koa ny olona avy amin’ny fivavahana hafa. Nanao fandaharana hampiofanana an’izay maniry hanao an’izany àry ny fanjakana. Nifidy anti-panahy 30 ny biraon’ny sampana mba hampiofanina. Olona 2 000 mahery no nanao fangatahana, fa 32 ihany no nahafeno fepetra, ka anisan’izany ireo rahalahy 30. Nahazo alalana hanoratra ny fanambadian’ny Vavolombelon’i Jehovah daholo ireo rahalahy ireo.

INDE Tsy matahotra ny hitory izy ireo

Sundeep sy Deepalakshmi Muniswamy

Namoaka didy ny Vaomieram-pirenena Miaro ny Zon’olombelona tao Karnataka, tamin’ny 27 Janoary 2014, ary nanameloka an’ilay Inspektera Lefitra tao amin’ny paositry ny polisy tao Old Hubli. Notafihin’ny vahoaka romotra mantsy ny Rahalahy Sundeep Muniswamy, tamin’ny 28 Jona 2011, nefa tsy mba niaro azy akory ilay inspektera. Tsy nanaja ny zon’olombelona izy io, ka nasaina nosazin’ny fanjakan’i Karnataka. Nilaza koa ilay vaomiera fa tokony homena onitra 20 000 ropia (Ar 800 000 mahery) ny Rahalahy Muniswamy. Tokony halain’ny fanjakana amin’ny karaman’ilay inspektera, hono, io vola io.

Nilaza ny Rahalahy Muniswamy fa tena nahafaly azy mianakavy iny didim-pitsarana niavaka iny, ary vao mainka izy ireo tapa-kevitra ny hitory fa tsy hatahotra. Nanatanjaka ny finoan’ireo Vavolombelona iny didy iny. Tsapany hoe afaka miaro ny vahoakany tokoa i Jehovah. Fampitandremana ho an’ny mpitandro ny filaminana koa izy iny hoe adidin’izy ireo ny miaro ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Karnataka. Mbola misy raharaha mihantona momba ny Rahalahy Muniswamy sy ny rahalahy hafa any amin’ny fitsarana, ary mifandray amin’iny zava-nitranga iny ihany ilay izy.

KIRGHIZISTAN Miaro ny zon’ireo tsy manaiky hanao miaramila ny Filan-kevitra Momba ny Lalàm-panorenana

Daty manan-tantara ny 19 Novambra 2013 ho an’ireo tsy manaiky hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Namoaka didy miaro an’ireo Vavolombelona 11 ny Filan-kevitra Momba ny Lalàm-panorenana ao amin’ny Fitsarana Tampony, ary nilaza fa tsy mifanaraka amin’ny lalàm-panorenana ny fanompoana sivily any Kirghizistan. Nasaina nandoa vola hanohanana ny tafika mantsy ireo manao fanompoana sivily. Tsy maintsy lasa miaramila fiandry koa izay nahavita ny fanompoany. Nilaza ny Filan-kevitra Momba ny Lalàm-panorenana fa tsy ara-dalàna izany, satria tsy manaja ny zon’ny olona hanaraka ny fivavahana tiany, izay mahatonga azy tsy hanaiky hanao miaramila. Nanaiky ny didy navoakan’ilay Filan-kevitra Momba ny Lalàm-panorenana ny Fitsarana Tampony, ka Vavolombelona 14 no afaka madiodio, tany am-piandohan’ny 2014. Nifarana ihany ilay ady ara-pitsarana naharitra fito taona, ka afaka manaraka ny fivavahany an-kalalahana izao ireo rahalahy tsy mety manao miaramila. Tsy nivadika ireo tovolahy tia fihavanana ireo, ka lasa nahazo voninahitra ny anaran’i Jehovah ary nahazo fahalalahana ara-pivavahana isika ao amin’ny Repoblikan’i Kirghizistan.

Kirghizistan: Nampakarina tany amin’ny fitsarana tampony ny raharaha mahakasika ireo Vavolombelona ireo

NIZERIA “Namaly soa ahy i Jehovah”

Rahonana sy ailikiliky ny olona ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny Fanjakan’i Abia, satria tsy mety miditra amin’ireo fikambanana atsangan’ny fiaraha-monina. * Misy herisetra sy asan’ny maizina mantsy amin’izy ireny. Indray maraina, tamin’ny Novambra 2005, dia nanafika ny tranon’ny Rahalahy Emmanuel Ogwo mivady ny olona tao amin’ilay fikambanana tao Asaga Ohafia. Nalainy daholo ny fananan’izy mivady ho solon’ny latsakemboka hidirana ao amin’ilay fikambanana, hono. Tsy nanana afa-tsy ny akanjo teny an-kodiny sisa izy ireo. Noroahin’ny fokonolona izy mivady tamin’ny 2006. Nifindra tany amin’ny rahalahy iray tany an-tanàna hafa izy ireo, ary voakarakara tsara izy tany. Niverina tao an-tanànany ny Rahalahy Ogwo, herintaona taorian’izay, fa mbola noteren’ny olona hiditra tao amin’ilay fikambanana ihany. Nangataka ny hamerenana ny fananany koa izy, fa tsy nisy niraharaha.

Nanome rariny ho an’ny Rahalahy Ogwo ny Fitsarana Avo tao amin’ny Fanjakan’i Abia, tamin’ny 15 Aprily 2014. Voalaza fa manana zo hifidy izay fikambanana na fivavahana tiany izy. Naverina taminy ny fananany, ary tsy ailikiliky ny olona intsony ny Vavolombelona any. Afaka mitory an-kalalahana koa izao ireo rahalahy ao Asaga Ohafia.

Hoy ny Rahalahy Ogwo rehefa nivoaka ilay didy: “Avo ny lanitra ka tsy takatro. Nandresy i Jehovah ary nanampy ahy ny anjely. Namaly soa ahy i Jehovah.”

ROSIA Nivoaka ny didy hoe azo ampiasaina ny jw.org

Vao mainka “nampandroso ny vaovao tsara” any Rosia ireo ady ara-pitsarana mahakasika an’ireo rahalahy tany. (Fil. 1:12) Tsy mivadika mihitsy izy ireo, na dia manohitra be aza ny manam-pahefana sy ny mpitondra fivavahana sasany. Hita hoe nitahy azy ireo i Jehovah.

Manaporofo an’izany ny fandresena azontsika tao Tver.’ Nitory antsika tany amin’ny fitsarana teo an-toerana ny mpampanoa lalàna tao, tamin’ny 2013, ary nangataka ny handrarana ny jw.org manerana an’i Rosia. Namoaka didy nandrara azy io tokoa ilay fitsarana, nefa tsy niteny tamin’ny solontenan’ny Vavolombelon’i Jehovah akory. Nampakatra fitsarana avy hatrany ireo rahalahy raha vao naheno an’ilay izy. Nofoanan’ny fitsarana ambony kokoa anefa ilay didy, tamin’ny 22 Janoary 2014, ary nahazo rariny isika. Afaka mandray soa avy amin’ny jw.org izao ny ankamaroan’ireo rahalahy any Rosia, noho ny fanampian’i Jehovah sy ny vavaka nataon’ireo rahalahy maneran-tany.

TORKIA Mbola tsy raharahaina foana ny zon’ireo tsy manaiky hanao miaramila

Nigadra efa-taona mahery i Bariş Görmez, Vavolombelon’i Jehovah any Torkia, satria tsy nety nanao miaramila. Nampijalijalin’ny polisy izy, ka sady nodakadakany no novelesiny tamin’ny kibay. Mbola nijaly koa izy tao amin’ilay efitra nigadrany. Mirefy roa metatra mahery mantsy izy, ka tsy antonona azy ilay fandriana tao. Tsy maintsy nitsivalana tamin’ny fandriana roa izy sady nivonkina. Navelan’ny tompon’andraikitra nosoloana àry ny kidorony, ka nitondran’ireo rahalahy teo an-toerana kidoro lehibe kokoa izy.

Nandefa fitarainana tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona ny Rahalahy Görmez sy ny Vavolombelona telo hafa, tamin’ny 2008. Manana zo tsy hanao miaramila mantsy izy ireo, nefa tsy nanaja an’izany i Torkia. Nanome rariny azy efatra ireo * ilay Fitsarana tamin’ny 3 Jona 2014. Nasainy nandoa onitra tamin’izy ireo koa ny fanjakana tiorka. Fanintelony izao ny Fitsarana Eoropeanina no nanome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah tany Torkia tamin’io resaka io. Tsy misy Vavolombelona migadra intsony izao any Torkia. Tsy hilamina tanteraka anefa io raharaha io, raha tsy ny fanjakana tiorka mihitsy no manaiky hoe manana zo tsy hanao miaramila ny olona iray rehefa tsy eken’ny feon’ny fieritreretany izany.

Tohin’ireo raharaha tany aloha

Azerbaïdjan: Mbola iharan’ny tsy rariny ireo Vavolombelona any. Manao bemidina any amin’ny toeram-pivoriana, ohatra, ny polisy, mandalo sivana ny boky sy gazety, ary maro no voasambotra rehefa mitory. Mbola tsy manaiky hamerina hanoratra ny fivavahantsika ho ara-dalàna koa ny fanjakana. Fitarainana 19 momba an’ireo raharaha ireo izao no efa nalefa tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina. Mbola hita foana anefa hoe mitahy i Jehovah. Mihamitombo mantsy ny isan’ny mpitory. Vao mainka koa faly ny rehetra rehefa nivoaka tamin’ny teny azerbaijaney Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo.

Érythrée: Mbola manohy manompo an’i Jehovah foana ireo rahalahy, na mafy aza ny fanenjehana. Efa 20 taona izay no nigadran’ny Rahalahy Paulos Eyassu sy Isaac Mogos ary Negede Teklemariam, satria nanomboka tamin’ny 24 Septambra 1994. Vavolombelona sy olona liana 150 teo ho eo no nosamborin’ny manam-pahefana nandritra ny Fahatsiarovana, tamin’ny 14 Aprily 2014. Vao herintaona sy efa-bolana ny zandriny indrindra tamin’izy ireo, ary efa mihoatra ny 85 taona ny zokiny indrindra. Vavolombelona sy olona liana 30 teo ho eo indray no voasambotra, nandritra ny lahateny manokana tamin’ny 27 Aprily 2014. Efa nafahana ny ankamaroan’izy ireo.

Kazakhstan: Voarara ny manafatra na mizara ny 14 amin’ny bokintsika eran’ny Repoblikan’i Kazakhstan, araka ny didy navoakan’ny Minisiteran’ny Raharaha Ara-pivavahana. Tsy dia afaka mitory any ivelan’ny trano fivoriany koa ireo rahalahy. Vavolombelona 50 teo ho eo no efa nomelohina, satria nanao fitoriana tsy ara-dalàna, hono. Fitarainana 26 izao no efa nalefa tany amin’ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona, mba hiarovana ny zon’ny olona haneho hevitra an-kalalahana.

^ feh. 1 Ny tsirairay no manapa-kevitra raha hanao fanompoana sivily izy na tsia, arakaraka ny feon’ny fieritreretany.

^ feh. 1 Fikambanan’ny olona mitovitovy taona ao amin’ny tanàna iray izy io, ary lehilahy ny ankamaroany.

^ feh. 2 Buldu sy ny Hafa miady amin’i Torkia, No. 14017/08, 3 Jona 2014