Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MIAMBENA FOANA!

An-tapitrisany ny Mpitsoa-ponenana avy any Ukraine

An-tapitrisany ny Mpitsoa-ponenana avy any Ukraine

 Nanafika an’i Ukraine i Rosia tamin’ny 24 Febroary 2022. Tena mampidi-doza izany ka olona an-tapitrisany no niezaka nandositra haingana araka izay azo atao. a

 “Naheno baomba nipoaka maromaro izahay. Tena nampahatahotra be mihitsy ilay izy. Tonga dia nandeha izahay raha vao henonay hoe nisy lamasinina azo andehanana mitsoaka. Tsy maintsy nilaozanay daholo ny zava-drehetra satria kitapo kely iray isan’olona ihany no azo nentina. Antontan-taratasy, fanafody, rano, ary sakafokafo kely fotsiny no zakanay. Nafoy ny zavatra hafa rehetra dia nankany amin’ny gara izahay. Ny feona baomba mipoaka amin’izany mbola henonay foana.”​—Nataliia, avy any Kharkiv, Ukraine.

 “Nieritreritra foana izahay hoe tsy hisy ady izany. Naheno zavatra nipoaka be tany ananonanona tany anefa aho, dia nihovotrovotra daholo ny varavarankely. Nanapa-kevitra ny handeha aho dia nentiko izay zavatra tena nilaiko. Tamin’ny 8:00 maraina aho no niala tao an-trano, dia nandeha lamasinina nankany Lviv, dia avy eo nandeha bisy nankany Polonina.”​—Nadija, avy any Kharkiv, Ukraine.

Ho hitantsika ato hoe:

 Inona no tena mahatonga an’izao olona be dia be mitsoa-ponenana izao?

 Ny fanafihan’ny tafik’i Rosia no mahatonga ny mpitsoa-ponenana be dia be avy any Ukraine. Asehon’ny Baiboly amintsika anefa hoe misy antony lalina kokoa mahatonga ny olona be dia be hitsoa-ponenana:

  •   Tsy vitan’ny fanjakan’olombelona mihitsy ny nanome an’izay ilain’ny olona. Matetika ny mpitondra no manararaotra fahefana dia mampijaly ny hafa.​—Mpitoriteny 4:1; 8:9.

  •   I Satana Devoly no “mpitondra an’izao tontolo izao”, dia izany no mahatonga ny ankamaroan’ny olona ho ratsy toetra be. Milaza ny Baiboly hoe: “Izao tontolo izao manontolo [dia] eo ambany fahefan’ilay ratsy.”​—Jaona 14:30; 1 Jaona 5:19.

  •   Ankoatra ny olana efa teo hatramin’izay, dia efa miaina amin’ny andro farany isika izao. Io ilay efa nolazain’ny Baiboly mialoha hoe: “Amin’ny andro farany, dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora atrehina.” (2 Timoty 3:1) Mampiavaka ny andro farany koa anefa ny ady, ny hetraketraky ny natiora, ny mosary, ary ny areti-mandringana, dia izany no mahatonga ny olona hitsoa-ponenana.​—Lioka 21:10, 11.

 Iza no afaka manome fanantenana ny mpitsoa-ponenana?

 Asehon’ny Baiboly hoe tia sady mangoraka ny mpitsoa-ponenana sy ny olona tsy maintsy mifindra toerana i Jehovah, b ilay Mpamorona antsika. (Deoteronomia 10:18) Mampanantena izy hoe hesoriny ny olana rehetra mahazo ny mpitsoa-ponenana. Ilay fanjakany any an-danitra, izay antsoina hoe Fanjakan’Andriamanitra, no ampiasainy ary izy io no hisolo ny fanjakan’olombelona. (Daniela 2:44; Matio 6:10) Hampiasa ny Fanjakany i Jehovah mba handringanana an’i Satana Devoly. (Romanina 16:20) Tsy hisy intsony ny sisin-tany mahatonga ny olona hisara-bazana, satria hanjaka maneran-tany io Fanjakana io. Ho fianakaviana iray daholo ny olombelona rehetra. Tsy hisy antony tokony hialan’ny olona amin’ny tranony intsony, amin’izay, satria mampanantena ny Baiboly hoe: “Samy hipetrapetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy ireo, ary tsy hisy hampatahotra azy, satria i Jehovah Tompon’ny tafika no efa niteny.”​—Mika 4:4.

 Ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no afaka manala tanteraka ny olana mahazo ny mpitsoa-ponenana. Hampiasa ny Fanjakany mantsy i Jehovah mba hanesorana ny olana mahatonga ny olona tsy maintsy hifindra toerana. Hesoriny, ohatra, ireto:

  •   Ady. “[Ataon’i Jehovah] tsy misy ady intsony.” (Salamo 46:9) Vakio ilay lahatsoratra hoe “Ahoana no Hampisy Fiadanana etỳ An-tany?” raha tianao ho fantatra hoe ahoana no ataon’Andriamanitra mba hamaranana ny ady.

  •   Fampijaliana sy herisetra. “Hanafaka azy ireo amin’ny fampahoriana sy ny herisetra” i Jehovah. (Salamo 72:14) Vakio ilay andian-dahatsoratra hoe “Afaka ny Hifankatia ve ny Olona Mifankahala?” raha tianao ho fantatra hoe ahoana no hampiova ny olona iray manana toetra ratsy efa raiki-tampisaka aminy.

  •   Fahantrana. “[Hovonjen’i Jehovah] ny mahantra miantso vonjy.” (Salamo 72:12) Raha tianao ho fantatra hoe ahoana no hanesoran’Andriamanitra ny antony mahatonga ny fahantrana, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Hilamina Ihany ve ny Olana Ara-toe-karena?

  •   Mosary. “Hahavokatra be ny tany.” (Salamo 72:16) Vakio ilay lahatsoratra hoe “Ho Foana ve ny Hanoanana?” raha tianao ho hita hoe ahoana no hataon’Andriamanitra mba tsy hisy olona ho tratran’ny mosary intsony.

 Afaka manampy ny mpitsoa-ponenana ve ny Baiboly?

 Eny. Tsy vitan’ny hoe manome fanantenana azo antoka ho an’ny mpitsoa-ponenana ny Baiboly, fa manome torohevitra hanampiana azy ireo hiatrika ny olana atrehiny amin’izao koa.

 Toro lalan’ny Baiboly: “Mino an’izay teny rehetra henony ny olona mora fetsifetsena, fa ny olona malina kosa mieritreritra tsara isaky ny hanao zavatra.”​—Ohabolana 14:15.

 Inona no dikan’izany? Eritrereto mialoha hoe inona no loza mety hahazo anao ary ahoana no azonao iarovana ny tenanao. Mitandrema amin’ny mpanao ratsy mitady hanararaotra ny mpitsoa-ponenana. Fantatr’ireny olona ireny mantsy hoe matahotahotra sy tsy dia mahafanta-javatra ny olona rehefa vahiny eo amin’ny toerana iray.

 Toro lalan’ny Baiboly: “Rehefa manana sakafo sy fitafiana isika, dia hianina amin’izany.”​—1 Timoty 6:8.

 Inona no dikan’izany? Aza mifantoka be amin’ny vola sy fananana. Ho faly kokoa ianao raha mahay mianina rehefa mahazo an’izay tena ilainao.

 Toro lalan’ny Baiboly: “Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.”​—Matio 7:12.

 Inona no dikan’izany? Miezaha hanam-paharetana sy ho tsara fanahy, amin’izay ho mora amin’ny olona ny hanaja anao sy ny hiara-miaina aminao.

 Toro lalan’ny Baiboly: “Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza.”​—Romanina 12:17.

 Inona no dikan’izany? Rehefa iharan’ny tsy rariny ianao, dia mitandrema sao dia lasa tezitra loatra ka te hamaly faty. Vao mainka mantsy hanasaro-javatra izany.

 Toro lalan’ny Baiboly: “Manana ny hery hiatrehana an’izay rehetra mitranga aho, noho ilay manome hery ahy.”​—Filipianina 4:13.

 Inona no dikan’izany? Asehoy hoe zava-dehibe aminao Andriamanitra dia mivavaha aminy. Afaka manampy anao hiatrika olana izy.

 Toro lalan’ny Baiboly: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana ary ny fisaorana. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra lavitra noho izay rehetra takatry ny sain’olombelona, no hiambina ny fonareo sy ny sainareo.”​—Filipianina 4:6, 7.

 Inona no dikan’izany? Na inona na inona olana atrehinao, dia iangavio Andriamanitra mba hanampy anao ho tony sy hilamin-tsaina. Jereo ilay lahatsoratra hoe “Filipianina 4:6, 7: ‘Aza Manahy na Inona na Inona.’”

a Ny ampitson’ilay fanafihana, dia nilaza ny Vaomieran’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Mpitsoa-ponenana hoe io zava-mitranga io no hamehana mafy indrindra hatramin’izay. Tao anatin’ny 12 andro fotsiny, dia olona roa tapitrisa mahery no niala tao Ukraine mba hitsoaka tany amin’ny firenena manodidina, ary olona iray tapitrisa no niala ny tranony mba hifindra any amin’ny toerana hafa ao Ukraine.

b Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?