Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Comstock Images/Stockbyte via Getty Images

MIAMBENA FOANA!

Iza no Fidinao ho Mpitondra? Inona no Lazain’ny Baiboly?

Iza no Fidinao ho Mpitondra? Inona no Lazain’ny Baiboly?

 Mila mandray fanapahan-kevitra lehibe ny olona hoe iza no hofidiny ho mpitondra.

 Inona no lazain’ny Baiboly?

Voafetra ny vitan’ny mpitondra olombelona

 Anisan’ny mahatonga an’izany ity resahin’ny Baiboly ity:

  •   “Aza matoky ny olona ambony na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy. Miala ny fofonainy, ary miverina amin’ny tany izy; amin’iny andro iny ihany, dia foana ny eritreriny.”​—Salamo 146:3, 4.

 Na dia ny mpitondra mahay indrindra aza mbola ho faty ihany. Ankoatra izany, dia tsy afaka manome antoka izy ireo hoe hanohy ny asa tsara vitany izay olona handimby azy.​—Mpitoriteny 2:18, 19.

 Lazain’ny Baiboly fa tsy natao hifampitondra mihitsy ny olombelona.

  •   “Tsy natao hitondra samirery ny fiainany ... ny olona.”​—Jeremia 10:23.

 Mba misy olona afaka ny ho mpitondra mahay ve amin’izao?

Mpitondra iray nofidin’Andriamanitra

 Hazavain’ny Baiboly fa nanendry mpitondra faran’izay mahay sy azo itokisana Andriamanitra. Tsy iza izany fa i Jesosy Kristy. (Salamo 2:6) I Jesosy no Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary avy any an-danitra izy io no hitondra.​—Matio 6:10.

 Hifidy ny fitondran’i Jesosy ve ianao? Asehon’ny Baiboly fa zava-dehibe ny safidinao:

  •   “Omeo voninahitra ilay zanaka [i Jesosy Kristy] sao ho tezitra Andriamanitra ka ho ringana ianareo, fa vetivety dia mirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy.”​—Salamo 2:12.

 Izao no fotoana tokony handraisanao fanapahan-kevitra. Raha jerena ny faminanian’ny Baiboly dia efa nanomboka nanjaka tamin’ny 1914 i Jesosy, ary tsy ho ela ny Fanjakan’Andriamanitra dia hisolo ny fitondram-panjakan’olombelona rehetra.​—Daniela 2:44.

 Raha tianao ho fantatra bebe kokoa hoe inona no azonao atao mba hanohanana ny fitondran’i Jesosy, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Miezaha Hanohana ny Fanjakan’Andriamanitra Dieny Izao!