Hijery ny anatiny

Olona Hoatran’ny Ahoana no Tokony Hataoko Namana?

Olona Hoatran’ny Ahoana no Tokony Hataoko Namana?

Ampiasao ity kilalao ity mba hanampiana ny zanakao hahita namana ao amin’ny fiangonana.

Vakio sy diniho miaraka amin’ny zanakareo ny Ohabolana 13:20.

Alaivo ity kilalao ity dia ataovy pirinty.

Mila miezaka kely miresaka amin’olon-kafa isika raha te hanana namana tsara. Asaivo mifidy amin’ireo anaran’olona etsy ambany ireo ny zanakao, dia ampirisiho hiresaka amin’ilay olona any amin’ny fiangonana. Asehoy an’ilay rahalahy na anabavy ireo karatra ireo, dia asaivo mifidy fanontaniana iray hovaliana izy. Rehefa mahafantatra zava-baovao momba ny olona iray mantsy ianao, dia mety ho lasa mpinamana be aminy.

Mety ho Tianao Koa

ATAOVY NAMANAO I JEHOVAH (KILALAO)

Sary: Olona Hoatran’ny Ahoana no Tokony Hataoko Namana?

Ataovy pirinty ity sary tamin’ny video ity dia angony ao aminao.

FAMPIANARAN’NY BAIBOLY

Ho An’ny Ankizy

Raha te hampianatra ny zanakao ho tsara toetra ianao dia ampiasao ireo fitaovana mahafinaritra ato, izay miorina amin’ny Baiboly.