Be Herim-po i Estera

Be Herim-po i Estera

Haka:

  1. 1. Tsy mba nisy hoe ray na reny

    Ilay ankizikely,

    Ka notezain’i Mordekay,

    Nahantra fa modely.

    Dia izy no voatendry,

    Lasa vadin’ny mpanjaka.

    Estera moa, mahery fo,

    Nankatò sy hendry!

    (FIVERENANA)

    Mba te hanahak’azy aho!

    Te hitovy amin’i Estera,

    Fa tena mahery fo izy.

    ’Zaho te ho sahy hoatr’azy.

    Ka tena hankatò aho,

    Dia mba hiaro an’i Jehovah.

    Hankatò foana àry aho,

    Fa te hanahak’azy.

  2. 2. Tsy mpanompon’i Jehovah

    Ny vadin’i Estera,

    Nefa nohajainy foana,

    Ka nazahoany dera.

    Dia indray andro izay

    Nasaina hiaro foko iray,

    Estera moa, mahery fo,

    Sahy nijoro indray!

    (FIVERENANA)

    Mba te hanahak’azy aho!

    Te hitovy amin’i Estera,

    Fa tena mahery fo izy.

    ’Zaho te ho sahy hoatr’azy.

    Ka tena hankatò aho,

    Dia mba hiaro an’i Jehovah.

    Hankatò foana àry aho,

    Fa te hanahak’azy.