Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao ve Ireo Apostoly Roa Ambin’ny Folo?

Fantatrao ve Ireo Apostoly Roa Ambin’ny Folo?

Haka:

  1. 1. ’Reo mpianatr’i Jesosy aloha dia tiany be daholo,

    ’Ndrindra fa ny apostoly, ’zay nisy roa ambin’ny folo.

    Izy ireo nahita fahagagana, nahita izay niseho.

    Andao hianarantsika àry ny anaran’izy ireo.

    (FIVERENANA)

    Dia i Petera, Jakoba, Jaona, Andrea,

    Filipo, Tomasy, Jodasy, Matio,

    Jakoba kely, Simona ary Tadeo.

    Dia aza hadino Bartolomeo.

  2. 2. Nampiofanin’i Jesosy ireo hitory,

    Dia nanaiky ny hanohy ilay fanompoany.

    Tsy nankatò ny ankiray dia lasa ratsy toetra.

    F’andao haverintsika ny anaran’izy rehetra.

    (FIVERENANA)

    Dia i Petera, Jakoba, Jaona, Andrea,

    Filipo, Tomasy, Jodasy, Matio,

    Jakoba kely, Simona ary Tadeo.

    Dia aza hadino Bartolomeo.