Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Namana i Rota

Tena Namana i Rota

Haka:

  1. 1. Iny i Naomy, tena kivy,

    Fa maty ireo tsy foiny.

    Toa mafy loatra, reraka izy!

    Naratra anie ny fony.

    Tsy irery anefa akory,

    Fa teo i Rota niara-ory:

    ‘Izay halehanao,

    Dia ho any aho. ’Ndeha ho any aho!

    Izaho sy ianao, tsy hifandao.’

  2. 2. Dia nifanampy teny foana,

    Tsy nifankafoy;

    Ny tanan’i Jehovah moa

    Hita hoe tsy fohy.

    Tiako ho modely àry izy ireo,

    Fa toa tsaroako ihany ilay feo:

    ‘Izay halehanao,

    Dia ho any aho. ’Ndeha ho any aho!’

  3. 3. Raha toa ’ndray andro any,

    Ka mitomany

    Izay namako izay,

    Dia tiako ny hanambitamby azy,

    Ho eo foana hanampy azy

    Hitsiky eny indray.

    ‘Dia ho any aho. ’Ndeha ho any aho!

    Izaho sy ianao, tsy hifandao.’