Hijery ny anatiny

Fitsidihana Betela

Asainay ianao hitsidika ny biraon’ny sampanay, izay antsoina hoe Betela. Misy fampirantiana azo jerena any amin’ny sampana sasany.

Azo Tsidihina Indray ny Betela: Azo tsidihina indray ny biraon’ny sampana any amin’ny tany maro nanomboka tamin’ny 1 Jona 2023. Anontanio amin’ny biraon’ny sampana any aminareo ny tsipiriany raha te hitsidika ianao. Iangaviana ianao mba tsy handeha hitsidika Betela raha voan’ny COVID-19, voan’ny gripa na sery na tazo na ny toy izany, na vao haingana no nifanerasera tamin’olona voan’ny COVID-19.

Kanada

Fitsidihana

Tokony hanao famandrihana ve ianao alohan’ny hahatongavanao mitsidika? Eny. Tianay raha manao famandrihana mialoha daholo izay te hitsidika, na firy na firy izy ireo. Tsy ho be loatra, amin’izay, ny mpitsidika sady ho azo antoka hoe hankafy an’ilay fitsidihana ny rehetra. Ataovy herinandro mialoha, fara fahakeliny, ny famandrihanao. Tokony hatao aloha be ny famandrihana raha andro fety ilay andro tianareo hitsidihana.

Mbola afaka mitsidika ve ianao raha tsy nanao famandrihana? Raha tsy nanao famandrihana ianao, dia mety tsy ho afaka handray anao izahay. Voafetra ihany ny isan’ny olona afaka mitsidika isan’andro, satria izay no antonona ao amin’ilay toerana.

Amin’ny firy ianao no tokony ho tonga? Tsara kokoa raha ao anatin’ny adiny iray alohan’ilay fitsidihana ianao no tonga fa tsy alohan’izay, mba tsy ho be loatra ny olona mifamezivezy.

Ahoana no fanaovana famandrihana? Tsindrio ilay hoe “Hamandrika Fitsidihana ho An’olona Latsaka ny 20”, raha tsy ampy 20 ny isanareo. Mandefasa kosa e-mail any amin’ny tourdesk.ca@jw.org raha 20 na mihoatra ianareo no hitsidika.

Azo ovana na foanana ve izay famandrihana natao? Eny. Tsindrio ilay hoe “Hijery na Hanova Famandrihana.”

Ahoana raha efa feno ny toerana amin’ilay daty saika hitsidihanao? Jereo matetika ilay tranonkala. Malalaka indray mantsy ny toerana raha misy olona manova na manafoana ny famandrihany.

Haka Bokikely Momba ny Betela

Adiresy sy Telefaonina

13893 Highway 7

GEORGETOWN, ON L7G 4S4

CANADA

+1 905-873-4100