Hijery ny anatiny

Fitsidihana Betela

Asainay ianao hitsidika ny biraon’ny sampanay, izay antsoina hoe Betela. Misy fampirantiana azo jerena any amin’ny sampana sasany.

Azo Tsidihina Indray ny Betela: Azo tsidihina indray ny biraon’ny sampana any amin’ny tany maro nanomboka tamin’ny 1 Jona 2023. Anontanio amin’ny biraon’ny sampana any aminareo ny tsipiriany raha te hitsidika ianao. Iangaviana ianao mba tsy handeha hitsidika Betela raha voan’ny COVID-19, voan’ny gripa na sery na tazo na ny toy izany, na vao haingana no nifanerasera tamin’olona voan’ny COVID-19.

Holandy

Famandrihana Fitsidihana

Tokony hanao famandrihana ve ianao alohan’ny hahatongavanao mitsidika? Eny. Tianay raha manao famandrihana mialoha daholo izay te hitsidika, na firy na firy izy ireo. Tsy ho be loatra, amin’izay, ny mpitsidika sady ho azo antoka hoe hankafy an’ilay fitsidihana ny rehetra. Ataovy herinandro mialoha, fara fahakeliny, ny famandrihanao. Tokony hatao aloha be ny famandrihana raha andro fety ilay andro tianareo hitsidihana.

Mbola afaka mitsidika ve ianao raha tsy nanao famandrihana? Raha tsy nanao famandrihana ianao, dia mety tsy ho afaka handray anao izahay. Voafetra ihany ny isan’ny olona afaka mitsidika isan’andro, satria izay no antonona ao amin’ilay toerana.

Amin’ny firy ianao no tokony ho tonga? Mba hanomboka ara-potoana tsara ny fitsidihanareo dia tongava 10 minitra mialoha, fara fahatarany.

Ahoana no fanaovana famandrihana? Tsindrio ilay hoe “Hanao Famandrihana.”

Azo ovana na foanana ve izay famandrihana natao? Eny. Tsindrio ilay hoe “Hijery na Hanova Famandrihana.”

Ahoana raha efa feno ny toerana amin’ilay daty saika hitsidihanao? Jereo matetika ilay tranonkala. Malalaka indray mantsy ny toerana raha misy olona manova na manafoana ny famandrihany.

Fitsidihana

Christelijke Gemeente van Jehovah’s Getuigen in Nederland

Noordbargerstraat 77

7812 AA EMMEN

NETHERLANDS

+31 591-683555

Mampiavaka azy

Mandika boky ara-baiboly ho amin’ny teny holandey. Mamoaka boky soratra Braille amin’ny fiteny 20. Mamoaka raki-peo sy video amin’ny fiteny maro.

Haka Bokikely Momba ny Betela