Hijery ny anatiny

Fitsidihana Betela

Asainay ianao hitsidika ny biraon’ny sampanay, izay antsoina hoe Betela. Misy fampirantiana azo jerena any amin’ny sampana sasany.

Azo Tsidihina Indray ny Betela: Azo tsidihina indray ny biraon’ny sampana any amin’ny tany maro nanomboka tamin’ny 1 Jona 2023. Anontanio amin’ny biraon’ny sampana any aminareo ny tsipiriany raha te hitsidika ianao. Iangaviana ianao mba tsy handeha hitsidika Betela raha voan’ny COVID-19, voan’ny gripa na sery na tazo na ny toy izany, na vao haingana no nifanerasera tamin’olona voan’ny COVID-19.

Taïwan

Famandrihana Fitsidihana

Tokony hanao famandrihana ve ianao alohan’ny hahatongavanao mitsidika? Eny. Tianay raha manao famandrihana mialoha daholo izay te hitsidika, na firy na firy izy ireo. Tsy ho be loatra, amin’izay, ny mpitsidika sady ho azo antoka hoe hankafy an’ilay fitsidihana ny rehetra.

Mbola afaka mitsidika ve ianao raha tsy nanao famandrihana? Raha tsy nanao famandrihana ianao, dia mety tsy ho afaka handray anao izahay. Voafetra mantsy ny isan’ny olona afaka mitsidika isan’andro.

Amin’ny firy ianao no tokony ho tonga? Tsara kokoa raha tsy tonga alohan’ny antsasak’adiny mialoha an’ilay fitsidihana ianao, mba tsy ho be loatra ny olona mifamezivezy.

Ahoana no hanaovana famandrihana? Tsindrio ilay hoe “Hanao Famandrihana.”

Azo ovana na foanana ve ny famandrihana? Eny. Tsindrio ilay hoe “Hijery na Hanova Famandrihana.”

Ahoana raha efa feno ilay daty tena tianao hitsidihana? Tsidiho matetitetika ilay tranonkala. Mety halalaka ihany ilay fotoana rehefa misy olona manova na manafoana ny famandrihana nataony.

Fitsidihana

No. 325, Shefu Road

Xinwu District

TAOYUAN CITY 32746

TAIWAN

+886 3-477-7999

Mampiavaka azy

Mandika boky ara-baiboly ho amin’ny teny amis sy sinoa mandarin (nentim-paharazana sy notsorina) ary tenin’ny tanana any Taïwan. Manao raki-peo amin’ny teny amis, bunun atsimo, sinoa mandarin, hakka (Taïwan), ary min nan (Taïwan). Manao video amin’ny tenin’ny tanana any Taïwan.

Haka Bokikely Momba ny Betela