Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Ahoana no Hataoko fa Leo Mandeha Mianatra Aho?

Ahoana no Hataoko fa Leo Mandeha Mianatra Aho?

 Masiaka loatra ve ny mpampianatra anareo? Sa ianao teren’ny ankizy haditra? Sa mahakamo be ny fanadinana? Sa be loatra ny devoara tsy maintsy ataonao any an-trano? Raha izany no izy, dia ara-dalàna raha tsy te hianatra intsony ianao. a Izao no tenin’ny ankizivavy iray atao hoe Rachel b:

 “Rehefa tsy mandeha mianatra fotsiny aho dia efa mety amiko, na aiza na aiza. Aleoko mandeha eny amoron-dranomasina na miaraka amin’ny namako, na aleoko mihitsy aza manampy an’ny dadanay sy mamanay mahandro sakafo na manadio trano!”

 Mitovy hevitra amin’i Rachel ve ianao? Angamba ianao mahatsapa hoe hoatran’ny olona migadra. Tsy afa-manoatra ny olona migadra fa tsy maintsy miaritra ao am-pigadrana mandra-pahavitan’ny saziny. Hoatr’izay koa ilay hoe mandeha mianatra raha tsy tianao ilay izy. Tsy maintsy miaritra ianao mandra-pahavitan’ny fianaranao. Inona àry no tokony hataonao ao an-tsaina mba tsy ho kivy ianao?

 Fantatrao ve? Raha ezahinao tadidina hoe misy mahatsara azy ny mandeha mianatra, dia hazoto hianatra ianao fa tsy hieritreritra hoe tsy afa-manoatra fa tsy maintsy miaritra fotsiny. Ho hitanao hoe hay ilainao ny mandeha mianatra, satria hahasoa anao rehefa lasa olon-dehibe ny zavatra hainao any.

 Ireto misy antony maromaro mahatsara ny hoe mandeha mianatra, dia ezaho tadidina:

 Lasa hahay ianao. Hiana-javatra be dia be ianao any am-pianarana, dia hanampy anao ireny mba hahay handamina olana kokoa any aoriana any, na any am-piasana izany na amin’ny zavatra hafa. Tsy voatery hila olon-kafa hanampy anao foana ianao amin’izay. Eritrereto izao: ‘Na misy zavatra tsy tiako aza izao any am-pianarana, inona avy ny soa azoko amin’ilay hoe mianatra?’

 Torolalan’ny Baiboly: “Arovy ny fahendrena sy ny fahaiza-misaina.”​—Ohabolana 3:21.

 Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Ahoana Raha Ratsy Foana ny Naotiko?

 Lasa hanana fahazarana tsara ianao. Be dia be ny fahazarana tsara anananao rehefa mandeha mianatra ianao. Afaka manampy anao ireny fahazarana ireny mba hahay handamina fotoana sy hahay hamolaka ny tenanao ary hazoto hiasa. Hila an’ireo toetra ireo ianao rehefa lehibe. Eritrereto izao: ‘Tena manana fahazarana tsara marina ve aho amin’ilay izaho mandeha mianatra? Dia tena manampy ahy hahay hamolaka ny tenako sy hazoto hiasa ve ireny fahazarana tsara ireny? Inona no azoko atao mba hahafehy tena kokoa sy hazoto kokoa aho?’

 Torolalan’ny Baiboly: “Ahazoana tombony foana ny asa mafy rehetra.”​—Ohabolana 14:23.

 Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Ahoana no Handaminako ny Fotoanako?

 Lasa hahay hifandray kokoa amin’olona ianao. Hahay hangoraka sy hahay hanaja olona ianao, rehefa tafaraka foana amin’ny mpiara-mianatra aminao. Izao no noresahin’ny ankizilahy iray atao hoe Joshua: “Tena zava-dehibe hoatran’ny mianatra tantara sy siansa ny mianatra mifandray amin’olona. Hila an’izany foana ianao na izao na rehefa lehibe.” Eritrereto izao: ‘Inona no zavatra nianarako tany am-pianarana momba ny fifandraisana amin’ny olon-kafa, anisan’izany ny olona tsy mitovy fiaviana na kolontsaina na zavatra inoana amiko?’

 Torolalan’ny Baiboly: “Ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.”​—Hebreo 12:14.

 Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Ahoana no Hahaizako Miresaka Kokoa?

 Ho azo antoka kokoa ny hoavinao. Raha mandeha mianatra foana ianao, dia ho hitanao hoe inona no zavatra tena hainao. Ho afaka handinika ianao avy eo hoe inona no tanjona hotratrarinao, arakaraka izay zavatra hainao. Hoy ny ankizivavy iray atao hoe Brooke: “Mety ho afaka hianatra asa mihitsy aza ianao, dia tonga dia afaka miasa rehefa vita ny fianaranao. Izany izao no nataoko.” Eritrereto izao: ‘Inona no asa hataoko rehefa vita ny fianarako? Inona no fianarana azoko atao dieny izao mba ho afaka hanao an’ilay karazana asa eritreretiko aho?’

 Torolalan’ny Baiboly: “Diniho tsara izay andehanan’ny tongotrao.”​—Ohabolana 4:26, fanamarihana ambany pejy.

a Misy koa ankizy tsy alefan’ny ray aman-dreniny any an-tsekoly fa ao an-trano no ampianariny. Betsaka amin’ny torolalana ato amin’ity lahatsoratra ity no mahasoa an’ireny ankizy ireny.

b Novana ny anarana sasany.