Hijery ny anatiny

Tena Misy ve ny Devoly?

Tena Misy ve ny Devoly?

Valiny ara-baiboly

 Eny. Tena misy ny Devoly. Izy no “mpitondra an’izao tontolo izao.” Anjely tsara izy fa lasa ratsy sy nikomy tamin’Andriamanitra. (Jaona 14:30; Efesianina 6:11, 12) Mampiseho ny toetrany ireto anarana sy teny iantsoana azy ireto:

Tsy ny faharatsiana fotsiny ny Devoly

 Misy mino hoe ny faharatsiana ao amin’ny tsirairay i Satana Devoly. Ny Baiboly anefa milaza fa nifampiresaka izy sy Andriamanitra. Andriamanitra ve dia hifampiresaka amin’ny faharatsiana ao aminy, nefa izy aza lavorary? (Deoteronomia 32:4; Joba 2:1-6) Toy izany koa fa tsy nisy ota i Jesosy, nefa lazain’ny Baiboly fa naka fanahy azy ny Devoly. (Matio 4:8-10; 1 Jaona 3:5) Midika izany hoe tena misy ny Devoly, fa tsy ny faharatsiana fotsiny.

 Tsy mahagaga raha maro ny olona tsy mino hoe misy ny Devoly. Milaza mantsy ny Baiboly fa mamitaka ny olona izy mba hanatratrarana ny tanjony. (2 Tesalonianina 2:9, 10) Ataony toy ny jamba, ohatra, ny olona maro ka lasa tsy mino hoe misy izy.—2 Korintianina 4:4.

Hevi-diso hafa momba ny Devoly

Hevi-diso: Antsoina koa hoe Losifera ny Devoly.

 Ny tena marina: Midika hoe “ilay mamirapiratra” ny teny hebreo nadikan’ny Baiboly sasany hoe “Losifera.” (Isaia 14:12) Asehon’ny teny manodidina fa ny tarana-mpanjaka babylonianina no tiana horesahina eo amin’ilay andininy, ary naetrin’Andriamanitra izy ireo satria nirehareha. (Isaia 14:4, 13-20) Natao hanesoana azy ireo tamin’izy ireo resy ilay teny hoe “ilay mamirapiratra.”

Hevi-diso: Miasa ho an’Andriamanitra ny Devoly, ka manampy azy hitsara ny olona.

 Ny tena marina: Fahavalon’Andriamanitra i Satana Devoly fa tsy mpanompony. Manohitra sy miampanga an’ireo olona manompo an’Andriamanitra izy.—1 Petera 5:8; Apokalypsy 12:10.