Hijery ny anatiny

Mandroso Ireo Tetikasa ao Wallkill sy Warwick

Mandroso Ireo Tetikasa ao Wallkill sy Warwick

Mandeha tsara ny fanorenana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ireo toerana roa ireo. Miasa mafy mantsy ireo mpiasa an-tsitrapo na dia lehibe aza ilay tetikasa.

Wallkill, any New York: Misy Vavolombelona 1 600 mahery mipetraka ao. Any no atao pirinty ny boky ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah any Etazonia. Hitarina ilay toerana ka hasiana garazy sy trano fonenana misy rihana telo ho an’ny mpiasa ary trano vaovao misy rihana telo hatao birao. Mpiasa an-tsitrapo ny ankamaroan’ireo mpanao fanorenana. Efa vitan’ireo mpiasa an-tsitrapo ny seza 200 fanampiny ao amin’ny efitra fisakafoana sy ny trano misy ny fitaovana elektrika, tamin’ny 2012.

Biraon’ny sampana no iantsoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny toerana handaminany ny asany. Misy biraon’ny sampana any amin’ny tany maro, ohatra hoe any Brezila sy any Alemaina ary any Meksika. Ny any Etazonia kosa misy ny foibem-pampianarana ao Patterson, sy ireo birao ao Brooklyn, izay samy any New York. Ny any Wallkill no ho lehibe indrindra amin’ny toerana ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, rehefa vita io asa fanitarana io.

Warwick, any New York: Hafindra any ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Efa nesorina ny trano teo amin’ilay toerana. Nahazo tany any Tuxedo, 10 kilaometatra miala eo Warwick, ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hametrahana ireo milina sy fitaovana ilaina amin’ny fanorenana. Nodinihin’ny manam-pahefana ny vokatr’ilay tetikasa eo amin’ny tontolo iainana ka neken’izy ireo ny hanaovana an’ilay izy. Raha vao ekena ny mari-trano, dia hatao ny fangatahana fahazoan-dalana hanao fanorenana. Mbola any Brooklyn, any New York, ihany anefa aloha ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, mandra-pahavitan’izany.