Hijery ny anatiny

Arovana ny Tontolo Iainana any Warwick

Arovana ny Tontolo Iainana any Warwick

Nanomboka nanorina ny foibeny vaovao eo akaikin’ny Farihy Sterling Forest (Farihy Manga) ny Vavolombelon’i Jehovah. Any ambanivohitry ny Fanjakan’i New York no misy azy io. Ahoana no iarovana ny biby sy ny zavamaniry ary ny fonenan’izy ireny, ao amin’io faritra io?

Nanangana fefy manodidina an’ilay toerana fanorenana ireo Vavolombelona, mba tsy hiditra ao ny biby sasany toy ny sokatra sy ny bibilava. Mety haratra mantsy ireny biby ireny raha sendra tafiditra ao. Jerena matetika io fefy io sao misy simba ka hisy biby tafiditra ary hihitsoka ao amin’ilay toerana fanorenana. Hesorina anefa ilay fefy rehefa vita ny fanorenana. Ary ahoana raha sendra misy bibilava mankeny akaiky loatra an’ilay toerana aorian’izay? Hisy olona efa nampiofanina tsara, hamindra azy ireo moramora any an-toeran-kafa.

Vorona fahita any Warwick

Nokapaina tamin’ny ririnina koa ireo hazo mba tsy hanelingelina an’ireo vorona manatody. Hanamboatra tranokely ho an’ireo vorona ny Vavolombelona rehefa vita ny fanorenana mba hisarihana azy ireny hiverina.

Nodiovin-dry zareo sy naravony koa ny faritra sasany, teo anelanelan’ny volana Oktobra sy Martsa, mba ho afaka hiparitaka sy hitsiry ny voan’ny karazana hysopa iray. Atahorana ho lany tamingana mantsy izy io. Marina fa efa hatramin’ny 2007 no tsy nahitana an’io zavamaniry io teo amin’ilay toerana, nefa natao ihany izany.

Betsaka karazana vorondrano sy karazana trondro any amin’ilay farihy. Nifidy teknika tsy manimba ny tontolo iainana ireo mpanorina mba hiarovana an’io farihy io. Anisan’izany, ohatra, ilay hoe asiana zavamaniry eo ambony tafo. Mitroka ny loto amin’ny orana mantsy izy ireny sady mampihena ny rano mitete avy any an-tafontrano. Tsy vitan’izany fa arovana koa ireo zavamaniry eo amin’ny manodidina an’ilay farihy.

Hoy ny Vavolombelona iray, mandray anjara be amin’io fiarovana ny tontolo iainana ao Warwick io: “Tapa-kevitra hiaro ny biby sy ny zavamaniry ary ny fonenan’izy ireny eto Warwick izahay, na dia mitaky fotoana sy fandaminana bebe kokoa aza izany.”