Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Manao Ahoana ny Paoziko?

Manao Ahoana ny Paoziko?

 Nahoana ianao no tokony hifidy tsara ny akanjo anaovanao? Satria mampita hafatra ny akanjo anaovan’ny olona tsirairay. Inona no hafatra ampitain’ny akanjonao?

 Fandrika telo lehibe sy ny fomba hialana amin’izany

Fandrika #1: Manaraka izay lazain’ny haino aman-jery.

 Hoy ny tovovavy iray atao hoe Theresa: “Indraindray aho tia lamaody anankiray, rehefa be dia be ny dokam-barotra momba an’ilay izy. Hoatran’ny tsy ho vitanao ny tsy hanao an’ilay akanjo, rehefa feno sarin’olona manao an’ilay izy ao an-tsainao.”

 Tsy ny ankizivavy ihany no voataonan’ny dokam-barotra. Hoy ny boky The Everything Guide to Raising Adolescent Boys: “Mpanara-damaody koa ny ankizilahy. Mbola kely izy ireny dia efa ataon’ny mpanao dokam-barotra lasibatra.”

 Fomba hialana amin’ilay fandrika: Hoy ny Baiboly: “Mino ny teny rehetra reny ireo mbola tsy dia nandia fiainana, fa ny malina kosa mandinika ny diany.” (Ohabolana 14:15) Mila mandinika tsara àry ianao rehefa mahita dokam-barotra. Raha mahita akanjo mampihanjahanja vatana na manaitaitra, ohatra, ianao ao amin’ny dokam-barotra, dia eritrereto hoe:

  •  ‘Iza no tena hahazo tombony raha manaraka an’io lamaody io aho?’

  •  ‘Ny olona hoatran’ny ahoana no malaza ho manao an’io?’

  •  ‘Tena hoatran’ireny olona ireny ve aho?’

 Soso-kevitra: Diniho tsara ireo dokam-barotra na fandaharana hafa momba ny lamaody, mandritra ny herinandro. Mampirisika ny olona hanana fomba fiaina hoatran’ny ahoana izy ireny? Manery anao an-kolaka hanaraka karazana lamaody iray ve izy ireny? Hoy ny tovovavy iray atao hoe Karen: “Tena tianao ho tsara be ny paozinao sy ny akanjonao. Tianao hampideraina koa ilay bikanao ‘tsara be.’ Fantatry ny mpanao dokam-barotra izany dia mora amin-dry zareo ny mikendry ny tanora.”

Fandrika #2: Manara-damaody fa mba te ho tian’ny olona fotsiny.

 Hoy ilay tovolahy atao hoe Manuel: “Raha vao misy akanjo lasa lamaody, dia manao an’iny daholo ny ankizy. Esoesoin’ny olona ianao raha vao tsy manao.” Izany koa no tsapan’i Anna. Hoy izy: “Tsy tena hoe te hanara-damaody ianao, fa mba te ho tian’ny olona fotsiny.”

 Fomba hialana amin’ilay fandrika: Hoy ny Baiboly: “Aza manaiky intsony hovolavolain’ity tontolo ity.” (Romanina 12:2) Jereo daholo àry ny akanjonao dia eritrereto hoe:

  •  ‘Inona no tena mahatonga ahy hifidy an’ireto akanjo ireto?’

  •  ‘Zava-dehibe amiko ve ny hoe manana akanjo misy marika malaza?’

  •  ‘Te hisongadina ve aho matoa mifidy an’ireto akanjo ireto?

 Soso-kevitra: Aza mieritreritra hoe tsy manana afa-tsy ireto safidy roa ireto ianao: Na ara-damaody ny akanjonao (dia tian’ny namanao ianao) na tsy ara-damaody (dia ailikiliky ny olona ianao). Mbola misy mantsy ny safidy fahatelo: Matoky tena ianao, dia tsy tena misy vokany aminao ny hevitry ny hafa. Raha matoky ianao hoe mety ny akanjonao, dia tsy hiasa saina be loatra ianao hoe ho tian’ny namanao sa tsia.

Fandrika #3: Mieritreritra hoe vao mainka tsara ny akanjo rehefa manaitaitra.

 Hoy ny ankizivavy atao hoe Jennifer: “Tsoriko aloha fa indraindray aho te hanao akanjo manaitaitra, ohatra hoe fohy loatra na tery loatra na mifinjifinjy.”

 Fomba hialana amin’ilay fandrika: Hoy ny Baiboly: “Aoka ny haingonareo tsy ho zavatra ivelany ... fa aoka kosa ho ilay toetra miafina ao am-po.” (1 Petera 3:3, 4) Saintsaino hoe inona no manintona kokoa: Akanjo misarika maso sa toetra mahatehotia?

 Soso-kevitra: Ny akanjo maotina no lamaody tsara indrindra. Marina fa tsy be mpitia izany ankehitriny. Diniho anefa izao:

 Ianao ve efa niresaka tamin’olona be resaka, sady ny momba azy foana no resahiny? Mampalahelo fa tsy ao an-tsainy mihitsy hoe tsy miraharaha anao izy amin’izany.

Toy ny resaka ny akanjo. Raha misarika ny sain’ny olona amin’ny tenanao ilay izy, dia lasa tsy tian’ny olona ny miaraka aminao

 Mitovy amin’io olona io ianao raha tsy maotina ny akanjonao. Toa te hilaza ianao hoe: ‘Izaho jerena.’ Mety ho tsapan’ny olona avy amin’izany hoe tsy matoky tena ianao na tsy miraharaha afa-tsy ny tenanao, na izy roa mitambatra. Hoatran’ny hoe tianao hifantoka aminao koa ny olon-drehetra, eny fa na dia ny olon-dratsy aza.

 Miezaha hanao akanjo maotina toy izay hanao dokam-barotra zavatra tsy amidy akory. Hoy ny tovovavy iray atao hoe Monica: “Tsy hoe manao akanjona Raneny akory no atao hoe maotina, fa manao akanjo mampiseho hoe manaja ny tenanao sy ny manodidina anao ianao.”