Hijery ny anatiny

Fahotana ve ny Miloka?

Fahotana ve ny Miloka?

Valiny ara-baiboly

 Tsy miresaka ny tsipiriany momba ny filokana ny Baiboly. Hita amin’ireo toro lalana ao anatiny anefa fa fahotana izany amin’Andriamanitra.—Efesianina 5:17. a

  •   Inona no mahatonga ny olona iray hiloka? Ny faniriana tsy mety afa-po. Halan’Andriamanitra anefa io toetra io. (1 Korintianina 6:9, 10; Efesianina 5:3, 5) Vola vokatry ny fahavoazan’ny hafa no antenain’ny mpiloka ho azo. Lazain’ny Baiboly anefa fa tsy mety ny mitsiriritra fananan’olona.—Eksodosy 20:17; Romanina 7:7; 13:9, 10.

  •   Mety ho lasa tia vola ny olona iray miloka, na dia vola kely aza no ilokany. Manimba anefa ny fitiavam-bola.—1 Timoty 6:9, 10.

  •   Matetika ny mpiloka no minomino foana na mino ny vintana. Amin’Andriamanitra anefa, dia mpanompo sampy ny olona mino ny vintana. Tsy afaka ny hanompo sampy sady hanompo an’Andriamanitra ny olona iray.—Isaia 65:11.

  •   Milaza ny Baiboly hoe ilaina ny miasa mafy, fa tsy manantena ny hahazo zavatra fotsiny amin’izao nefa tsy misasatra. (Mpitoriteny 2:24; Efesianina 4:28) Afaka ‘mihinana izay nisasarany’ kosa ny olona iray manaraka ny torohevitry ny Baiboly.—2 Tesalonianina 3:10, 12.

  •   Mety hahatonga ny olona ho tia mifaninana ny miloka. Milaza anefa ny Baiboly fa ratsy izany toe-tsaina izany.—Galatianina 5:26.

a Indray mandeha ihany ny Baiboly no miresaka momba ny filokana. Voalaza ao fa nanaovan’ny miaramila romanina antsapaka na “nilokany” ny fitafian’i Jesosy.—Matio 27:35; Jaona 19:23, 24, Fandikan-teny Protestanta.