Hijery ny anatiny

Nahoana ny Soron’i Jesosy no Lazaina fa “Avotra Hisolo ny Maro”?

Nahoana ny Soron’i Jesosy no Lazaina fa “Avotra Hisolo ny Maro”?

Valiny ara-baiboly

 Nanome an’i Jesosy ho sorona Andriamanitra mba hanafahana na hanavotana ny olona amin’ny ota sy ny fahafatesana. Avotra na vidim-panavotana no iantsoan’ny Baiboly ny ran’i Jesosy. (Efesianina 1:7; 1 Petera 1:18, 19) Nilaza àry i Jesosy fa tonga mba “hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro” izy.—Matio 20:28, Fandikan-teny Protestanta.

Nahoana no nilaina ny “avotra”?

 Lavorary na tsy nisy ota i Adama, ilay lehilahy voalohany, tamin’ny vao noforonina. Afaka ny hiaina mandrakizay àry izy. Ninia tsy nankatò an’Andriamanitra anefa izy ka voaheloka ho faty. (Genesisy 3:17-19) Lasa mpanota izy, ary nandova ota koa ny taranany. (Romanina 5:12) Izany no mahatonga ny Baiboly hilaza fa ‘namidin’i’ Adama ho andevon’ny ota sy ny fahafatesana ny tenany sy ny taranany. (Romanina 7:14) Tsy lavorary daholo ny taranak’i Adama, ka tsy misy afaka ny hahazo indray an’izay nafoiny.—Salamo 49:7, 8.

 Nampalahelo an’Andriamanitra àry ny taranak’i Adama. (Jaona 3:16) Manaja ny fitsipiny momba ny rariny foana anefa Andriamanitra, ka tsy afaka ny tsy hiraharaha na hanala tsiny ny fahotan’izy ireo fotsiny. (Salamo 89:14; Romanina 3:23-26) Tiany ny olona ka nanome ny “avotra” izy. Tsy vitan’ny hoe ho voavela heloka izy ireo amin’izay, fa ho foana koa ny fahotany.—Romanina 5:6-8.

Inona no dikan’ny hoe “avotra”?

 Ireto zavatra telo ireto no tiana holazaina amin’io teny io ao amin’ny Baiboly:

  1.   Vola izy io na zavatra aloa.Nomery 3:46, 47.

  2.   Manafaka izy io na manavotra.—Eksodosy 21:30.

  3.   Mifandanja amin’ilay zavatra hovidina izy io, na manarona an’ilay izy. a

 Ahoana no ampiharana an’ireo famaritana telo ireo amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy?

  1.   Zavatra aloa. Milaza ny Baiboly fa “voavidy” ny Kristianina. (1 Korintianina 6:20; 7:23) Ny ran’i Jesosy no ‘nividianany ho an’Andriamanitra, olona avy tamin’ny foko sy fiteny sy vahoaka ary firenena rehetra.’—Apokalypsy 5:8, 9.

  2.   Manafaka. ‘Manafaka’ ny olona amin’ny ota ny soron’i Jesosy.—1 Korintianina 1:30; Kolosianina 1:14; Hebreo 9:15.

  3.   Mifandanja. Aina lavorary no nafoin’i Adama, ary mifandanja tanteraka amin’izany ny soron’i Jesosy. (1 Korintianina 15:21, 22, 45, 46) Hoy ny Romanina 5:19: “Tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota noho ny tsy nankatoavan’ny olona iray [Adama], no hahatongavan’ny maro ho marina noho ny nankatoavan’ny olona iray [Jesosy Kristy].” Ahafahana manavotra mpanota maro be àry ny nahafatesan’ny olona iray. Nanolotra ny tenany ho “vidim-panavotana mifandanja” tokoa i Jesosy, “mba hamonjena ny olona rehetra”, dia ireo vonona hanao izay takiny.—1 Timoty 2:5, 6.

a Midika hoe zava-tsarobidy na vola aloa ny teny tany am-boalohany nadika hoe “avotra” na “vidim-panavotana” ao amin’ny Baiboly. “Manarona”, ohatra, no dikan’ny teny hebreo hoe kafar, ary ampiasaina matetika amin’ny resaka ota izy io. (Salamo 65:3, f.a.p.) Kôfer kosa no ilazana ny vidiny aloa mba hahafahana manarona na manafaka. (Eksodosy 21:30) Ny teny grika hoe lytrôn indray adika matetika hoe “avotra”, nefa azo adika koa izy io hoe “vidim-panavotana.” (Matio 20:28, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao) Mampiasa an’io teny io ny mpanoratra grika hilazana ny vola naloa mba hanafahana babo an’ady na andevo.