Hijery ny anatiny

Inona ny Famantarana ny “Andro Farany”?

Inona ny Famantarana ny “Andro Farany”?

Valiny ara-baiboly

 Resahin’ny Baiboly ny famantarana hoe “efa akaiky ny faran’izao tontolo izao.” (Matio 24:3) Lazainy, ohatra, hoe inona avy no hitranga, hanao ahoana ny fiainana, ary hoatran’ny ahoana ny toetran’ny olona. Antsoin’ny Baiboly hoe “andro farany” na “fotoanan’ny farany” io vanim-potoana io.​—2 Timoty 3:1; Daniela 8:19.

Inona ny zavatra sasany lazain’ny Baiboly fa hitranga amin’ny “andro farany”?

 Efa nilaza mialoha ny Baiboly hoe hisy zavatra maromaro hiaraka hitranga, dia izay no ho “famantarana” ny andro farany. (Lioka 21:7) Ireto misy ohatra vitsivitsy:

 Hisy ady eran-tany. Hoy i Jesosy: “Hisy firenena hiady amin’ny firenena, ary hisy fanjakana hiady amin’ny fanjakana.” (Matio 24:7) Nilaza koa ny Apokalypsy 6:4 hoe hisy mpitaingin-tsoavaly an’ohatra “hanala ny fandriampahalemana eto an-tany”, ary ady no tiany holazaina amin’izany.

 Hisy mosary. Nilaza i Jesosy hoe “hisy mosary.” (Matio 24:7) Niresaka momba ny mpitaingin-tsoavaly iray hafa koa ny bokin’ny Apokalypsy, ary mosary any amin’ny toerana samihafa no tiany holazaina amin’ilay izy.​—Apokalypsy 6:5, 6.

 Hisy horohoron-tany lehibe. Nilaza i Jesosy fa hisy “horohoron-tany any amin’ny toerana samihafa.” (Matio 24:7; Lioka 21:11) Ho betsaka lavitra noho ny hatramin’izay ny olona mijaly sy maty vokatr’ireo horohoron-tany lehibe ireo.

 Hisy aretina. Nilaza i Jesosy hoe hisy “areti-mandringana.”​—Lioka 21:11.

 Hitombo ny heloka bevava. Na dia efa nisy foana aza ny heloka bevava nandritra ny taonjato maro, dia nilaza i Jesosy hoe “hihabetsaka ny mpandika lalàna” amin’ny andro farany.​—Matio 24:12.

 Hanimba ny tany ny olona. Efa nilaza mialoha ny Apokalypsy 11:18 hoe ‘hanimba ny tany’ ny olombelona. Be dia be ny fomba anaovan’izy ireo an’izany. Tsy vitan’ny hoe manao zavatra ratsy isan-karazany izy ireo fa manimba ny tontolo iainana koa.

 Hiharatsy toetra ny olona. Nilaza ny Baiboly ao amin’ny 2 Timoty 3:1-4 hoe ny olona “tsy hahay hankasitraka, ho mora mivadika, ... tsy ho azo ifanarahana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara, ho mpamadika, ho mafy loha, hirehareha.” Tena ho tafahoatra ny fomba hampisehoan’ny olona an’ireo toetra ireo, ka izany no mahatonga an’io vanim-potoana io hantsoina hoe “fotoan-tsarotra tsy mora atrehina.”

 Hisara-bazana ny fianakaviana. Efa nilaza mialoha ny Baiboly ao amin’ny 2 Timoty 3:2, 3 hoe betsaka no “tsy ho tia ny mpianakaviny”, ary “tsy hankatò ray aman-dreny” ny ankizy.

 Hihena ny fitiavan’ny olona an’Andriamanitra. Hoy i Jesosy: “Hihalefy ny fitiavan’ny olona maro.” (Matio 24:12) Ny tiany holazaina dia hoe ho lasa tsy tia an’Andriamanitra ny ankamaroan’ny olona. Resahin’ny 2 Timoty 3:4 hoe “ho tia fahafinaretana” ireny olona ireny “fa tsy ho tia an’Andriamanitra.”

 Hihatsaravelatsihy ny mpivavaka. Efa nilaza mialoha ny Baiboly ao amin’ny 2 Timoty 3:5 fa mody hiseho hoe manompo an’Andriamanitra ny olona nefa tsy tena hanaraka ny fitsipiny akory.

 Hazava kokoa ny hevitry ny faminanian’ny Baiboly. Nilaza ny bokin’i Daniela fa amin’ny “fotoanan’ny farany”, dia hitombo be ny fahalalan’ny olona ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. (Daniela 12:4, fanamarihana ambany pejy) Tafiditra amin’izany ny hoe ho marina tsara ny fahazoany an’ireo faminaniana voalaza ao.

 Hotorina eran-tany ny vaovao tsara. Hoy i Jesosy: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay Fanjakana ity.”​—Matio 24:14.

 Tsy ho rototra ny olona sady haneso. Efa nilaza mialoha i Jesosy fa tsy hiraharaha ny ankamaroan’ny olona, na dia efa miharihary be aza ny porofo hoe efa akaiky ny farany. (Matio 24:37-39) Tsy izay ihany, fa nilaza koa ny 2 Petera 3:3, 4 hoe hihomehezan’ny olona ireny porofo ireny sady holazainy hoe tsy midika na inona na inona.

 Ho tanteraka daholo ny faminaniana. Nilaza i Jesosy fa hiaraka ho tanteraka daholo ireo faminaniana rehetra ireo amin’ny andro farany, fa tsy hoe ny sasany aminy fotsiny na hoe ny ankamaroany.​—Matio 24:33.

Efa “andro farany” ve izao?

 Eny. Rehefa jerena ny zava-misy eran-tany sy ny fanisan-taona ao amin’ny Baiboly, dia hita fa tamin’ny taona nanombohan’ny Ady Lehibe I no nanomboka ny andro farany, izany hoe tamin’ny 1914. Jereo ity video ity raha tianao ho fantatra hoe nahoana ny zava-misy eran-tany no manaporofo fa efa andro farany izao:

 Nanomboka nanjaka tany an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny 1914. Inona no nataon’izy io voalohany? Noroahiny avy any an-danitra i Satana Devoly sy ny demonia, ka etỳ an-tany ihany sisa izy ireo no afaka manao ny asany. (Apokalypsy 12:7-12) Hita amin’ny toe-tsain’ny olona sy ny zavatra ratsy ataony fa i Satana no mifehy azy ireo. Izany no mahatonga ny andro farany ho “fotoan-tsarotra tsy mora atrehina.”​—2 Timoty 3:1.

 Be dia be no kivy noho izao fotoan-tsarotra iainantsika izao. Manahy izy ireo satria lasa tsy mahay miara-monina intsony ny olona. Misy mihitsy aza matahotra hoe hifandripaka ny olombelona dia tsy hisy intsony amin’ny farany.

 Misy koa anefa, etsy an-danin’izany, ireo manantena hoavy tsara na dia mahakivy azy aza ny zava-misy eran-tany. Resy lahatra mantsy izy ireo hoe kely sisa dia hanao zavatra ny Fanjakan’Andriamanitra mba hanesorana ny olana rehetra mahazo ny olombelona. (Daniela 2:44; Apokalypsy 21:3, 4) Miandry ny hanatanterahan’Andriamanitra ny fampanantenany izy ireo, ary ity tenin’i Jesosy ity no mampahery azy: “Izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.”​—Matio 24:13; Mika 7:7.