Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Ratsy ve ny Firaisan’ny Samy Lehilahy na Samy Vehivavy?

Ratsy ve ny Firaisan’ny Samy Lehilahy na Samy Vehivavy?

 “Anisan’ny tena mafy be tamiko, rehefa nihalehibe aho, dia ilay izaho te hiaraka amin’ankizilahy fa tsy amin’ankizivavy. Nieritreritra aho hoe mandalo fotsiny ilay izy, nefa hatramin’izao aho mbola miady mafy amin’izany faniriana izany foana.”—David, 23.

 Kristianina i David, ary te hampifaly an’Andriamanitra. Izy koa anefa te hiaraka amin’ny lehilahy. Afaka ny hampifaly an’Andriamanitra ve izy raha izany? Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy?

 Inona no lazain’ny Baiboly?

 Mety ho samy manana ny heviny momba ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy ny olona, arakaraka ny kolontsainy. Miovaova koa ny hevitry ny olona arakaraka ny fotoana. Tsy manaraka izay hevitra tian’ny besinimaro anefa ny Kristianina, na “havezivezin’izao karazan-drivotry ny fampianarana rehetra izao.” (Efesianina 4:14) Ny fitsipika ao amin’ny Baiboly kosa no arahiny, raha ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy (sy ny fitondran-tena hafa) no resahina.

 Mazava ny lazain’ny Baiboly momba ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Izao no voalaza ao:

  •  “Aza manao firaisana amin’ny lehilahy toy ny fanaovana firaisana amin’ny vehivavy.”—Levitikosy 18:22.

  •  “Navelan’Andriamanitra hanao fahalotoana araka ny fanirian’ny fony izy ireo, ... [ary] hanaraka ny filan’ny nofo mahafa-baraka, fa nanova ny fanao voajanahary ho amin’ny fanao tsy voajanahary ny vehivavy teo aminy.”—Romanina 1:24, 26.

  •  “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Fa na mpijangajanga, na mpanompo sampy, na mpanitsakitsa-bady, na lehilahy manaiky hanaovan-dehilahy firaisana, na lehilahy miray amin’ny lehilahy, na mpangalatra, na olona manana faniriana tsy mety afa-po, na mpimamo, na mpanevateva, na mpanao an-keriny, dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra.”—1 Korintianina 6:9, 10.

 Mihatra amin’ny olona rehetra ireo fitsipik’Andriamanitra ireo, na lehilahy no tian’ilay olona hanaovana firaisana na vehivavy. Tsy maintsy mifehy tena àry izay maniry mafy hanao zavatra tsy mampifaly an’Andriamanitra.—Kolosianina 3:5.

 Midika ve izany hoe...?

 Midika ve izany hoe mampirisika antsika hankahala lehilahy miray amin’ny lehilahy ny Baiboly?

 Tsia. Tsy mampirisika antsika hankahala na iza na iza ny Baiboly, na lehilahy no tiany hanaovana firaisana na vehivavy. Asainy kosa isika ‘hanao izay hihavanana amin’ny olon-drehetra’, na manao ahoana na manao ahoana ny fitondran-tenany. (Hebreo 12:14) Tsy mety àry ny mihetraketraka na mankahala na mampijaly lehilahy miray amin’ny lehilahy.

 Midika ve izany hoe tokony hanohitra ny lalàna mamela ny lehilahy hanambady lehilahy ny Kristianina?

 Milaza ny Baiboly hoe lehilahy iray sy vehivavy iray no nataon’Andriamanitra ho mpivady, ary izy roa ihany no afaka manao firaisana. (Matio 19:4-6) Resaka politika ny adihevitra momba ny lalàna hoe afaka mivady ny lehilahy samy lehilahy. Tsy tokony hanao politika anefa ny Kristianina. (Jaona 18:36) Tsy manohana na manohitra lalàn’ny fanjakana momba ny lehilahy manambady lehilahy na lehilahy miray amin’ny lehilahy àry ny Kristianina.

 Ahoana anefa raha...?

 Ahoana anefa raha efa miray amin’ny lehilahy ny lehilahy iray? Afaka miova ve izy?

 Eny. Nisy niova, ohatra, ny lehilahy nanao hoatr’izany tamin’ny taonjato voalohany. Resahin’ny Baiboly hoe tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra ny lehilahy miray amin’ny lehilahy. Hoy koa anefa izy io: “Efa toy izany ihany ny sasany aminareo.”—1 Korintianina 6:11.

 Midika ve izany hoe rehefa tsy miray amin’ny lehilahy intsony ny lehilahy iray, dia tsy manana faniriana hanao an’ilay izy intsony izy? Tsia. Hoy ny Baiboly: “Tafio ny toetra vaovao, izay havaozina tsikelikely amin’ny alalan’ny fahalalana marina tsara.” (Kolosianina 3:10) Mandeha tsikelikely àry ilay fiovana.

 Ahoana raha te hanaraka ny fitsipik’Andriamanitra ny lehilahy iray, nefa izy mbola maniry mafy hiray amin’ny lehilahy ihany?

 Samy afaka mifidy ny hifehy ny fanirian-dratsy ny olona tsirairay. Amin’ny fomba ahoana? Hoy ny Baiboly: “Mandehana hatrany araka ny fanahy, dia tsy hahatanteraka ny fanirian’ny nofo mihitsy ianareo.”—Galatianina 5:16.

 Mariho fa tsy milaza ilay andinin-teny hoe tsy hanana fanirian-dratsy mihitsy ilay olona. Rehefa zatra mianatra Baiboly sy mivavaka tsy tapaka anefa izy, dia hahavita hanohitra an’ireny faniriana ireny.

 Hitan’i David, ilay voaresaka tetsy aloha, fa marina izany, indrindra rehefa avy niresaka an’ilay olana tamin’ny ray aman-dreniny kristianina izy. Hoy izy: “Tena nahatsapa maivamaivana aho. Tahaka izay aho sahy niresaka tamin-dry zareo taloha kokoa, dia mba efa nilamin-tsaina hoatr’izay.”

 Sambatra kokoa izay manaraka ny fitsipik’i Jehovah. Matoky izy ireo fa ‘mahitsy sy mahafaly ny fo’ izy ireny, ary “ahazoana valisoa lehibe ny fitandremana azy.”—Salamo 19:8, 11.