Hijery ny anatiny

Firy ny Anaran’Andriamanitra?

Firy ny Anaran’Andriamanitra?

Valiny ara-baiboly

 Iray ihany ny anaran’Andriamanitra. Soratana hoe יהוה izy io amin’ny teny hebreo, ary atao hoe “Jehovah” amin’ny teny malagasy. a Hoy Andriamanitra: “Izaho no Jehovah! Izany no anarako.” (Isaia 42:8) Miverina efa ho im-7000 io anarana io, ao amin’ny Baiboly sora-tanana fahiny. Ary be dia be izany raha oharina amin’ny teny hafa ilazana an’Andriamanitra na anaran’olon-kafa ao amin’ny Baiboly. b

Misy anarana hafa iantsoana an’Andriamanitra ve?

 Lazain’ny Baiboly hoe iray ihany no anaran’Andriamanitra. Ahitana anaram-boninahitra sy teny maro ilazana ny toetrany anefa ao amin’ny Baiboly. Ireto avy ny sasany amin’izany:

Anaram-boninahitra

Andinin-teny

Dikany

Alfa sy Omega

Apokalypsy 1:8; 21:6; 22:13

“Ny voalohany sy ny farany”, na “ny fiandohana sy ny fiafarana”, ary midika hoe tsy nisy Andriamanitra Mahery Indrindra talohan’i Jehovah, ary tsy hisy koa aoriany. (Isaia 43:10) Ny litera voalohany sy farany amin’ny abidy grika ny hoe alfa sy omega.

Allah

(Tsy misy)

Avy amin’ny teny arabo ny hoe “Allah.” Tsy anaran-tsamirery anefa izy io, fa anaram-boninahitra midika hoe “Andriamanitra.” “Allah” àry no teny ilazana an’Andriamanitra, ao amin’ny Baiboly amin’ny teny arabo sy amin’ny fiteny hafa.

Andriamanitra

Genesisy 1:1

Ivavahana; Mahery. Teny milaza maro ilay teny hebreo hoe ʼElôhim ampiharina amin’i Jehovah, satria ilazana ny fahamboniany sy ny fahatsarany ary ny fahamendrehany.

Andriamanitra falifaly

1 Timoty 1:​11

Falifaly sy sambatra.​—Salamo 104:31.

Andriamanitry ny andriamanitra

Deoteronomia 10:17

Ilay Andriamanitra fara tampony, izay tsy hoatran’ireo “andriamanitra tsy misy dikany” ivavahan’ny olona sasany.​—Isaia 2:8.

Avo Indrindra

Salamo 47:2

Ilay fara tampony.

Be Voninahitra Mpanao ny olona

Salamo 149:2

Nampisy an’izao rehetra izao.​—Apokalypsy 4:​11.

Fara Tampony

Daniela 7:​18, 27

Mpanjaka ambony indrindra.

Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be

Daniela 7:​9, 13, 22

Tsy nanam-piandohana; efa nisy foana talohan’ny zavaboary hafa rehetra.​—Salamo 90:2.

Izaho Izay Izy

Eksodosy 3:​14, Fandikan-teny Protestanta

Afaka manao izay rehetra ilaina mba hanatanterahana ny fikasany. Nadika koa izy io hoe: “Hoporofoiko fa Izaho Ilay Mahavita Izay Iriko.” (Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao) Izany no manazava ny dikan’ny anaran-tsamirery hoe Jehovah resahin’ny andininy manaraka.​—Eksodosy 3:​15.

Mahery Indrindra

Genesisy 17:1

Manana hery tsy hay tohaina. Hita impito ao amin’ny Baiboly ny teny hebreo hoe ʼEl Shaddai, izay midika hoe “Andriamanitra Mahery Indrindra.”

Masina Indrindra

Ohabolana 9:​10

Masina sy madio kokoa noho ny zavaboary hafa rehetra.

Mpamonjy

Isaia 45:21

Mpanafaka amin’ny loza na fandringanana.

Mpamorona

Isaia 40:28

Nampisy ny zava-drehetra.

Mpampianatra Be Voninahitra

Isaia 30:20, 21

Mpanome fampianarana sy tari-dalana mahasoa.​—Isaia 48:17, 18.

Mpanavotra

Isaia 41:14; Fandikan-teny Protestanta

Nanavotra ny olombelona amin’ny ota sy ny fahafatesana, rehefa nomeny ho sorom-panavotana i Jesosy Kristy.​—Jaona 3:​16.

Mpanefy

Isaia 64:8

Manana fahefana amin’ny olona sy ny firenena, hoatran’ny mpanefy tanimanga izay manana fahefana amin’ny tanimanga.​—Romanina 9:​20, 21.

Mpanjakan’ny mandrakizay

Apokalypsy 15:3

Manana ny fahefana fara tampony izy hatramin’izay ka ho mandrakizay.

Mpiandry

Salamo 23:1

Mikarakara ny mpanompony.

Mpihaino vavaka

Salamo 65:2

Mihaino ny vavaka ataon’izay rehetra mino azy.

Ray

Matio 6:9

Mpanome aina.

Saro-piaro

Eksodosy 34:14, Fandikan-teny Protestanta

Tsy milefitra mihitsy raha misy mandrafy azy. Nadika koa izy io hoe “mitaky ny hanompoana azy irery ihany.”​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

Tompo

Salamo 135:5

ʼAdôhn sy ʼAdônim amin’ny teny hebreo.

Tompo Fara Tampony

Genesisy 15:2

Manana fahefana fara tampony; ʼAdônai amin’ny teny hebreo.

Tompon’ny maro

Isaia 1:9, Fandikan-teny Protestanta; Romanina 9:​29, Fandikan-teny Protestanta

Mpifehy anjely maro be. Azo adika koa hoe “Jehovah Tompon’ny tafika” na “Andriamanitry ny tafika” ilay anaram-boninahitra hoe “Tompon’ny maro.”​—Romanina 9:​29, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao; Fandikan-teny Katolika.

Vatolampy

Salamo 18:​2, 46

Fialofana sy mpamonjy.

Anaran-toerana ao amin’ny Soratra Hebreo

 Misy ny anaran’Andriamanitra ny anaran-toerana sasany ao amin’ny Baiboly, nefa tsy hoe anarana hafa iantsoana an’Andriamanitra ireny.

Anaran-toerana

Andinin-teny

Dikany

Jehovah-jire

Genesisy 22:13, 14

“Hanome i Jehovah.”

Jehovah-nisỳ

Eksodosy 17:15

“Tsato-kazo Famantarana ho Ahy i Jehovah” na “ny Tompo Fanevako.” (Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara) Afaka manatona an’i Jehovah ny olony, mba hahazoana fiarovana sy fanampiana.—Eksodosy 17:13-​16.

Jehovah-saloma

Mpitsara 6:23, 24

“I Jehovah dia Fiadanana.”

Nahoana no ilaina ny mahalala sy mampiasa ny anaran’Andriamanitra?

  •   Zava-dehibe amin’Andriamanitra ilay anarany hoe Jehovah, matoa izy io miverina in’arivony ao amin’ny Baiboly.​—Malakia 1:​11.

  •   Nasongadin’i Jesosy Zanak’Andriamanitra foana koa hoe zava-dehibe ilay anaran’Andriamanitra. Nivavaka tamin’i Jehovah izy, ohatra, hoe: “Hohamasinina anie ny anaranao!”​—Matio 6:9; Jaona 17:6.

  •   Rehefa mahalala sy mampiasa ny anaran’Andriamanitra ny olona iray, dia manomboka minamana amin’i Jehovah. (Salamo 9:​10; Malakia 3:​16) Nampanantena Andriamanitra fa handray soa ireo namany. Hoy izy: “Satria izaho no niraiketan’ny fony dia hanafaka azy aho. Harovako izy, satria nanjary nahalala ny anarako.”​—Salamo 91:14.

  •   Hoy ny Baiboly: ‘Misy ireo antsoina hoe “andriamanitra”, na any an-danitra na eto an-tany, toy ny isian’ny “andriamanitra” maro sy “tompo” maro.’ (1 Korintianina 8:​5, 6) Resahin’ny Baiboly koa anefa fa Jehovah no anaran’ilay tena Andriamanitra.​—Salamo 83:18.

a Misy manam-pahaizana momba ny teny hebreo milaza hoe “Yahveh” na “Iaveh” no anaran’Andriamanitra.

b Miseho in-50 eo ho eo ao amin’ny Baiboly ny hoe “Jah”, izay fanafohezana ny hoe Jehovah. Misy hoe “Jah” koa ny teny hoe “Haleloia” na “Aleloia”, izay midika hoe “Miderà an’i Jah.”—Apokalypsy 19:1; Fandikan-teny Protestanta; Fandikan-teny Katolika.