Hijery ny anatiny

NISY NAMORONA VE?

Ny Fahaizan’ny Lalitra Manidina

Ny Fahaizan’ny Lalitra Manidina

 Tsapan’ireo rehetra nanandrana nikapoka lalitra fa sarotra ny manao an’izany. Kinga be mantsy izy ireny ka mitsoaka haingana isaky ny misy mitady hisambotra azy.

 Hitan’ny mpahay siansa fa misy karazana lalitra iray afaka mivily tampoka hoatran’ny fiaramanidina mpiady, saingy ao anatin’ny ampahan-tsegondra no anaovany an’izany. Tsy inona izany fa ny lalitra mpihinam-boankazo. Vao teraka izy ireny dia efa “mahay manidina be”, hoy ny Profesora Michael Dickinson. Milaza izy fa “hoatran’ny hoe misy zazakely vao teraka apetraka ao anaty fiaramanidina mpiady ary tonga dia hainy ny mitondra azy.”

 Nisy mpikaroka naka video lalitra manidina ary nahita fa akopany in-200 isan-tsegondra ny elany. Na dia mikopaka indray mandeha fotsiny aza anefa ny elany, dia efa afaka mivily ny vatany ary afaka mitsoaka izy.

 Ary hoatran’ny ahoana ny hakingan’ny atidohany? Hitan’ny mpikaroka hoe haingana be ny fiasan’ny atidohany, satria avo 50 heny amin’ny hafainganan’ny pimaso izany. Hoy i Dickinson: “Mahavita manao kajy tena sarotra ao anatin’ny fotoana fohy ilay lalitra mba hahafahany mamantatra hoe aiza no misy an’ilay loza ary tokony hivily aiza izy mba hialana amin’izany.”

 Ahoana no ahafahan’ny atidoha kelin’ny lalitra mpihinam-boankazo manao an’izany? Mbola eo am-pikarohana ny valin’izany ny manam-pahaizana hatramin’izao.

Miova lalana ao anatin’ny ampahan-tsegondra ny lalitra mpihinam-boankazo mba hialana amin’ny loza

 Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona (na fiovana miandalana) ve ny fahaizan’ny lalitra mpihinam-boankazo manidina, sa nisy namorona?