Hijery ny anatiny

Nahafoy Tena Izy Ireo: Guyana

Nahafoy Tena Izy Ireo: Guyana

 Mipetraka any Etazonia i Joshua ary efa nanitatra faritany tany Guyana. Hoy izy: “Tsy misy teny mahalaza ny fifaliana tsapan’ny mpanitatra faritany!” Betsaka ny olona te hahalala momba an’i Jehovah any amin’io firenena any Amerika Atsimo io, ka faly be hoatran’i Joshua koa ny Vavolombelon’i Jehovah maro manompo any. a Inona no azontsika ianarana avy amin’ireny mpanitatra faritany ireny? Nahoana izany no hanampy anao raha te hanitatra faritany any an-tany hafa ianao?

Inona no nandrisika azy ireo hifindra?

Linel

 Avy any Etazonia ny Rahalahy Linel ary nitory tany amin’ny faritany tsy voasa matetika tany izy, talohan’ny nifindrany tany Guyana. Hoy izy: “Mpitory 20 izahay no nasaina hitory tany ambanivohitr’i Virginie Andrefana, nandritra ny tapa-bolana. Nanova ny fiainako ilay fitoriana sy ilay fiarahana nahafinaritra tany. Vao mainka aho te hanompo an’i Jehovah araka izay vitako.”

Erica sy Garth

 Nieritreritra ny hanitatra faritany any an-tany hafa koa ny mpivady iray atao hoe Garth sy Erica. Nifidy ny ho any Guyana izy ireo. Nahoana? Nanazava i Erica hoe: “Nisy mpivady namanay nanitatra tany. Lasa te ho any koa izahay rehefa nahita an-dry zareo nafana fo erỳ sady tia be an’ilay tany.” Nanompo nandritra ny telo taona tany Guyana i Erica sy Garth ary milaza izy mivady hoe tena tiany iny fanendrena azy tany iny. Hoy i Garth: “Nanandrana nitory tany an-tany hafa izahay, dia hitanay hoe tsara ilay izy.” Nanao Sekolin’i Gileada izy mivady tatỳ aoriana ary manompo any Bolivia izy ireo izao.

Mahafinaritra ny mpanitatra faritany ny miresaka momba ny Baiboly amin’olona

Inona no fiomanana nataon’izy ireo?

 Mampirisika antsika hanana fiainana tsotra ny Baiboly. (Hebreo 13:5) Ampirisihiny koa isika mba handinika ny amin’izay ho lany rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe. (Lioka 14:26-33) Anisan’ny fanapahan-kevitra lehibe ny hoe mifindra any an-tany hafa. Hoy i Garth: “Tsy maintsy nanatsotra ny fiainanay izahay sy Erica, talohan’ny nifindranay ho any Guyana. Namidinay ilay orinasanay sy ny tranonay ary ny entana tsy nilainay ary afaka taona vitsivitsy ireo vao lafo daholo. Notadidinay foana ilay tanjonay hoe hanitatra any Guyana, dia nankany foana izahay isan-taona mba tsy ho lefy ilay fanirianay hanitatra any.”

Sinead and Paul

 Mila eritreretina koa ny momba ny asa fivelomana. Afaka miasa any amin’ilay tany anitarany ny mpanitatra sasany satria mamela azy hiasa any ny lalàna ao amin’ilay tany. Misy koa manohy ny asa efa fanaony fa mampiasa Internet sy ordinatera. Ny hafa indray mody tsindraindray any amin’ny taniny mba hiasa. Nody tany Irlandy isan-taona, ohatra, ny mpivady iray atao hoe Paul sy Sinead mba hiasa. Izany no nahafahan’izy ireo nanompo tany Guyana foana. Na dia taorian’ny niterahany vavikely aza dia mbola afaka nanompo tany fito taona izy ireo. Nanitatra tany Guyana nandritra ny 18 taona izy ireo.

Christopher and Lorissa

 Hoy ny Salamo 37:5: “Ankino amin’i Jehovah ny lalanao, ary miantehera aminy, dia hanao zavatra izy.” Nivavaka matetika mikasika ny tanjon’izy ireo hanitatra any an-tany hafa i Christopher sy Lorissa, avy any Etazonia. Nodinihin’izy mivady tamin’ny fotoam-pivavahan’ny fianakaviana koa izay tokony hatao mba hilamina tsara ny fifindran’izy ireo ary nataony lisitra ny maha tsara sy ny maha ratsy an’ilay mifindra. Sarotra be amin’izy mivady ny hianatra teny vahiny, dia naleon’izy ireo nankany Guyana satria ny teny anglisy no fiteny ofisialy any.

 Nampiharin’izy mivady avy eo ilay toro lalana ao amin’ny Ohabolana 15:22 hoe: “Tsy tanteraka ny fikasana raha tsy misy resaka amim-pahatsorana, fa tanteraka kosa izany raha maro ny mpanolo-tsaina.” Nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampana miandraikitra an’i Guyana b izy ireo, ary nohazavainy tao ny mombamomba azy mivady sy ny fotoana azony anompoana any. Nanontaniany koa ny momba ny fikarakarana fahasalamana sy ny toetrandro ary ny fombafomban’ny olona any. Namaly ny fanontanian’izy ireo ny sampana ary nampifandray azy mivady tamin’ny anti-panahy ao amin’ilay fiangonana hifindrany.

 Mpiandraikitra mpitety faritany any Guyana izao i Linel, ilay voaresaka teo aloha. Nampihariny koa ilay toro lalana ao amin’ny Ohabolana 15:22, talohan’ny nanitarany. Hoy izy: “Sady nanangom-bola aho no niresaka tamin’ny olona efa nanitatra tany an-tany hafa. Noresahiko tamin’ny fianakaviako sy ny anti-panahy ary ny mpiandraikitra ny faritra ilay faniriako. Novakiko daholo ny lahatsoratra navoakan’ny fandaminana momba ny fanitarana faritany.”

Joseph sy Christina

 Mandeha mitsidika an’ilay tany tiany hanitarana ny mpitory maro, alohan’ny hifindrany any, ary mety tsara izany. Hoy ny mpivady iray atao hoe Joseph sy Christina: “Nijanona teto Guyana nandritra ny telo volana izahay, tamin’izahay tatỳ voalohany. Hitanay tsara, tamin’izay, hoe hoatran’ny ahoana ny fiainana atỳ. Nody izahay avy eo, dia nikarakara ny fandehananay, dia nifindra tatỳ.”

Inona no fanovana nataon’izy ireo?

Joshua

 Tsy maintsy mahafoy tena ny mpanitatra raha tiany hahomby ny fanompoany any an-tany hafa, ary mila mivonona hizatra amin’ny zava-misy sy ny fombafomba ao amin’ilay faritany izy. Raha avy any amin’ny tany mangatsiaka, ohatra, izy ka ho any amin’ny tany mafana, dia ho hitany hoe misy bibikely be dia be ilay toerana ifindrany. Hoy i Joshua, ilay voaresaka teo aloha: “Tsy zatra mahita bibikely be dia be aho, sady hoatran’ny ngezabe izany ilay izy rehefa any Guyana! Zatra ihany anefa aho rehefa nandeha ny fotoana. Hitako hoe tsy betsaka ny bibikely tao an-trano rehefa nanasa vilia sy nanary fako ary nanadio trano aho.”

 Mila mizatra sakafo vaovao sy fomba fahandro vaovao koa angamba ianao rehefa mifindra any an-tany hafa. Hoy ihany i Joshua: “Nangatahinay sy ilay namako ny mpiara-manompo mba hampianatra anay hikarakara ny sakafo misy eo amin’ilay toerana. Isaky ny nahay nahandro sakafo vaovao izahay, dia nanasa mpiara-mivory vitsivitsy mba hiara-misakafo aminay. Nahafinaritra ireny fotoana ireny. Lasa fantatray tsara ny mpiara-manompo sady lasa namanay ry zareo.”

Paul sy Kathleen

 Hoy i Paul sy Kathleen, mahakasika ny fombafomba eo an-toerana: “Tsy maintsy nianaranay hoe hoatran’ny ahoana ny atao hoe mahalala fomba, eo amin’ilay toerana, ary hoatran’ny ahoana ny akanjo mendrika. Vaovao be taminay ilay izy. Nanetry tena izahay, dia nanao fanovana raha mbola tsy mifanohitra amin’ny toro lalan’ny Baiboly izany. Rehefa niezaka nanaraka ny kolontsaina eo an-toerana izahay, dia lasa tia anay kokoa ny mpiara-manompo sady nandray tsara anay ny olona nitorianay.”

Inona no soa noraisin’izy ireo?

 Betsaka no mitovy fihetseham-po amin’i Joseph sy Christina. Hoy izy mivady: “Betsaka lavitra ny fitahiana azonay raha ampitahaina amin’ny olana natrehinay. Rehefa nanao an’iny zavatra vaovao sy sarotra iny izahay, dia niova ny fomba fisainanay, satria lasa tsy dia zava-dehibe aminay intsony ny zavatra noheverinay hoe tena lehibe. Nandrisika anay hanohy hanao an’izay vitanay ho an’i Jehovah ny zavatra niainanay tany. Tena afa-po be izahay!”

 Hoy i Erica, ilay noresahina teo aloha: “Lasa tsapanay kokoa hoe hoatran’ny ahoana marina izany matoky an’i Jehovah izany, rehefa nanitatra faritany izahay. Nanampy anay tamin’ny fomba samihafa i Jehovah ary mbola tsy nahatsapa an’izany izahay taloha. Niara-nahita sy niaina an’ireny zavatra ireny izahay mivady, dia vao mainka nifankatia.”

a Hita ao amin’ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2005 ny tantaran’ny fitoriana any Guyana.

b Ny sampan’i Trinité sy Tobago no miandraikitra an’i Guyana.