Hijery ny anatiny

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Isaia 42:8: “Izaho no TOMPO”

Isaia 42:8: “Izaho no TOMPO”

 “Izaho no Jehovah! Izany no anarako. Koa ny voninahitro tsy homeko ny hafa, ary ny fiderana ahy tsy homeko ho an’ny sary sokitra.”—Isaia 42:8, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

 “Izaho no TOMPO, izany no anarako,koa ny voninahitro dia tsy homeko ny hafa,na ny fiderana Ahy ho an’ny sarin-javatra voasokitra.”—Isaia 42:8, Fandikan-teny Protestanta.

Inona no tian’ny Isaia 42:8 holazaina?

 Lazain’Andriamanitra amintsika ny anarany. Lazainy koa hoe izy ihany no tokony hotompointsika, ary tsy tokony hampiasa sampy isika rehefa manompo azy.

 Andriamanitra ihany no namorona ny anarany. Matetika no adika hoe “Jehovah” izy io amin’ny teny malagasy. a (Eksodosy 3:14, 15) Miseho efa ho im-7 000 ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha (Soratra Hebreo sy Aramianina). Betsaka anefa ny Baiboly nanolo azy io tamin’ilay anaram-boninahitra hoe “TOMPO” (amin’ny sora-baventy). Izany, ohatra, no hita ao amin’ny Salamo 110:1, izay milaza faminaniana momba an’i Jehovah sy Jesosy. Izao no voalaza ao amin’io andininy io, ao amin’ny Fandikan-teny Protestanta: “Izao no lazain’NY TOMPO [Jehovah] amin’ny Tompoko [Jesosy].” (Asan’ny Apostoly 2:34-36) Mba ho hain’ny olona tsara ny hanavaka an’ireo “Tompo” roa resahina eo, dia natao teo amin’ny toerana tokony hisy azy ny anaran’Andriamanitra, ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Izao no voalaza ao: “Hoy i Jehovah tamin’ny Tompoko: ‘Mipetraha eto ankavanako mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.’”

 Betsaka ny manam-pahaizana mino fa “Manao Izay Hahatonga Izy” no dikan’ny anaran’Andriamanitra. Ilay tena Andriamanitra ihany no afaka mitondra an’io anarana io. Izy irery mantsy no afaka miovaova araka izay tiany na mampiasa sy manova ny zavaboariny araka izay tiany mba hanatanterahana ny fikasany.

 I Jehovah no Mpamorona antsika, ary izy ihany no tena Andriamanitra. Izy ihany àry no mendrika ny hotompointsika. Tsy tokony hanompo olon-kafa na zavatra hafa mihitsy isika, anisan’izany ny sary sy ny sampy.—Eksodosy 20:2-6; 34:14; 1 Jaona 5:21.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Isaia 42:8?

 Miresaka momba ny asa hataon’ilay ‘voafidiny’ i Jehovah, eo amin’ireo andininy voalohany amin’ny Isaia toko 42. Nilaza Andriamanitra fa “hampiharihary ny rariny amin’ireo firenena” io mpanompo ankasitrahany io. (Isaia 42:1) Izao no nolazain’Andriamanitra momba an’io fampanantenany io: “Zava-baovao kosa no lazaiko ankehitriny. Mbola tsy mipoitra ireny, dia efa ambarako aminareo.” (Isaia 42:9) Nipoitra, izany hoe tanteraka, ny faminaniana momba an’ilay mpanompo nofidin’Andriamanitra, taonjato maro tatỳ aoriana. Tonga mantsy ny Mesia, na Kristy, ary nanatanteraka ny fanompoany teto an-tany.—Matio 3:16, 17; 12:15-21.

Fomba Nandikana ny Isaia 42:8 ao Amin’ny Baiboly Hafa

 “Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an’ny sarin-javatra voasokitra.”—Fandikan-teny Protestanta.

 “Izaho no Iaveh, izany no Anarako; ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa. Ny fanajana Ahy, tsy ho an’ny sampy.”—Fandikan-teny Katolika.

a Renisoratra efatra no nanoratana ny anaran’Andriamanitra amin’ny teny hebreo, ary matetika no adika hoe YHWH izy io. “Iaveh” no andikan’ny Baiboly sasany amin’ny teny malagasy azy io. Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia jereo ilay hoe “Ny Anaran’Andriamanitra ao Amin’ny Soratra Hebreo”, ao amin’ny bokikely Tari-dalana Hianarana ny Tenin’Andriamanitra, Fizarana 1.