Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vatokely 27 500 kilao mahery no nentina tao Mt. Ebo mba hanaovana an’ilay tantara ara-baiboly

FOMBA AMPIASANA NY FANOMEZANAO

Video ho An’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2020 hoe “Mifalia Foana!”

Video ho An’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2020 hoe “Mifalia Foana!”

10 AOGOSITRA 2020

 Manohina ny fontsika ny video amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra sady manampy antsika hahatakatra kokoa ny fampianaran’ny Baiboly. Video 114 no naseho tamin’ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2020 hoe “Mifalia Foana!” Tafiditra amin’izany koa ny lahateny 43 nataon’ny rahalahy anisan’ny Filan-kevi-pitantanana sy ny mpanampy azy ireo. Efa noeritreretinao ve hoe inona avy ny asa tafiditra amin’ny famoahana azy ireny ary ohatrinona no lany tamin’izany?

 Rahalahy sy anabavy efa ho 900 maneran-tany no nitondra ny anjara birikiny ka nahafoy fotoana sy nampiasa ny fahaizany. Naharitra roa taona ilay tetikasa ary adiny 100 000 latsaka kely no lanin’izy ireo, raha atambatra. Ny adiny 70 000 tamin’izany no nanaovana an’ilay tantara ara-baiboly 76 minitra hoe Nehemia: “Ny Fifaliana avy Amin’i Jehovah no Fiarovana Mafy ho Anareo.”

 Azonao an-tsaina angamba hoe vola be no ilaina mba hikarakarana an’ireo mpiasa an-tsitrapo mahafoy tena ireo sy hividianana ny fitaovana ilain’izy ireo ary hikarakarana ny toerana iasany.

 Hoy i Jared Gossman, ao amin’ny Sampan’asa Momba ny Feo sy Video: “Tena tian’ny Komitin’ny Fampianarana eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana hampiseho kolontsaina sy toerana samihafa ny videontsika. Tiantsika haseho amin’ireny video ireny mantsy hoe tena fianakaviambe maneran-tany isika. Ekipa 24 any amin’ny firenena 11 àry no niara-niasa mba hamokarana azy ireny. Mila fandaminana mialoha sy fiaraha-miasa tsara ary vola be izany.”

 Maro amin’ireo video navoaka no mila fitaovana manokana. Namboarina tao amin’ny studio any Mt. Ebo, any akaikin’i Patterson, any Etazonia, ohatra, ny fitaovana nilaina tamin’ilay video hoe Nehemia: “Ny Fifaliana avy Amin’i Jehovah no Fiarovana Mafy ho Anareo.” Nanamboatra zavatra mitovy amin’ny mandan’i Jerosalema fahiny ny rahalahy sy anabavy, mba ho hoatran’ny tena izy ilay izy nefa koa mitsitsy ny vola fanomezana voaray. Takela-kazo 6 metatra maromaro no natambatra, dia nisy zavatra toy ny éponge napetaka teo aminy. Nolokoana izy ireo avy eo mba hitovy amin’ny vato no fahitana azy. Azo nobatabataina izy ireny mba hampiasaina amin’ny toerana samihafa, amin’izay tsy voatery manamboatra be dia be. Na izany aza, dia efa ho 100 000 dolara amerikanina (382 tapitrisa ariary eo ho eo) no lany nanamboarana ny fitaovana nilaina tamin’iny tantara iny fotsiny. a

 Vao mainka isika mankasitraka ny fivoriamben’ny vondrom-paritra amin’ity taona ity rehefa mahalala an’ireny tsipiriany ireny. Matoky isika fa olona maro eran-tany no hidera an’i Jehovah, noho ny ezaka natao tamin’iny fivoriambe iny. Ankasitrahana ny fanomezana be dia be ataonareo ho an’ny asa maneran-tany, amin’ny alalan’ny donate.pr418.com na amin’ny fomba hafa.

a Talohan’ny niparitahan’ny COVID-19 no namboarina ny fitaovana nilaina tamin’ilay video hoe Nehemia: “Ny Fifaliana avy Amin’i Jehovah no Fiarovana Mafy ho Anareo.” Mbola tsy notakina ny fanajana ny elanelana, tamin’izany.