Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FOMBA AMPIASANA NY FANOMEZANAO

Hanamboarana An’ilay Boky Tena Miavaka Indrindra

Hanamboarana An’ilay Boky Tena Miavaka Indrindra

1 JANOARY 2021

 “Efa nandritra ny 19 taona aho izay no niandry an’ity!” Fa inona no nandrasan’io mpiara-manompo amintsika io? Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny fiteniny, izany hoe amin’ny teny bengali. Be dia be koa no niteny hoatr’izany rehefa navoaka tamin’ny fiteniny ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Fa efa nieritreritra ve ianao hoe inona avy ny zavatra mila atao mba hahafahana mandika sy mamoaka an’ireny Baiboly ireny?

 Voalohany, manendry ekipa mpandika teny aloha ny Komitin’ny Fanoratana ao amin’ny Filan-kevi-pitantanana. Hafiriana ny ekipa mpandika teny anankiray vao mahavita mandika Baiboly? Hoy i Nicholas Ahladis, miara-miasa amin’ny Sampan’asan’ny Fandikan-teny any Warwick, any New York: “Betsaka ny zavatra mila dinihina, ohatra hoe firy ny mpandika teny afaka manao an’ilay tetikasa, hoatran’ny ahoana ny hasarotr’ilay fiteny adika, ahoana no fahazoan’ny olona ny fiainana tamin’ny andron’ny Baiboly, ary miovaova arakaraka ny toerana ve ilay fiteny. Raha ny Soratra Grika Kristianina fotsiny izao, dia maharitra herintaona ka hatramin’ny telo taona eo ho eo no hamitan’ny mpandika teny any amin’ny tany sasany azy. Maharitra efa-taona na maherin’izay kosa ny Baiboly manontolo. Mbola elaela kokoa noho izany anefa ny mandika Baiboly amin’ny tenin’ny tanana.”

 Tsy hoe mpandika teny fotsiny anefa no ilaina rehefa mandika Baiboly. Misy ekipana rahalahy sy anabavy avy amin’ny fiaviana samihafa koa, indraindray aza avy any amin’ny firenena samihafa mihitsy, asaina maneho ny heviny momba an’ilay fandikan-teny. Tsy karamaina ry zareo rehefa manao an’izany. Tena ilain’ny mpandika teny ny fanamarihana ataon’izy ireo, satria manampy azy ireo handika Baiboly marina tsara, mazava sady mora azon’ny olona. Hoy ny rahalahy iray atsy Afrika Atsimo, mpampiofana ny mpandika teny amin’ny fandikana Baiboly: “Mahatsiaro ho manana andraikitra ngezabe eo anatrehan’i Jehovah sy ny mpamaky ny Teniny ny mpandika teny.”

 Rehefa vita ilay fandikan-teny, dia tsy maintsy atao printy sy akambana ho lasa boky ilay Baiboly. Mba hahavitan’izany anefa, dia misy zavatra folo, fara fahakeliny, ilain-dry zareo ao amin’ny fanaovana pirinty. Ireto avy izany: Taratasy, ranomainty, akora fanamboarana fonona boky, lakaoly, plastika tsy tatera-drano, volafotsy nofisahina, ribà kely, fehiloha, karazana zavatra manenjana ny taratasy hatao boky, fitaovana manampy amin’ny fanakambanana Baiboly. Nahatratra 20 tapitrisa dolara mahery ny vola lany nividianana an’ireo fitaovana fampiasa amin’ny fanakambanana Baiboly ireo, tamin’ny 2019. Niasa nandritra ny 300 000 ora mahery ireo rahalahy tao amin’ny fanaovana pirinty, tamin’io taona io ihany, mba hamokarana sy handefasana Baiboly.

“Ny Baiboly no boky tena miavaka indrindra vokarintsika”

 Fa maninona isika no mandany fotoana sy vola be hoatr’izany? Hoy i Joel Blue, ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanaovam-pirinty Eran-tany: “Ny Baiboly no boky tena miavaka indrindra vokarintsika. Ataontsika manintona sy mahafinaritra àry ny paozin’izy io mba hanome voninahitra an’i Jehovah, ilay Andriamanitra ivavahantsika, sy ny hafatra torintsika.”

 Ankoatra ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao mahazatra, dia mamokatra ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny endriny hafa ho an’izay tena mila an’izany koa isika. Anisan’izany ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny soratra braille, ary efa misy amin’ny fiteny folo izy io izao. Maharitra adiny valo ny hanamboarana ny Baiboly iray amin’ny soratra braille. Tsy maintsy zarazaraina ho boky maromaro izy io, dia mila talantalana mirefy 2,3 metatra eo ho eo, fara fahakeliny, mba hasiana an’ireo boky ireo. Manamboatra Baiboly manokana ho an’ny voafonja koa isika. Atao taratasy mantsy ny fonon’ilay Baiboly satria izay ihany no eken’ny ao amin’ny fonja.

 Manova ny fiainan’ny olona mamaky azy ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Diniho, ohatra, ny fiangonana miteny kiluba, any amin’ny tanàna atao Tombe, any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo. Any amin’ny 1 700 kilaometatra mahery miala ny renivohitra no misy an’i Tombe. Baiboly iray ihany no mba nananan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany, sady amin’izay efa ntaolo be ilay fiteny kilubu tao amin’ilay izy. Iny Baiboly iray iny no nifandimbiasan’ny rahalahy rehefa nanomana ny anjarany tamin’ny fivoriana ry zareo. Nahazo ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny kilubu anefa ny olona tsirairay tao amin’ilay fiangonana, nanomboka tamin’ny Aogositra 2018. Sady Baiboly manontolo no azon-dry zareo no maoderina koa ilay fandikan-teny.

 Hoy ny anabavy iray miteny alemà momba an’ilay Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina amin’ny fiteniny: “Tsy miteny intsony aho izao hoe tena mila mamaky Baiboly aho. Fa hoy indray aho hoe: ‘Rahoviana àry aho no afaka mbola mamaky betsabetsaka amin’ity Baiboly ity?’” Nanoratra hoatr’izao koa ny voafonja iray: “Nahazo ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao aho, ary tena manova ny fiainako ilay izy. Tsy nisy azoko mihitsy izay nolazain’ny Baiboly taloha. Hatramin’ny namakiako an’ity fandikan-teny ity anefa dia lasa mazava tsara amiko ilay izy. Te hahafantatra bebe kokoa momba ny Vavolombelon’i Jehovah aho, sady tiako ho hay hoe ahoana no hahatonga ahy ho lasa Vavolombelon’i Jehovah.”

 Ny mpamaky ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao rehetra, dia mankasitraka ny fanomezana ataonareo mba hanohanana ny fanamboarana an’io Baiboly io. Misy fomba maromaro azo anaovana an’ireny fanomezana ho an’ny asa maneran-tany ireny ao amin’ny donate.pr418.com. Tena misaotra betsaka fa malala-tanana ianareo.