Hijery ny anatiny

12 SEPTAMBRA 2014
ALEMAINA

Fahatsiarovana ny Namonoan’ny Nazia An’ilay Vavolombelon’i Jehovah

Fahatsiarovana ny Namonoan’ny Nazia An’ilay Vavolombelon’i Jehovah

SELTERS, any Alemaina—Hisy fotoan-dehibe hotsarovana ao amin’ny Tranombakok’i Brandebourg, amin’ny 16 Septambra 2014. Feno 75 taona mantsy ny namonoana an’i August Dickmann tao amin’ny toby fitanan’i Sachsenhausen. Izy no voalohany novonoin’ny Nazia teny imason’olona tamin’ireo tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany, tamin’ny Ady Lehibe II.

August Dickmann, tamin’ny 1936 tany ho any.

Nogadraina tao amin’ny toby fitanan’i Sachsenhausen Atoa Dickmann, tamin’ny Oktobra 1937 satria Vavolombelon’i Jehovah. Nampanantsoin’ny Gestapo izy, telo andro taorian’ny nipoahan’ny Ady Lehibe II, tamin’ny 1939. Nasaina nanao sonia karatra miaramila izy, amin’izay lasa miaramila alemà. Tsy nety nanao sonia anefa izy ka natokan-toerana. Nangataka alalana tamin’ny lehiben’ny miaramila SS àry ny lehiben’ilay toby mba hitifitra an’Atoa Dickmann teo imason’ny gadra hafa rehetra. Noterena hanatrika ny fitifirana azy tamin’ny 15 Septambra 1939 ny Vavolombelon’i Jehovah an-jatony, anisan’izany i Heinrich rahalahiny. Nitatitra an’izay nitranga tany Alemaina ny gazety The New York Times, roa andro taorian’izay. Anisan’ny voalaza tao hoe: “August Dickmann, 29 taona, ... notifirin’ny miaramila teto.” Nolazain’ilay gazety koa hoe “noho ny zavatra inoany” no nahatonga azy tsy nety nanao miaramila ka izay no namonoana azy.

Vavolombelon’i Jehovah 890 mahery no nigadra tao Sachsenhausen. Nasiana takelaka fahatsiarovana azy ireo teo amin’ny rindrina ivelan’ilay toby, tamin’ny 18 Septambra 1999. Nisy tsangambato natsangana koa ho fahatsiarovana an’Atoa Dickmann.

Hanomboka eo amin’ilay tsangambato fahatsiarovana an’Atoa Dickmann ilay fankalazana, ary hisy kabary maromaro hatao ao amin’ny lakozian’ny fonja avy eo. Ny Pr. Detlef Garbe, lehiben’ny Tranombakoky ny Toby Fitanana Neuengamme, no ho vahiny mpikabary.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Alemaina: Wolfram Slupina, tel. +49 6483 41 3110