Hijery ny anatiny

14 SEPTAMBRA 2017
INDE

Oram-be Nandravarava Tany Mumbai

Oram-be Nandravarava Tany Mumbai

Nisy oram-be nivatravatra tany Mumbai, any Inde, ny herinandron’ny 28 Aogositra, ka 14 no maty.

Nanao tatitra ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Inde hoe tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah maty na naratra mafy. Betsaka anefa ny tranona Vavolombelon’i Jehovah dibo-drano. Nanome sakafo sy nanadio ny tranon’ny mpiara-manompo aminy ny Vavolombelon’i Jehovah any.

Mbola manara-maso an’izay mitranga any Mumbai sy any an-toeran-kafa tratran’ilay tondra-drano ny biraon’ny sampana.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Iraisam-pirenena: David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1-845-524-3000

Inde: Tobias Dias, +91-9845476425